Latvian: New Testament

Malagasy

Titus

3

1Atgādini viņiem, lai tie būtu padevīgi valdniekiem un varām, lai izpilda pavēles un būtu gatavi katram labam darbam.
1Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
2Lai nevienu nepulgotu, nebūtu strīdīgi, bet gan piekāpīgi un visiem ļaudīm parādītu laipnību.
2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
3Jo arī mēs kādreiz bijām neapdomīgi, neticīgi, maldījāmies, kalpojām dažādām kārībām un priekiem, dzīvojām ļaunprātībā un skaudībā, paši nīstami, cits citu nīdām.
3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
4Bet kad parādījās Dieva, mūsu Pestītāja, labsirdība un cilvēkmīlestība,
4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5Tad Viņš mūs izglāba ne mūsu taisnīgo darbu dēļ, kurus padarījām, bet savas žēlsirdības dēļ, caur atdzimšanu ūdenī un atjaunošanos Svētajā Garā,
5dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6Ko Viņš bagātīgi izlēja pār mums caur mūsu Pestītāju Jēzu Kristu,
6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7Lai, attaisnoti Viņa žēlastībā, mēs kļūtu cerētās mūžīgās dzīves mantinieki.
7mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
8Šis ir patiess vārds; un es gribu, ka tu to apstiprinātu, lai tie, kas uz Dievu tic, censtos darīt labus darbus. Tas cilvēkiem ir labi un derīgi.
8Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
9Bet izvairies no neprātīgajiem strīdiem un cilts jautājumiem, un ķildām, un bauslības kariem, jo tie ir nederīgi un tukši.
9Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10Vienreiz un otrreiz pamācījis, izvairies arī no cilvēka, kas piekrīt maldu mācībām,
10Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [ Na: olona mitokana ho azy]
11Jo tu zini, ka tāds ir atkritējs un grēko. Tas pazudina pats sevi.
11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12Kad aizsūtīšu pie tevis Artemu vai Tihiku, tad steidzies atnākt pie manis Nikopolē, jo tur nolēmu pārziemot.
12Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13Likuma pratēju Zēnasu un Apollu izsūti iepriekš un rūpējies, lai viņiem nekā netrūktu!
13Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
14Lai nepaliktu bezauglīgi, arī mūsu ļaudīm jāmācās palīdzēt ar labiem darbiem tur, kur tas nepieciešams.
14Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
15Tevi sveicina visi, kas pie manis. Sveicini tos, kas ticībā mūs mīl! Dieva žēlastība lai ir ar jums visiem! Amen.
15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.