Latvian: New Testament

Malagasy

Ephesians

2

1Arī jūs bijāt miruši savos noziegumos un grēkos,
1Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2Kuros kādreiz dzīvojāt, pakļāvušies šīs pasaules laikmetam, pakļauti gaisa valsts valdniekam, garam, kas vēl tagad darbojas nepaklausības bērnos.
2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
3Arī mēs visi kopā ar viņiem reiz dzīvojām savās miesas kārībās, izpildīdami miesas un iedomu iegribas. Savā dabā mēs bijām dusmības bērni, tāpat kā pārējie.
3teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4Bet Dievs, bagāts būdams savā žēlastībā, savas lielās mīlestības dēļ, ar kuru Viņš mūs mīlējis.
4Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5Kristū atdzīvināja mūs, kas bijām miruši savos grēkos. Viņš savā žēlastībā jūs glāba.
5na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6Un Viņš mūs Jēzū Kristū līdzuzmodināja un līdznovietoja debesīs.
6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
7Lai labsirdībā nākošajos laikos parādītu mums savas žēlastības pārpilno bagātību Kristū Jēzū.
7mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
8Jo žēlastībā jūs esat pestīti ticībā, un tas nav no jums, tā ir Dieva dāvana;
8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
9Ne darbu dēļ, lai neviens nelielītos.
9tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10Jo mēs esam Viņa radība, Kristū Jēzū radīti labajiem darbiem, ko Dievs sagatavojis, lai mēs tanīs dzīvotu.
10Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
11Tāpēc pieminiet, ka jūs, kas agrāk bijāt pēc miesas pagāni, tā saucamie rokām miesīgi apgraizītie sauca par neapgraizītajiem,
11[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
12Jo jūs tanī laikā bijāt bez Kristus, šķirti no Izraēļa kopības, sveši apsolījumu derībai, bez cerības un bez Dieva šinī pasaulē.
12eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
13Bet Kristū Jēzū jūs, kas citkārt bijāt tālu, tagad, pateicoties Kristus asinīm, kļuvāt tuvi.
13fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
14Jo mūsu miers ir Viņš, kas abus savienoja vienā, un ar savu miesu iznīcināja ienaidnieku, kas kā starpsiena mūs šķīra.
14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15Viņš nodibināja mieru, atceldams likumu ar saviem priekšrakstiem un nosacījumiem, pārveidodams sevī divus vienā jaunā cilvēkā.
15fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16Viņš caur krustu abus vienā miesā izlīdzināja ar Dievu, nonāvēdams ienaidu pats sevī.
16ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17Un Viņš atnācis pasludināja mieru jums, kas bijāt tālu, un mieru tiem, kas tuvu.
17Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin'izay akaiky koa. [ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
18Jo caur Viņu mums abiem dota pieeja pie Tēva vienā Garā.
18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
19Tātad jūs vairs neesat svešinieki un ienācēji, bet esat svēto līdzpilsoņi un Dieva saimes locekļi,
19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
20Kas uzcelti uz apustuļu un praviešu pamata, bet galvenais stūrakmens ir Kristus Jēzus.
20natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
21Katra uz Viņa celtā celtne izaug par svētu templi Kungā.
21ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
22Viņā arī jūs Garā tiekat uzcelti par Dieva mājokli.
22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.