Lithuanian

Malagasy

1 Chronicles

23

1Kai Dovydas paseno ir sulaukė daug metų, jis savo vieton paskyrė savo sūnų Saliamoną Izraelio karaliumi.
1[Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]
2Dovydas sukvietė visus Izraelio kunigaikščius ir levitus.
2Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.
3Buvo suskaičiuoti levitai, sulaukę trisdešimties metų ir vyresni. Jų skaičius buvo trisdešimt aštuoni tūkstančiai vyrų.
3Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.
4Iš jų tarnystei Viešpaties namuose buvo paskirta dvidešimt keturi tūkstančiai, šeši tūkstančiai­vyresniaisiais ir teisėjais,
4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5keturi tūkstančiai­vartininkais, o keturi tūkstančiai šlovino Viešpatį instrumentais, kuriuos padirbdino Dovydas.
5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.
6Dovydas suskirstė juos pagal tris Levio sūnus: Geršoną, Kehatą ir Merarį.
6Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
7Geršonai buvo Ladanas ir Šimis.
7Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
8Ladano sūnūs: pirmasis­Jehielis, kiti­Zetamas ir Joelis.
8Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
9Šimio sūnūs: Šelomitas, Hazielis ir Haranas, iš viso trys. Šitie buvo Ladano šeimų vyresnieji.
9Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
10Šimio sūnūs: Jahatas, Ziza, Jeušas ir Berija, iš viso keturi.
10Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.
11Jahatas buvo pirmutinis, o Ziza­antrasis. Jeušas ir Berija neturėjo daug sūnų; jie buvo laikomi viena šeima.
11Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12Kehato sūnūs: Amramas, Iccharas, Hebronas ir Uzielis, iš viso keturi.
12Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13Amramo sūnūs: Aaronas ir Mozė. Aaronas ir jo sūnūs buvo paskirti tarnauti Švenčiausioje, smilkyti Viešpaties akivaizdoje, Jam tarnauti ir laiminti Jo vardu.
13Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
14Dievo vyro Mozės sūnūs buvo priskirti prie Levio giminės.
14Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
15Mozės sūnūs­Geršomas ir Eliezeras.
15Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16Geršomo sūnus buvo Šebuelis.
16Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17Eliezero sūnus buvo Rehabija; Eliezeras neturėjo kitų vaikų, o Rehabijos sūnų buvo nepaprastai daug.
17Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
18Iccharo sūnus Šelomitas buvo vyriausias.
18Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19Hebrono sūnūs: pirmasis­Jerijas, antrasis­Amarija, trečiasis­ Jahazielis ir ketvirtasis­Jekamamas.
19Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20Uzielio sūnūs: pirmasis­Michėjas ir antrasis­Išija.
20Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
21Merario sūnūs­Machlis ir Mušis. Machlio sūnūs­Eleazaras ir Kišas.
21Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22Eleazaras mirė, neturėdamas sūnų, tik dukteris, kurias vedė Kišo sūnūs, jų pusbroliai.
22Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.
23Mušio sūnūs: Machlis, Ederas ir Jerimotas, trys.
23Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
24Šitie buvo Levio palikuonys, vyresnieji savo tėvų namuose, surašyti pavieniui vardais; dvidešimties metų amžiaus ir vyresni, kurie atliko tarnystę Viešpaties namuose.
24Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
25Dovydas sakė: “Viešpats, Izraelio Dievas, suteikė ramybę savo tautai, kad jie gyventų Jeruzalėje per amžius.
25Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26Levitams nebereikės nešioti palapinės ir indų, reikalingų tarnavimui šventykloje”.
26Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27Pagal paskutinius Dovydo žodžius levitai, dvidešimties metų amžiaus ir vyresni, buvo suskaičiuoti.
27Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
28Jų tarnavimas buvo padėti aaronitams Viešpaties namų tarnyboje, tvarkyti kiemus ir kambarius, valyti bei prižiūrėti šventyklos reikmenis ir atlikti visus darbus prie Dievo namų;
28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,
29parūpinti padėtinę duoną, miltus valgomajai aukai, neraugintus papločius, keptas ir maišytas su aliejumi aukas, svarsčius bei saikus;
29ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30kas rytą ir vakarą dėkoti ir šlovinti Viešpatį,
30ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
31aukojant deginamąsias aukas per sabatą, jauną mėnulį ir kitomis šventėmis, kaip buvo nustatyta.
31ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
32Jie turėjo saugoti Susitikimo palapinę, šventyklą ir savo brolius Aarono sūnus, tarnaudami Viešpaties namuose.
32Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.