1Tātad es jautāju: Vai Dievs savu tautu ir atmetis? - Nekādā ziņā; jo arī es esmu izraēlietis, Ābrahama pēcnācējs, no Benjamīna cilts.
1Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
2Dievs nav atmetis savu tautu, kuru Viņš iepriekš bija izredzējis. Vai jūs nezināt, ko Raksti saka par Eliju, kā viņš žēlojās Dievam par Izraēli?
2Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3Kungs, tie nogalināja Tavus praviešus, viņi nopostīja Tavus altārus, un es esmu viens atlicis, un viņi tiecas pēc manas dzīvības.
3Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4Bet ko saka viņam Dieva atbilde? - Es atstāju sev septiņus tūkstošus vīru, kas savus ceļus nav locījuši Baala priekšā.
4Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5Tā arī šinī laikā izglābts ir atlikums saskaņā ar žēlastības izvēli.
5Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
6Bet ja no žēlastības, tad jau ne darbu dēļ, citādi žēlastība nebūtu žēlastība.
6Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7Kā tad ir? - Pēc kā tiecās Izraēlis, to viņš nav sasniedzis, tikai izredzētie to sasniedza, bet pārējie palika apstulbināti,
7Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
8Kā rakstīts: Dievs deva viņiem truluma garu: acis, lai neredzētu, un ausis, lai nedzirdētu līdz pat šai dienai.
8araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9Un Dāvids saka: Viņu galds lai tiem kļūst par slazdu un cilpu, un apgrēcību, un atmaksu.
9Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10Viņu acis lai tiek aptumšotas, ka tie neredzētu, un viņu muguras liec vienmēr!
10Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
11Tātad es jautāju: Vai viņi tā klupuši, lai kristu? Nekādā ziņā; bet viņu grēka dēļ pestīšana nākusi pagāniem, lai viņi ar tiem sacenstos.
11Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
12Bet ja viņu grēks ir pasaulei bagātība, un viņu mazais skaits pagāniem ieguvums, tad jo vairāk viņu pilnskaits.
12Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13Un jums, pagāniem, es saku: Kamēr es esmu pagānu apustulis, es savu kalpošanu pagodināšu,
13Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14Kaut kādā veidā pamudinādams savus ciltsbrāļus uz sacensību un dažus no viņiem izglābdams.
14raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy. [ Gr. ny nofoko]
15Ja jau viņu atmešana ir izlīdzināšana pasaulei, kas tad būs pieņemšana, ja ne atdzīvināšana no mirušiem?
15Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin'ny maty ny fandraisana azy? [ Gr. fiainana]
16Ja pirmupuris ir svēts, tad arī visa mīkla, un ja sakne ir svēta, tad arī zari.
16Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
17Bet ja daži zari nolauzti un tu, meža olīvkoka atvase, esi uzpotēta to vietā un esi kļuvusi olīvkoka saknes un sulas līdzdalībniece,
17Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva [ Na: (fakany sy ny menaky)]
18Tad nelielies zaru priekšā! Bet ja lielies, tad zini, ka ne tu nes sakni, bet sakne tevi!
18dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19Tu varbūt sacīsi: Zari tika nolauzti, lai mani uzpotētu.
19Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20Labi! Tie nolauzti neticības dēļ, bet tu stāvi, pateicoties ticībai; neesi augstprātīgs, bet bijīgs!
20Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21Jo ja Dievs nav saudzējis dabiskos zarus, tad taču arī tevi nesaudzēs.
21fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22Tāpēc vēro Dieva labumu un bardzību: bardzību pret tiem, kas krituši, bet pret sevi Dieva labumu, ja tu labajā pastāvēsi, citādi arī tevi nocirtīs.
22Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23Bet arī tie tiks uzpotēti, ja viņi nepaliks savā neticībā, jo Dievs ir spējīgs viņus atkal uzpotēt.
23Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
24Jo ja tu esi nocirsts no meža olīvkoka, kam pēc dabas piederi, un pret dabu uzpotēts labajam olīvkokam, tad jo vairāk tie, kas attiecīgi savai dabai tiek uzpotēti savam olīvkokam.
24Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
25Bet es jūs, brāļi, negribu atstāt neziņā par šo noslēpumu (lai jūs nekļūtu iedomīgi), ka viena Izraēļa daļa skarta ar aklumu, līdz kamēr tautu visums būs iegājis.
25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26Un tā viss Izraēlis tiktu glābts, kā rakstīts: No Siona nāks Glābējs un novērsīs bezdievību no Jēkaba.
26ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27Un šī ir mana derība ar viņiem, ka es piedošu viņu grēkus. (Is.59,20)
27Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28Attiecībā uz evaņģēliju viņi ir ienaidnieki jūsu dēļ, bet kas attiecas uz izredzēšanu, viņi ir vismīļie sentēvu dēļ.
28Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29Jo žēlastības dāvanas un aicinājumu Dievs nenožēlo.
29Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30Jo kā arī jūs kādreiz neticējāt Dievam, bet tagad esat ieguvuši žēlsirdību viņu neticības dēļ,
30Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
31Tā arī viņi neticēja jūsu apžēlošanai, lai paši iegūtu apžēlošanu.
31dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32Jo Dievs visu ieslēdzis neticībā, lai visus apžēlotu.
32Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33Ak, kāds ir Dieva gudrības un zināšanas bagātību dziļums! Cik neizprotami ir Viņa lēmumi un neizdibināmi Viņa ceļi!
33Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [ Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra]
34Jo kas gan ir izpratis Dieva prātu, vai kas bijis Viņa padomdevējs?
34Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35Vai kas Viņam iepriekš ko devis, lai saņemtu atlīdzinājumu?
35Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
36Jo no Viņa un caur Viņu, un Viņā ir viss. Viņam lai gods mūžīgi! Amen.
36Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.