1Tad viņš man rādīja dzīvības ūdens upi, skaidru kā kristāls, kas iztecēja no Dieva un Jēra troņa.
1Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
2Viņas ielas vidū un upei abās pusēs bija dzīvības koks, kas nesa augļus divpadsmit reizes, dodot katru mēnesi savu augli, un koka lapas bija tautu dziedināšanai.
2teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3Un nekas nebūs vairs nolādēts. Tanī stāvēs Dieva un Jēra tronis, un Viņa kalpi Tam kalpos.
3Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4Un tie skatīs Viņa vaigu, un Viņa vārds būs tiem pierēs.
4ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
5Un nebūs vairs nakts, un nebūs vajadzīgs vairs ne sveces, ne saules gaismas, jo Kungs Dievs viņus apgaismos, un viņi valdīs mūžīgi mūžos.
5Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
6Un viņš man sacīja: Šie vārdi ir visticamākie un patiesi. Kungs, pravieša gara Dievs, ir sūtījis savu eņģeli parādīt saviem kalpiem, kam drīzumā jānotiek.
6[Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7Un, lūk, es nāku drīz! Svētīgs tas, kas ievēro šīs pravietojumu grāmatas vārdus.
7Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
8Un es, Jānis, to visu dzirdēju un redzēju. Un kad es to biju dzirdējis un redzējis, kritu pie kājām eņģelim, kas man to rādīja, lai viņu pielūgtu.
8Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9Bet viņš man sacīja: Nedari to! Jo es esmu tāds pat kalps kā tu, kā tavi brāļi pravieši un visi tie, kas ievēro šīs grāmatas pravietojumu vārdus. Pielūdz Dievu!
9Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
10Un viņš man saka: Neaizzīmogo šīs pravietojumu grāmatas vārdus, jo laiks ir tuvu!
10Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
11Ļaundaris lai dara vēl ļaunu, un netīrais lai grimst vēl netīrībā, bet taisnīgais lai kļūst vēl taisnīgāks, un svētais lai kļūst svētāks!
11Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
12Lūk, es nāku drīz, un mana alga līdz ar mani, lai atlīdzinātu katram attiecīgi tā darbiem.
12Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13Es esmu alfa un omega, pirmais un pēdējais, sākums un beigas.
13Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14Svētīgi tie, kas savas drēbes mazgā Jēra asinīs, lai tiem būtu daļa no dzīvības koka un varētu pa vārtiem ieiet pilsētā.
14Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
15Ārā paliek suņi un burvji, un netikļi, un slepkavas, un elku pielūdzēji, un visi, kas mīl un runā melus.
15Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16Es, Jēzus, esmu sūtījis savu eņģeli, lai jums to apliecinātu draudzēs. Es esmu Dāvida sakne un dzimums, spožā rīta zvaigzne.
16Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17Un gars un līgava saka: Nāc! Un kas to dzird, lai saka: Nāc! Kam slāpst, lai nāk, un kas grib, lai ņem dzīvības ūdeni bez maksas!
17Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
18Es apliecinu katram, kas dzird šīs grāmatas pravietojumu vārdus: Ja kas tiem ko pieliktu, tam Dievs uzliks tās mocības, par kurām rakstīts šinī grāmatā.
18Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
19Un ja kas ko atņemtu no šīs grāmatas pravietojumu vārdiem, tam Dievs atņems viņa daļu no dzīvības koka un no svētās pilsētas, un no tā, kas rakstīts šinī grāmatā.
19ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
20Tas, kas visu šo apliecina, saka: Tiešām, es nāku drīz! Amen!
20Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]
21Nāc, Kungs Jēzu! Mūsu Kunga Jēzus Kristus žēlastība lai ir ar jums visiem! Amen.
21Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena. [ Na: (Jesosy Kristy)]