Latvian: New Testament

Malagasy

Revelation

19

1Pēc tam es dzirdēju it kā liela ļaužu pulka balsis debesīs saucam: Alleluja! Pestīšana un gods, un vara ir mūsu Dievam,
1[Saotra ataon'ny any an-danitra noho ny nitsarana an'i Babylona] Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
2Jo patiesas un taisnīgas ir Viņa tiesas, kas notiesāja lielo netikli, kura samaitāja zemi savā netiklībā. Un Viņš atrieba savu kalpu asinis, kas bija pie tās rokām.
2Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
3Un tie atkal sauca: Alleluja! Un tās dūmi paceļas mūžīgi mūžos.
3Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.
4Tad divdesmit četri sentēvi un četri dzīvnieki pielūdza Dievu, kas sēž tronī, sacīdami: Amen! Alleluja!
4Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! [ Gr. presbytera]
5Un no troņa atskanēja balss, sacīdama: Godiniet mūsu Dievu visi Viņa kalpi, mazie un lielie, un kas Viņa bīstas!
5Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
6Un dzirdēju it kā liela ļaužu pulka balsi, it kā lielu ūdeņu troksni, it kā spēcīgu pērkonu rūkšanu sakām: Alleluja, jo valda Kungs, mūsu visvarenais Dievs.
6Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
7Priecāsimies un līksmosim, un dosim Viņam godu, jo pienākušas Jēra kāzas un Viņa līgava sagatavojusies!
7Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
8Un tai bija ļauts tērpties spožā un tīrā audeklā, jo audekls ir svēto taisnīgie darbi.
8Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.
9Un viņš man sacīja: Raksti: Svētīgi tie, kas aicināti Jēra kāzu mielastā. Viņš man sacīja: Šie ir patiesie Dieva vārdi.
9Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.
10Tad es kritu pie viņa kājām, lai to pielūgtu. Viņš man sacīja: Nedari to! Es esmu tāds pats kalps kā tu un tavi brāļi, kam Jēzus liecība. Pielūdz Dievu, jo Jēzus liecība ir pravietojuma gars!
10Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
11Un es redzēju atvērtas debesis un, lūk, balts zirgs, un sēdētājs tanī saucās Uzticīgais un Patiesais, kas taisnīgi tiesā un karo.
11[Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
12Viņa acis it kā uguns liesma, un galvā Viņam daudzi kroņi. Un bija uzrakstīts Viņa vārds, ko neviens nepazina kā vienīgi Viņš pats.
12Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
13Viņš bija tērpies drēbēs, kas slacītas asinīm, un Viņa vārds saucās Dieva Vārds.
13Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra.
14Un debesu kara pulki sekoja Viņam baltos zirgos, tērpti baltā un tīrā audeklā.
14Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
15Un no viņa mutes iziet abpusēji ass zobens, ar ko satriekt tautas. Viņš tās valdīs ar dzelzs zizli un min visvarenā Dieva dusmu bardzības vīna spiedi.
15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16Un uz tērpa, proti, Viņa sānos rakstīts: Ķēniņu Ķēniņš un kungu Kungs.
16Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
17Tad es redzēju vienu eņģeli, kas stāvēja saulē un sauca stiprā balsī visiem putniem, kas lidoja debess telpā, sacīdams: Nāciet un pulcējieties Dieva lielajā mielastā,
17Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra,
18Lai ēstu ķēniņu miesas un virsnieku miesas, un vareno miesas, un zirgu un viņu jātnieku miesas, un visu brīvo, un vergu, un mazo, un lielo miesas!
18mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
19Un es redzēju zvēru un visas zemes ķēniņus, un viņa karapulkus, kas bija sapulcināti, lai karotu ar To, kas sēdēja zirgā, un ar Viņa karaspēku.
19Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany.
20Un zvēru sagūstīja, bet līdz ar viņu arī viltus pravieti, kas viņa priekšā bija darījis brīnumus, ar kuriem tas pievīlis tos, kas bija pieņēmuši zvēra zīmi un pielūguši viņa attēlu. Tos abus iemeta dzīvus degoša sēra uguns purvā.
20Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
21Tad pārējos nonāvēja ar zobenu, kas izgāja no zirga sēdētāja mutes, un visi putni bija paēduši no viņu miesām.
21Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.