1Ap mums ir tik liels liecinieku mākonis, tāpēc dosimies ar pacietību mums priekšā stāvošajā sacīkstē, nolikdami katru smagumu un grēku, kas mums pieķēries.
1[Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
2Skatīsimies uz Jēzu, ticības nodibinātāju, kas paredzētā prieka dēļ, nievāšanu neievērodams, pārcieta krustu, bet tagad sēž Dieva troņa labajā pusē.
2mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
3Vērojiet To, kas panesa tādas vajāšanas, ko grēcinieki vērsa pret Viņu, lai jūs nepagurtu un nekļūtu vāji savā garā!
3Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [ Na: ireo mpanota manimba tena]
4Jo jūs, cīnīdamies pret grēku, vēl neesat līdz asinīm pretojušies.
4Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
5Un jūs esat aizmirsuši pamudinājumu, kas uz jums kā bērniem runā, sacīdams: Mans dēls, nenicini Kunga pamācību un nepagursti, kad viņš tevi norāj.
5Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6Jo, ko Kungs mīl, to pārmāca un šausta katru bērnu, ko Viņš pieņem.
6Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).
7Esiet pacietīgi pārmācībā! Dievs izturas pret jums kā pret bērniem; jo kur būtu tāds bērns, ko tēvs nepārmācītu?
7Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8Ja jūs esat bez pārmācības, kuru visi saņēmuši, tad jūs neesat īsti bērni, bet nelikumīgi.
8Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9Tālāk, ja mūsu miesīgie tēvi mūs pārmāca un mēs tiem parādām godbijību, tad jo vairāk paklausīsim gara Tēvam un mēs dzīvosim.
9Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
10Tie pēc sava prāta mūs pārmācīja dažu dienu laikam, bet Viņš pārmāca mūsu labā, Viņa svētlaimības iegūšanai.
10Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
11Lai gan liekas, ka katra pārmācība tanī brīdī sagādā ne prieku, bet skumjas, tomēr vēlāk tiem, kas tanī vingrināti, dod taisnības miera augli.
11Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
12Tāpēc paceliet gurdenās rokas un nespēcīgos ceļus
12Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [ Na: ahitsio]
13Un savām kājām staigājiet taisnus soļus, lai kāds klibodams nenomaldītos, bet gan tiktu dziedināts!
13ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14Tiecieties pēc miera ar visiem un pēc svētuma, bez tā neviens Dievu neredzēs.
14Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15Uzmaniet, ka neviens Dieva žēlastībai neizpaliktu, ka kāda rūgtuma sakne, augstu izaugusi, jums nekaitētu un daudzi ar to netiktu aptraipīti,
15Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
16Neviens lai nebūtu netikls vai zemisks kā Ezavs, kas par vienu maltīti pārdeva savu pirmdzimtību. (1 Moz 25,33)
16fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
17Jūs gan zināt, ka viņš vēlāk gribēja mantot svētību, bet tika atraidīts, jo neatrada iespēju atgriezties, lai gan ar asarām to meklēja.
17Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
18Jo jūs neesat piegājuši pie taustāma kalna, ne pie degošas uguns, ne negaisa mākoņa, ne tumsas, ne vētras,
18[Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
19Ne bazūnes skaņas, ne vārdu balss, ko dzirdēdami, tie lūdza, lai mitējas viņiem runāt;
19sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
20Jo viņi nevarēja paciest to, kas tika sacīts: Un ja kustonis pieskartos kalnam, tas jānomētā akmeņiem. (2 Moz 19,12-13)
20fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
21Jā, parādība bija tik baismīga, ka Mozus izsaucās: Es esmu baiļu pārņemts un drebu! (5.Moz.9,19)
21ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).
22Bet jūs esat tuvojušies Siona kalnam un dzīvā Dieva pilsētai, debesu Jeruzalemei, un daudzu tūkstošu eņģeļu sapulcei,
22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23Un debesīs pierakstīto pirmdzimušo draudzei, un Dievam, visu tiesātājam, un taisnīgajām, pilnību sasniegušajām dvēselēm,
23amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [ Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [ Gr. eklesia]
24Un Jaunās derības vidutājam Jēzum, un apslacīšanai asinīm, kas spēcīgāk runā nekā Ābela.
24sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.
25Pielūkojiet, ka jūs nenoraidītu To, kas runā! Ja tie neizbēga, kas atmeta To, kas runāja virs zemes, jo vairāk mēs, ja novērsīsimies no Tā, kas runā no debesīm.
25Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
26Toreiz Viņa balss satricināja zemi, bet tagad Viņš pasludina, sacīdams: Vēl vienreiz es sakustināšu ne tikai zemi, bet arī debesis.
26Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
27Bet tas "vēl vienreiz" norāda, ka tas, kas radīts un satricināšanai padots, tiks pārmainīts, lai paliktu tas, kas nesatricināms.
27Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.
28Tāpēc, saņemdami nesatricināmu valstību, būsim pateicīgi! Ar to mēs, Dievam patikdami kalposim bailēs un godbijībā.
28Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [ Na: hanana fanahy misaotra]fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
29Jo mūsu Dievs ir iznīcinātāja uguns.
29fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).