1Pēc tam es redzēju: un, lūk, atvērtas durvis debesīs, un pirmā balss, kuru es dzirdēju kā bazūni ar mani runājam, sacīja: Uzkāp šeit, un es tev rādīšu, kam pēc šā jānotiek!
1[Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2Un tūliņ es biju garā; un, lūk, tronis bija celts debesīs, un tronī kāds sēdēja.
2Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
3Un Tas, kas sēdēja, izskatā bija līdzīgs dārgakmeņiem, jaspīdam un sardijam, un ap troni bija varavīksne, līdzīga smaragda mirdzumam.
3Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4Un ap troni divdesmit četri sēdekļi, un sēdekļos sēdēja divdesmit četri sentēvi, ietērpti baltās drānās un viņu galvās zelta kroņi.
4Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [ Gr. presbytera]
5Un no troņa šāvās zibeņi un balsis, un pērkoni; troņa priekšā dega septiņas lāpas, kas ir septiņi Dieva gari.
5Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
6Un troņa priekšā it kā kristālam līdzīga stikla jūra. Troņa vidū un tronim apkārt četri dzīvnieki, pilni acīm no priekšpuses un mugurpuses.
6Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7Un pirmais dzīvnieks bija līdzīgs lauvam, otrs līdzīgs vērsim, trešajam dzīvniekam it kā bija cilvēka seja, un ceturtais dzīvnieks bija līdzīgs lidojošam ērglim.
7Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8Un četri dzīvnieki, kam bija katram seši spārni un visapkārt un iekšpusē pilni acīm, nemitīgi dienu un nakti sauca: Svēts, svēts, svēts visvarenais Kungs Dievs, kas bija, kas ir un kas nāks!
8Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9Un kad šie dzīvnieki deva slavu un godu, un pateicību Sēdētājam tronī un Tam, kas dzīvo mūžīgi mūžos,
9Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
10Tad divdesmit četri sentēvi metās zemē Tā priekšā, kas sēž tronī, un pielūdza To, kas dzīvo mūžīgi mūžos, un nolika troņa priekšā savus kroņus, sacīdami:
10dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
11Kungs, mūsu Dievs, Tu esi cienīgs saņemt slavu un godu, un varu, jo Tu visu radīji un ar Tavu gribu viss bija un tika radīts.
11Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.