Lithuanian

Malagasy

1 Chronicles

13

1Dovydas, pasitaręs su tūkstantininkais, šimtininkais ir visais vadais,
1[Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2visiems susirinkusiems tarė: “Jei jūs sutinkate ir jei tai Viešpaties, mūsų Dievo, valia, siųskime pasiuntinius pas savo brolius izraelitus ir tarp jų gyvenančius kunigus bei levitus į miestus ir į jų ganyklas, kad susirinktų pas mus,
2Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3ir parsigabenkime Dievo skrynią, nes Sauliaus dienomis mes nesikreipėme į Jį”.
3Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.
4Visi susirinkusieji jam pritarė, nes visai tautai patiko tas pasiūlymas.
4Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.
5Dovydas sušaukė visą Izraelį nuo Egipto Sichoro iki Hemato pargabenti Dievo skrynią iš Kirjat Jearimo.
5Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6Dovydas ir visas Izraelis nuvyko į Baalą­Kirjat Jearimą, kuris priklausė Judui, atgabenti Dievo skrynią, kuri vadinama Viešpaties, gyvenančio tarp cherubų, vardu.
6Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7Paėmę Dievo skrynią iš Abinadabo namų, vežė ją naujame vežime, Uza ir Achjojas varė vežimą.
7Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8Dovydas bei visi izraelitai džiūgavo ir garbino Dievą giesmėmis, psalterių, cimbolų, arfų, būgnų ir trimitų garsais.
8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9Jiems pasiekus Kidono klojimą, Uza ištiesė ranką, norėdamas prilaikyti skrynią, nes jaučiai suklupo.
9Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.
10Tuomet Viešpaties rūstybė užsidegė prieš Uzą ir Dievas ištiko jį, nes jis palietė skrynią. Jis mirė ten pat Dievo akivaizdoje.
10Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.
11Dovydas liūdėjo, kad Viešpats ištiko Uzą; ta vieta iki šios dienos vadinama Perec-Uza.
11Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
12Dovydas išsigando tą dieną Dievo, sakydamas: “Kaip aš galiu pargabenti Dievo skrynią pas save?”
12Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?
13Dovydas nevežė skrynios į Dovydo miestą; ji buvo nuvežta į gatiečio Obed Edomo namus.
13Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
14Dievo skrynia pasiliko Obed Edomo namuose tris mėnesius. Viešpats laimino Obed Edomo namus ir visa, ką jis turėjo.
14Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.