1Pēc tam bija jūdu svētki; un Jēzus aizgāja uz Jeruzalemi.
1Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2Bet Jeruzalemē bija ar piecām pajumtēm Avju dīķis, kas ebrejiski saucas Betsata.
2Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
3Tanīs gulēja liels daudzums slimnieku, aklo, klibo un izkaltušo, kas gaidīja ūdens sakustēšanos.
3Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila. [Gr. efa maina, na malazo. Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano]
4Bet Kunga eņģelis savulaik nolaidās dīķī; un kas pirmais pēc ūdens sakustēšanās iekāpa dīķī, tas izveseļojās, lai ar kādu slimību viņš neslimotu.
4[Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no aretina nanjo azy]
5Bet tur bija kāds cilvēks, kas slimoja trīsdesmit astoņus gadus.
5Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
6Jēzus, redzēdams viņu guļam un zinādams, ka tas jau ilgu laiku slimo, sacīja viņam: Vai gribi būt vesels?
6Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
7Slimais atbildēja Viņam: Kungs, man nav cilvēka, kas mani ievestu dīķī, kad ūdens sakustas, jo, kamēr es aizeju, cits ieiet pirmais.
7Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
8Jēzus sacīja viņam: Celies, ņem savu gultu un staigā.
8Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
9Un tūdaļ šis cilvēks izveseļojās, ņēma savu gultu un staigāja. Bet bija sabata diena.
9Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
10Tad jūdi sacīja izdziedinātajam: Ir sabats! Tev nav brīv nest savu gultu!
10Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.
11Viņš tiem atbildēja: Kas mani izdziedināja, tas teica man: ņem savu gultu un staigā!
11Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
12Tad tie jautāja viņam: Kas ir tas cilvēks, kas tev sacīja: ņem savu gultu un staigā?
12Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
13Bet izdziedinātais nezināja, kas Tas bija, jo Jēzus aizgāja no ļaudīm, kas atradās tanī vietā.
13Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
14Vēlāk Jēzus atrada viņu svētnīcā un sacīja tam: Lūk, tu esi izdziedināts; negrēko vairs, lai tev kas ļaunāks nenotiek.
14Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
15Tas cilvēks aizgāja un paziņoja jūdiem, ka Jēzus ir tas, kas viņu izdziedināja.
15Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
16Tāpēc jūdi vajāja Jēzu, ka Viņš to darīja sabatā.
16Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
17Bet Jēzus atbildēja viņiem: Mans Tēvs aizvien darbojas, un es arī darbojos.
17Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18Tāpēc jūdi vēl vairāk meklēja Viņu nonāvēt, ka Viņš ne tikai neievēroja sabatu, bet sauca Dievu par savu Tēvu, pielīdzinādams sevi Dievam. Tad Jēzus atbildēja un sacīja viņiem:
18Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
19Patiesi, patiesi es jums saku: Dēls no sevis neko nevar darīt, ja neredzēs Tēvu darām; jo, ko Viņš dara, to tāpat dara arī Dēls.
19Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.
20Jo Tēvs mīl Dēlu un rāda Viņam visu, ko pats dara, un rādīs Viņam vēl lielākus darbus nekā šos, lai jūs brīnītos.
20Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
21Jo kā Tēvs uzmodina miroņus un atdzīvina, tā arī Dēls atdzīvina, kurus vēlas.
21Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany.
22Jo Tēvs netiesā nevienu, bet visu tiesu nodevis Dēlam,
22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
23Lai visi tāpat godātu Dēlu, kā godā Tēvu. Kas Dēlu negodina, tas negodina Tēvu, kas Viņu sūtījis.
23mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
24Patiesi, patiesi es jums saku: Kas manus vārdus klausa un tic uz To, kas mani sūtījis, tam ir mūžīgā dzīvība; un viņš tiesā nenāk, bet no nāves pāriet dzīvībā.
24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. [Gr. hotsaraina]
25Patiesi, patiesi es jums saku, ka nāk stunda, un tā tagad ir, kad miroņi dzirdēs Dieva Dēla balsi, un tie, kas dzirdēs, dzīvos.
25Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. [Gr. ora]
26Jo kā Tēvam ir dzīvība pašam sevī, tā Viņš arī Dēlam devis, lai Viņam būtu dzīvība pašam sevī.
26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
27Un deva Viņam varu tiesāt, jo Viņš ir Cilvēka Dēls.
27ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
28Nebrīnieties par to, jo nāk stunda, kurā visi, kas atrodas kapos, dzirdēs Dieva balsi,
28Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [Gr. ora]
29Un izies tie, kas labu darījuši, uz augšāmcelšanos dzīvībai, bet tie, kas ļaunu darījuši, uz augšāmcelšanos tiesai.
29dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana. [Gr. ho fitsarana]
30Es pats no sevis nekā nevaru darīt. Kā es dzirdu, tā es tiesāju; un mana tiesa ir taisnīga, jo es nemeklēju savu gribu, bet tā, kas mani sūtījis.
30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
31Ja es pats dodu liecību par sevi, mana liecība nav patiesa.
31Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
32Ir Cits, kas liecina par mani; un es zinu, ka liecība, kādu Viņš par mani dod, ir patiesa.
32Misy Anankiray Izay manambara Ahy. ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
33Jūs sūtījāt pie Jāņa; un viņš deva liecību patiesībai.
33Hianareo naniraka tany amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
34Tomēr es nepieņemu liecību no cilvēka, bet saku šo, lai jūs tiktu pestīti.
34Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
35Viņš bija spīdeklis, kas deg un spīd, bet jūs gribējāt īsu laiku līksmoties viņa gaismā.
35Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin'faharavany.
36Bet man ir lielāka liecība nekā Jāņa: jo darbi, ko Tēvs man deva, lai tos pabeidzu, šie paši darbi, ko es daru, dod liecību par mani, ka Tēvs mani sūtījis.
36Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray.
37Un Tēvs, kas mani sūtījis, pats deva liecību par mani. Bet jūs nekad Viņa balsi neesat dzirdējuši, nedz Viņa seju redzējuši.
37Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
38Un Viņa vārds jūsos nav palicējs, jo jūs neticat tam, ko Viņš sūtījis.
38ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
39Jūs pētāt Rakstus, jo jūs domājat, ka tajos ir mūžīgā dzīvība; un tie ir, kas liecina par mani.
39Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [Na: Diniho]
40Bet jūs negribat nākt pie manis, lai iegūtu dzīvību.
40Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
41No cilvēkiem es godu nepieņemu.
41Tsy mandray laza avy amin'olona
42Bet es jūs pazīstu, ka Dieva mīlestības jūsos nav.
42Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo.
43Es atnācu sava Tēva vārdā, un jūs mani nepieņēmāt; ja atnāks cits savā vārdā, to jūs pieņemsiet.
43Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
44Kā jūs varat ticēt, cits no cita godu pieņemdami, bet nemeklējat godu, kas nāk no vienīgā Dieva.
44Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
45Nedomājiet, ka es jūs apsūdzēšu Tēvam. Ir kas jūs apsūdz - Mozus, uz ko jūs cerat.
45Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
46Jo, ja jūs ticētu Mozum, tad jūs ticētu arī man, jo par mani viņš rakstījis (1.Moz.3,15; 22,18; 5.Moz.18,15),
46Fa raha mba nino an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
47Bet ja jūs neticat viņa rakstiem, kā jūs ticēsiet maniem vārdiem?
47Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?