1Jo bauslība aptver tikai nākamo labumu ēnu, ne pašas īstenības tēlu. Tāpēc, tā nekad nespēj ik gadus ar tiem pašiem upuriem, ko nepārtraukti upurē, padarīt pilnīgus tos, kas tuvojas.
1Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2Citādi būtu jau mitējušies upurēt, jo upurētāji, reiz šķīstīti, neapzinātos vairs nekādus grēkus.
2Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3Bet ar tiem gads gadā notiek grēku pieminēšana,
3Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4Jo vēršu un āžu asinis grēkus piedot nespēj.
4Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
5Tāpēc, pasaulē ienākdams, Viņš saka: Upurus un dāvanas Tu negribēji, bet miesu Tu man sagatavoji;
5Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6Dedzināmie upuri par grēkiem Tev nepatika.
6Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7Tad es sacīju: Lūk, es nāku. Grāmatas sākumā par mani rakstīts, lai es izpildītu, Dievs, Tavu prātu. (Ps 39)
7Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8Agrāk Viņš sacīja: Upurus un dāvanas, un dedzināmos upurus par grēkiem, un upurus, kas saskaņā ar bauslību tiek upurēti, Tu negribēji, un tie Tev nepatika.
8Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
9Tad es sacīju: Lūk, es nāku, lai piepildītu, Dievs, Tavu prātu. Tā Viņš atceļ pirmo, lai nodibinātu nākošo.
9dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10Šinī gribā mēs esam svētīti ar vienreizējo Jēzus Kristus miesas uzupurēšanu.
10Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
11Un katrs priesteris gan ik dienas stāv kalpodams un bieži tos pašus upurus upurēdams, kas nekad nespēj izdeldēt grēkus.
11Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12Bet Viņš, vienu upuri par grēkiem upurējis, mūžīgi sēž pie Dieva labās rokas,
12fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [ Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay]
13Joprojām gaidīdams, kamēr Viņa ienaidnieki tiks likti par pameslu Viņa kājām,
13ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14Jo ar vienu upuri Viņš uz mūžiem padarīja pilnīgus svētdarāmos.
14Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
15Bet arī Svētais Gars mums liecina, jo Viņš pēc tam sacījis:
15Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16Šī ir tā derība, ko es pēc tām dienām ar viņiem nodibināšu, saka Kungs: Es savus likumus došu viņu sirdīs un ierakstīšu tos viņu prātā,
16"Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
17Un viņu grēkus un netaisnības es vairs jau nepieminēšu.
17dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34).
18Bet kur tie piedoti, tur vairs nav upura par grēku.
18Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19Tātad, brāļi, Jēzus asins dēļ mums ir cerība ieiet vissvētākajā.
19[Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20Uz turieni Viņš mums sagatavojis jaunu un dzīvu ceļu caur priekškaru, tas ir, savu miesu;
20amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,
21Un tā kā mums ir augstais priesteris pār Dieva namu,
21sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
22Tad tuvosimies patiesu sirdi, ticības pilnībā, apslacināti sirdīs un brīvi no ļaunas sirdsapziņas, un miesu nomazgājuši tīrā ūdenī.
22dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [ Gr. voafafy]
23Turēsim nesatricināmi savu cerības apliecinājumu (jo uzticams ir Tas, kas apsolījis)!
23aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24Un vērosim cits citu, lai pamudinātos mīlestībā un labajos darbos!
24ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25Neatstāsim savas sanāksmes, kā daži paraduši, nepamudinādami viens otru jo vairāk redzot, ka tā diena tuvojas.
25aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26Un ja mēs, patiesības atziņu saņēmuši, apzināti grēkojam, tad vairs neatliek upuris par grēkiem,
26Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27Bet gan šausmīgas tiesas gaidīšana un uguns niknums, kas aprīs pretiniekus.
27fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28Kas atmeta Mozus likumu, tam, diviem vai trim lieciniekiem liecinot, bez žēlastības bija jāmirst.
28Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
29Kā jums šķiet, cik gan smagāku sodu pelna tas, kas Dieva Dēlu kājām mītu un derības asinis, kurās tas svētīts, turētu par nesvētām, un žēlastības Garu nievātu?
29manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30Jo mēs pazīstam To, kas teicis: Atriebšana pieder man, es atmaksāšu; un atkal: Kungs tiesās savu tautu.
30Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31Šausmīgi ir krist dzīvā Dieva rokās!
31Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32Bet atminieties agrākās dienas, kad jūs apgaismoti izturējāt lielu ciešanu cīņu.
32Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33Arī jūs atklātībā bijāt nodoti zaimiem un mokām, arī bijāt līdzdalībnieki tiem, kam tāpat notika.
33indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
34Jo jūs esat cietumniekiem līdzcietuši, un jūsu mantas nolaupīšanu uzņēmāt ar prieku, apzinādamies, ka jums ir labāka un paliekama manta.
34Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. [ Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra]
35Tāpēc nezaudējiet savu paļāvību, jo tai ir liela alga.
35Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36Jo pacietība jums nepieciešama, lai, Dieva prātu izpildījuši, iemantotu apsolījumu.
36Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
37Un vēl neilgi, tad nāks un nekavēsies Tas, kam jānāk.
37Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra"
38Bet mans taisnīgais dzīvo no ticības, un tas nepatiks manai dvēselei, ja viņš atkāptos.
38Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [ (ny marina)]Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.
39Tomēr mēs neesam izmisuma bērni, kas iet pazušanā, bet mums ir ticība dvēseles pestīšanai.
39Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.