Latvian: New Testament

Malagasy

Romans

1

1Pāvils, Jēzus Kristus kalps, aicināts apustulis, izredzēts Dieva evaņģēlijam,
1[Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2Ko Viņš jau iepriekš apsolīja svētajos Rakstos caur praviešiem
2izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina, [ teo amin'izay soratra masina]
3Par savu Dēlu, kas pēc miesas Viņam cēlies no Dāvida cilts,
3ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
4Kas svētdarītājā Garā ar savu augšāmcelšanos no miroņiem spēkā parādījās Dieva Dēls, mūsu Kungs Jēzus Kristus.
4ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [ Na: notendrena] [ Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery]
5Caur Viņu mēs saņēmām žēlastību un apustuļa sūtību pakļaut visas tautas ticībai Viņa vārda dēļ.
5Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
6Tanī arī jūs esat Jēzus Kristus aicināti.
6ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7Visiem Dieva mīļotājiem, aicinātajiem svētajiem Romā: žēlastība jums un miers no Dieva, mūsu Tēva, un no Kunga Jēzus Kristus!
7ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
8Vispirms es pateicos Dievam caur Jēzu Kristu par jums visiem, jo jūsu ticība tiek daudzināta visā pasaulē.
8Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9Jo Dievs, kuram es savā garā Viņa Dēla evaņģēlijā kalpoju, ir mans liecinieks, ka es jūs bez mitēšanās pieminu.
9Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10Savās lūgšanās, pastāvīgi lūgdams, lai man saskaņā ar Dieva prātu kādreiz kaut kā pašķirtos ceļš aiziet pie jums.
10dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
11Jo es ilgojos jūs redzēt, lai sniegtu jums kādu garīgu žēlastības dāvanu jūsu stiprināšanai,
11Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12Tas ir, reizē ar jums gūtu iepriecinājumu savstarpējā ticībā, jūsējā un manējā.
12izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13Bet es, brāļi, negribu atstāt jūs neziņā par to, ka es vairākkārt biju apņēmies jūs apmeklēt, lai iegūtu kādu augli arī starp jums tāpat kā starp pārējām tautām, (bet līdz šim tiku aizkavēts).
13Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14Grieķiem un barbariem, mācītiem un nemācītiem es esmu parādnieks.
14Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15Tāpēc (kas attiecas uz mani) es esmu gatavs sludināt evaņģēliju arī jums, kas esat Romā.
15koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16Es nekaunos evaņģēlija, jo tas ir Dieva spēks katra ticīgā pestīšanai, vispirms jūda, tad grieķa.
16Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. [ Gr. Grika]
17Jo tanī atklājas Dieva taisnība no ticības uz ticību, kā rakstīts: Taisnīgais dzīvo no ticības. (Hab.2,4)
17Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4). [Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
18Jo Dieva dusmas parādās no debesīm pār katru to cilvēku bezdievību un netaisnību, kas Dieva patiesību nomāc netaisnībā,
18[Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19Jo kas par Dievu zināms, tas viņiem pasludināts, jo Dievs viņiem to ir atklājis.
19satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
20Jo tas, kas Viņā neredzams, un Viņa mūžīgais spēks, un dievība no pasaules radīšanas ir ar prātu saskatāmi Viņa darbos; tāpēc viņi ir neattaisnojami.
20Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; [ Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21Jo tie, pazinuši Dievu, negodināja Viņu kā Dievu un nebija Viņam pateicīgi, bet savās domās kļuva tukši, un viņu neprātīgā sirds tika aptumšota;
21fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
22Apgalvodami, ka viņi ir gudri, tie kļuva nelgas;
22Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
23Un nemirstīgā Dieva godību tie apmainīja pret iznīcīgajiem cilvēkiem un putniem, un četrkājaiņiem, un rāpuļiem līdzīgiem tēliem.
23koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24Tāpēc Dievs viņus atstājis viņu siržu kārībām un nešķīstībai, lai tie paši apgānītu savas miesas.
24Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25Dieva patiesību tie apmainīja pret meliem un pielūdza, un kalpoja drīzāk radībai nekā Radītājam, kas lai augsti teikts mūžīgi mūžos. Amen.
25ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26Tāpēc Dievs tos atstājis kauna pilnām kārībām, jo viņu sievietes dabisko kopdzīvi apmainījušas pret pretdabisko.
26Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27Tāpat arī vīrieši, atstādami dabisko kopdzīvi ar sievietēm, iedegās kaislībās viens pret otru, piekopdami netiklību vīrietis ar vīrieti un saņemdami nopelnīto sodu par saviem maldiem paši pie sevis.
27ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28Un tāpēc, ka viņi neuzskatīja Dieva atzīšanu par vajadzīgu, Dievs tos atstāja izvirtušām tieksmēm, lai tie darītu to, kas neklājas.
28Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29Viņi ir visādām netaisnībām, ļaunprātībām, netiklībām, mantkārībām, ļaunumiem pārpildīti; viņi ir pilni skaudības, slepkavību, ķildu, viltības, nedarbu, mēlnesības;
29ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30Viņi ir neslavas cēlāji, Dieva nīdēji, ķengātāji, augstprātīgi, lielīgi, ļaunumu izgudrotāji, nepaklausīgi vecākiem,
30mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [ Na: mpankahala an'Andriamanitra]
31Neprātīgi, nesaticīgi, cietsirdīgi, neuzticīgi, nežēlīgi.
31tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
32Lai gan viņi Dieva taisnību pazina, tie nenojauta, ka tie, kas tā dara, ir pelnījuši nāvi; un ne tikai tie, kas tā dara, bet arī tie, kas darītājiem piekrīt.
32dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.