1Pāvils, Dieva kalps un Jēzus Kristus apustulis, Dieva izredzēto ticībai un patiesības atzīšanai, kas saskan ar dievbijību,
1[Fiarahabana] Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
2Un cerībai uz mūžīgo dzīvošanu, ko pirms mūžīgiem laikiem apsolījis Dievs, kas nemelo;
2amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
3Viņš savā laikā atklāja savu vārdu sludināšanā, kas uzticēta man saskaņā ar mūsu Dieva Pestītāja pavēli,
3fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4Titam, mīļajam dēlam ticības kopībā, žēlastība un miers no Dieva Tēva un mūsu Pestītāja Jēzus Kristus!
4ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5Es tevi atstāju Krētā tāpēc, lai tu nokārtotu to, kas vēl trūkst, un ieceltu pilsētas prezbiterus tā, kā es tev pavēlēju.
5[Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [ Gr. presbytera]
6Ikvienam no tiem jābūt bez vainas, vienas sievas vīram, kam bērni ticīgi, nav palaidņi vai nepaklausīgi,
6raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
7Jo bīskapam kā Dieva namturim jābūt nevainojamam: ne lepnam, ne dusmīgam, ne dzērājam, ne kauslim, ne mantkārīgam,
7Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8Bet viesmīlīgam, labvēlīgam, prātīgam, taisnīgam, svētam, atturīgam.
8fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
9Viņam jāturas pie uzticamās mācības vārda, lai spētu pamācīt veselīgajā mācībā un atspēkot tos, kas runā pretim.
9mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra. [ Gr. salama]
10Jo daudzi ir nepaklausīgi, pļāpas un maldinātāji, visvairāk no apgraizītajiem.
10Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
11Viņi veselas ģimenes ieved apjukumā, negodīgas peļņas dēļ mācīdami, ko nevajag. Tie jāatspēko.
11tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12Viens no viņiem, viņu pašu pravietis, sacīja: Krētieši vienmēr ir meļi, ļauni zvēri, slinki vēderi.
12Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
13Šī liecība ir pareiza. Tāpēc tu viņus stingri pārmāci, lai viņi kļūtu veseli ticībā,
13Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, [ Gr. salama]
14Lai neklausās jūdu pasakās un to cilvēku pavēlēs, kas tos novirza no patiesības!
14tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
15Tīrajiem viss ir tīrs, bet aptraipītajiem un neticīgajiem nekas nav tīrs, jo aptraipīts ir viņu prāts un sirdsapziņa. (Rom 14,20)
15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
16Tie apgalvo, ka pazīstot Dievu, bet darbos to noliedz. Tie ir riebīgi un neticīgi, neder nevienam labam darbam.
16Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.