Latvian: New Testament

Malagasy

Revelation

8

1Kad atdarīja septīto zīmogu, kādu pusstundu debesīs iestājās klusums.
1[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
2Un es redzēju septiņus eņģeļus, kas stāvēja Dieva priekšā, un viņiem deva septiņas bazūnes.
2Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3Tad nāca kāds cits eņģelis un nostājās altāra priekšā, turēdams zelta kvēpināmo trauku; viņam deva nedaudz kvēpināmā, lai noliktu ar visu svēto lūgšanām uz zelta altāra, kas ir Dieva troņa priekšā.
3Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [ Na: amin']
4Un no eņģeļa rokas pacēlās kvēpināmā dūmi no svēto lūgšanām Dieva priekšā.
4Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
5Tad eņģelis ņēma kvēpināmo trauku, pildīja to ar altāra uguni un meta to uz zemi. Un cēlās pērkons un balsis, zibeņi, un liela zemestrīce.
5Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
6Un septiņi eņģeļi, kam bija septiņas bazūnes, gatavojās bazūnēt.
6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7Kad bazūnēja pirmais eņģelis, tad krusu un uguni, sajauktu ar asinīm, meta uz zemi. Un sadega trešā zemes daļa, un izdega visa zaļā zāle.
7Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
8Un otrs eņģelis bazūnēja: un tā kā liels kalns, degot ugunī, tika mests jūrā, un trešā jūras daļa pārvērtās asinīs,
8Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina;
9Un trešā daļa to radījumu, kas dzīvoja jūrā, nomira, un trešā kuģu daļa gāja bojā.
9ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
10Un trešais eņģelis bazūnēja: un no debesīm krita liela zvaigzne, degdama kā lāpa; tā nokrita uz trešās upju un ūdens avotu daļas.
10Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
11Un tā zvaigzne saucās vērmele: un trešā daļa ūdens pārvērtās vērmelēs; un daudz ļaužu nomira no ūdens, jo tas bija rūgts.
11ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
12Un ceturtais eņģelis bazūnēja: un trešā saules daļa, un trešā mēness daļa, un trešā zvaigžņu daļa tika satriekta, tā ka to trešā daļa palika tumša, un trešā dienas daļa nebija gaiša un nakts tāpat.
12Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
13Tad es redzēju un dzirdēju viena debess vidū lidojoša ērgļa balsi, kas skaļā balsī sauca: Bēdas, bēdas zemes apdzīvotājiem triju citu eņģeļu skaņu dēļ, kas vēl bazūnēs.
13Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!