1Es esmu īstais vīna koks, un mans Tēvs ir kopējs.
1Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2Viņš nocērt no manis ikkatru zaru, kas nenes augļus, un ikkatru, kas nes augļus, tīra, lai tas vēl vairāk nestu augļus.
2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. [Gr dioviny]
3Jūs jau esat tīri to vārdu dēļ, ko jums teicu.
3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
4Palieciet manī, un es jūsos. Kā zars nevar nest augļus no sevis, ja nepaliek pie vīna koka, tā arī jūs ne, ja jūs nepaliksiet manī.
4Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
5Es esmu vīna koks, bet jūs zari. Kas paliek manī, un es viņā, tas nes daudz augļu, jo bez manis jūs nekā nespējat darīt.
5Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
6Ja kas manī nepaliek, to kā zaru izmet ārā; un tas sakalst, un to paņem un iemet ugunī, un tas sadeg.
6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
7Ja jūs paliksiet manī, un mani vārdi paliks jūsos, tad, ko vien jūs vēlēsieties un lūgsiet, tas jums notiks.
7Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
8Ar to mans Tēvs tiek pagodināts, ja jūs nesat daudz augļu un kļūstat mani mācekļi.
8Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
9Kā Tēvs mani mīlējis, tā es jūs mīlu. Palieciet manā mīlestībā!
9Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.
10Ja jūs manus baušļus pildīsiet, jūs paliksiet manā mīlestibā, tāpat kā es sava Tēva baušļus pildīju un palieku Viņa mīlestībā.
10Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
11To es jums sacīju, lai mans prieks paliktu jūsos un jūsu prieks būtu pilnīgs.
11Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
12Tas ir mans bauslis, lai jūs viens otru mīlētu, kā es jūs mīlēju.
12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13Nav nevienam lielākas mīlestības par to, ja kāds atdod savu dzīvību par saviem draugiem.
13Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14Jūs esat mani draugi, ja jūs darīsiet to, ko es jums pavēlu.
14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15Es jūs vairs nesaucu par kalpiem, jo kalps nezina, ko viņa kungs dara; bet es jūs saucu par draugiem, jo visu, ko dzirdēju no sava Tēva, es jums pasludināju.
15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
16Ne jūs mani izredzējāt, bet es jūs izredzēju un liku, lai jūs ietu un nestu augļus un lai jūsu augļi paliktu, jo visu, ko jūs no Tēva lūgsiet manā vārdā, to Viņš jums dos.
16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
17Šo es jums pavēlu, lai jūs cits citu mīlētu.
17Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
18Ja pasaule jūs ienīst, ziniet, ka tā pirms jums mani ienīda.
18Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
19Ja jūs būtu no pasaules, pasaule savējos mīlētu. Bet tā kā jūs neesat no pasaules, bet es jūs no pasaules izredzēju, tad pasaule jūs ienīst.
19Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [Gr. avy amin']
20Atcerieties manus vārdus, ko es jums teicu: kalps nav lielāks par savu kungu. Ja viņi mani vajāja, tie vajās arī jūs. Ja viņi manus vārdus ievērojuši, tie pildīs arī jūsējos.
20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
21Bet to visu viņi jums darīs mana vārda dēļ, tāpēc ka tie nepazīst to, kas mani sūtījis.
21Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
22Ja es nebūtu atnācis un viņiem to sacījis, tiem nebūtu grēka; bet tagad viņiem nav sava grēka attaisnojuma.
22Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony.
23Kas mani ienīst, ienīst arī manu Tēvu.
23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24Ja es viņiem nebūtu darījis darbus, kādus neviens cits nav darījis, tiem nebūtu grēka; bet tagad viņi tos redzēja un ienīda mani un manu Tēvu.
24Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
25Bet vārdiem jāizpildās, kas rakstīti viņu bauslībā: Viņi mani veltīgi ienīda.
25fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
26Bet kad atnāks Iepriecinātājs, ko es sūtīšu no Tēva, patiesības Gars, kas no Tēva iziet, Viņš dos jums liecību par mani.
26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [ Izahao 14.16]Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.
27Un jūs dosiet liecību, tāpēc ka no sākuma esat pie manis.
27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.