Latvian: New Testament

Malagasy

Luke

13

1Bet tanī pat laikā atnāca daži un ziņoja Viņam par galilejiešiem, kuru asinis Pilāts sajauca ar to upuriem.
1Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.
2Un Viņš tiem atbildēja, sacīdams: Vai jūs domājat, ka šie galilejieši bija lielāki grēcinieki nekā visi galilejieši, tāpēc ka viņiem tā bij jācieš?
2Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
3Es jums saku: nē; bet ja jūs par grēkiem negandarīsiet, visi tāpat aiziesiet bojā.
3Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
4Vai jūs domājat, ka tie astoņpadsmit, uz kuriem nogāzās Siloes tornis un nosita viņus, bija vairāk vainīgi nekā visi pārējie Jeruzalemes iedzīvotāji?
4Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
5Es jums saku: nē; bet ja jūs par grēkiem negandarīsiet, visi tāpat aiziesiet bojā.
5Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
6Un Viņš sacīja tiem šo līdzību: Kādam bija vīģes koks, iestādīts paša vīna dārzā; un viņš nāca un meklēja tanī augļus, bet neatrada.
6Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
7Tad viņš sacīja vīna dārza kopējam: Lūk, jau trešo gadu nāku meklēt augļus šai vīģes kokā, bet neatrodu. Tāpēc nocērt to, lai tas neaizņem zemi!
7Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
8Bet tas atbildēja viņam, sacīdams: Kungs, atstāj to vēl šogad, kamēr es to aprakšu un uzlikšu mēslus,
8Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
9Varbūt tas nesīs augļus, bet ja nē, tad nākotnē tu nocirtīsi to.
9angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
10Un Viņš mācīja sabatos to sinagogā.
10Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
11Un, lūk, sieviete: tai astoņpadsmit gadu bija slimības gars; un viņa bija saliekta un nespēja pat augšup paskatīties.
11Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
12Jēzus, ieraudzījis viņu, pasauca to pie sevis un sacīja tai: Sieviete, tu esi atbrīvota no savas slimības.
12Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.
13Un Viņš uzlika tai rokas; un tūdaļ tā uzcēlās un godināja Dievu.
13Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
14Bet sinagogas priekšnieks, saīdzis, ka Jēzus dziedināja sabatā, sāka runāt ļaudīm, sacīdams: Ir sešas dienas, kurās jāstrādā; tanīs nāciet un dziedinieties, bet ne sabatā!
14Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
15Bet Kungs atbildēja viņam, sacīdams: Jūs, liekuļi, vai katrs no jums sabatā neatraisa savu vērsi vai ēzeli no siles un neved dzirdināt?
15Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
16Bet vai nevajadzēja sabatā atraisīt no šīm saitēm šo Ābrahama meitu, kuru sātans bija saistījis, lūk, jau astoņpadsmit gadu?
16Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
17Un kad Viņš to pateica, visi Viņa pretinieki nosarka, bet visa tauta priecājās par visu, ko Viņš vareni darīja.
17Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
18Un Viņš sacīja: Kam līdzīga Dieva valstība? Ar ko lai es to salīdzinu?
18Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
19Tā līdzīga sinepju graudiņam, ko cilvēks paņēma un iesēja savā dārzā; un tas auga un kļuva liels koks; un debess putni mājoja tā zaros.
19Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
20Un vēl Viņš sacīja: Ar ko lai es salīdzinu Dieva valstību?
20Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
21Tā līdzīga raugam, kuru sieviete paņēma un iejauca trijos mēros miltu, kamēr viss sarūga.
21Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.[Gr. nafeniny]
22Un Viņš, turpinādams ceļu uz Jeruzalemi, apstaigāja pilsētas un miestus mācīdams.
22Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
23Bet kāds sacīja Viņam: Kungs, vai maz ir to, kas tiks pestīti?
23Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
24Pūlieties ieiet caur šaurajām durvīm, jo, es jums saku, daudzi meklēs ieiet, bet nevarēs.
24Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
25Jo kad nama tēvs būs iegājis un durvis noslēdzis, tad jūs, ārā stāvēdami, sāksiet pie durvīm klauvēt, sacīdami: Kungs, atver mums! Tad Viņš, atbildēdams jums, sacīs: Es nezinu, no kurienes jūs esat.
25Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
26Tad jūs sāksiet runāt: Mēs Tavā klātbūtnē ēdām un dzērām, un Tu mācīji mūsu ielās.
26ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
27Un Viņš jums sacīs: Es nezinu, no kurienes jūs esat; ejiet prom no manis, jūs, visi ļauna darītāji!
27Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
28Tur būs raudāšana un zobu griešana, kad redzēsiet Ābrahamu un Īzāku, un Jēkabu, un visus praviešus Dieva valstībā, bet sevi izmestus ārā.
28Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
29Un nāks no austrumiem un rietumiem, no ziemeļiem un dienvidiem un ieņems vietu Dieva valstībā!
29Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
30Un, lūk, ir pēdējie, kas būs pirmie, un ir pirmie, kas būs pēdējie.
30Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
31Tanī pat dienā nāca daži farizeji un sacīja Viņam: Aizej un aizceļo no šejienes, jo Herods grib Tevi nonāvēt!
31Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
32Un Viņš tiem sacīja: Ejiet un sakiet šim lapsai: lūk, es izdzenu ļaunos garus un dziedinu slimos šodien un rīt, bet trešajā dienā es pabeigšu.
32Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.[ volpa]
33Tomēr man šodien un rīt, un nākošajā dienā jābūt ceļā, jo nepiedienas pravietim ārpus Jeruzalemes iet bojā.
33Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
34Jeruzaleme, Jeruzaleme, kas nokauj praviešus un akmeņiem nomētā tos, kas pie tevis sūtīti! Cik reizes es gribēju savākt tavus bērnus, kā putns savāc savus cāļus zem spārniem, bet tu to negribēji!
34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).
35Lūk, jūsu nams tiks jums atstāts tukšs. Bet es jums saku: jūs mani neredzēsiet, kamēr nāks laiks, kad jūs sacīsiet: Svētīgs, kas nāk Kunga vārdā!
35Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).