Lithuanian

Malagasy

1 Chronicles

21

1Šėtonas pakilo prieš Izraelį ir sukurstė karalių Dovydą suskaičiuoti tautą.
1[Ny nanisana ny vahoaka, sy ny aretina nanjo ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i Davida] Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.
2Dovydas įsakė Joabui ir kitiems kariuomenės vadams: “Eikite, suskaičiuokite izraelitus nuo Beer Šebos iki Dano ir praneškite man, kad žinočiau jų skaičių”.
2Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3Joabas atsakė: “Tegul Viešpats prideda prie savo žmonių šimtą kartų tiek, kiek jų yra! Argi jie visi, mano valdove karaliau, nėra tavo tarnai? Kodėl, mano valdove, reikalauji to? Kodėl nori užtraukti nusikaltimą ant Izraelio?”
3Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4Tačiau Joabas turėjo paklusti karaliaus žodžiui. Todėl Joabas išėjo ir, perėjęs visą Izraelį, sugrįžo į Jeruzalę.
4Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5Jis įteikė Dovydui tautos skaičiavimo rezultatus. Izraelyje buvo milijonas ir šimtas tūkstančių vyrų, tinkamų karui, o Jude­keturi šimtai septyniasdešimt tūkstančių.
5Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
6Tačiau Levio ir Benjamino giminių jis neskaičiavo, nes Joabui karaliaus žodis buvo pasibjaurėjimas.
6Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.
7Dievui tai nepatiko, ir Jis baudė Izraelį.
7Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8Dovydas tarė Dievui: “Labai nusidėjau taip darydamas. Maldauju, atleisk savo tarnui kaltę, nes labai kvailai pasielgiau”.
8Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
9Viešpats kalbėjo Gadui, Dovydo regėtojui:
9Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i Davida:
10“Eik ir sakyk Dovydui, ką Viešpats sako: ‘Tris dalykus tau siūlau, pasirink vieną iš jų, kurį įvykdysiu’ ”.
10Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11Gadas, atėjęs pas Dovydą, jam tarė: “Pasirink, ką nori:
11Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:
12trejus bado metus, bėgti nuo savo priešų tris mėnesius, kai tavo priešų kardas persekioja tave, arba Viešpaties kardą­marą, kuris siaustų krašte tris dienas, Viešpaties angelui naikinant izraelitus. Nuspręsk, ką turiu atsakyti mane siuntusiam”.
12Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.
13Dovydas atsakė Gadui: “Patekau į didelę bėdą. Bet geriau pakliūti į Viešpaties rankas, nes Jo gailestingumas begalinis, negu į žmogaus rankas”.
13Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
14Viešpats siuntė marą Izraeliui, ir mirė Izraelyje septyniasdešimt tūkstančių vyrų.
14Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
15Dievas siuntė angelą sunaikinti Jeruzalę. Angelui pradėjus naikinti, Viešpats gailėjosi dėl tos nelaimės ir tarė angelui naikintojui: “Užteks! Nuleisk savo ranką!” Viešpaties angelas tuo metu buvo prie jebusiečio Ornano klojimo.
15Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.
16Dovydas, pakėlęs savo akis, pamatė Viešpaties angelą, stovintį tarp dangaus ir žemės su nuogu kardu, iškeltu virš Jeruzalės. Tada Dovydas ir Izraelio vyresnieji, apsirengę ašutinėmis, puolė veidais į žemę.
16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.[Heb. lamba malailay]
17Dovydas tarė: “Viešpatie, aš įsakiau suskaičiuoti tautą! Aš nusikaltau ir piktai pasielgiau, o šios avys, ką jos padarė? Tebūna Tavo ranka ant manęs ir mano tėvo namų, Viešpatie, mano Dieve, o ne ant Tavo tautos, kad juos pražudytų!”
17Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.
18Tada Viešpaties angelas liepė Gadui, kad jis sakytų Dovydui eiti ir pastatyti Viešpačiui aukurą jebusiečio Ornano klojime.
18Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19Dovydas nuėjo pagal Gado žodį, kurį jis kalbėjo Viešpaties vardu.
19Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.
20Ornanas atsisuko ir pamatė angelą. Jo keturi sūnūs kartu su juo pasislėpė. Tuo metu Ornanas kūlė kviečius.
20Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.
21Dovydas atėjo pas Ornaną. Jis, pamatęs ateinantį Dovydą, išėjo iš klojimo ir nusilenkė prieš jį veidu iki žemės.
21Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.
22Dovydas sakė Ornanui: “Parduok man klojimą, kad pastatyčiau aukurą Viešpačiui. Parduok man jį už deramą kainą, kad nelaimė liautųsi tautoje”.
22Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23Ornanas atsakė Dovydui: “Mano valdove karaliau, imk ir daryk, kaip tau atrodo tinkama. Jaučius deginamosioms aukoms, kūlimo įrankius malkoms ir kviečius valgomajai aukai­visa tau duodu”.
23Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24Karalius Dovydas atsakė Ornanui: “Ne, aš noriu pirkti už deramą kainą. Aš negaliu imti Viešpačiui, kas tau priklauso, ir aukoti deginamąją auką, kuri man nieko nekainuoja”.
24Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.
25Dovydas sumokėjo už tą vietą šešis šimtus šekelių aukso.
25Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.
26Po to Dovydas pastatė aukurą Viešpačiui, aukojo deginamąsias bei padėkos aukas ir šaukėsi Viešpaties. Jis atsakė, pasiųsdamas iš dangaus ugnį ant deginamosios aukos aukuro.
26Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27Tada Viešpats įsakė angelui, ir jis paslėpė savo kardą.
27Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.
28Kai Dovydas pamatė, kad Viešpats jį išklausė jebusiečio Ornano klojime, jis ten aukojo.
28Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29Viešpaties palapinė, kurią Mozė padirbdino dykumoje, ir deginamųjų aukų aukuras tuo metu buvo Gibeono aukštumoje.
29Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.
30Dovydas, bijodamas Viešpaties angelo kardo, negalėjo ten pasiklausti Dievo.
30nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.