Lithuanian

Malagasy

1 Kings

22

1Trejus metus nebuvo karo tarp Sirijos ir Izraelio.
1[Ny nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2Trečiaisiais metais Judo karalius Juozapatas atvyko pas Izraelio karalių.
2Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
3Izraelio karalius kalbėjo savo tarnams: “Ar žinote, kad Ramot Gileadas mums priklauso, o mes delsiame jį atsiimti iš Sirijos karaliaus?”
3Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
4Ahabas klausė Juozapato: “Ar eisi su manimi kariauti į Ramot Gileadą?” Juozapatas atsakė Izraelio karaliui: “Kaip tu, taip ir aš, mano tauta­kaip tavoji ir mano žirgai­kaip tavo”.
4Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5Juozapatas sakė Izraelio karaliui: “Pasiklausk, ką Viešpats sako”.
5Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
6Izraelio karalius sušaukė apie keturis šimtus pranašų ir jų klausė: “Ar man eiti kariauti prieš Ramot Gileadą, ar ne?” Jie atsakė: “Eik! Viešpats jį atiduos į karaliaus rankas”.
6Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
7Juozapatas klausė: “Ar čia nėra Viešpaties pranašo, kad jo galėtume pasiklausti?”
7Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8Izraelio karalius atsakė Juozapatui: “Yra vienas­Imlos sūnus Michėjas, per kurį būtų galima paklausti Viešpaties, bet aš jo nekenčiu, nes jis niekad nepranašauja apie mane gerai, tik blogai”. Juozapatas atsakė: “Nekalbėk taip, karaliau”.
8Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
9Izraelio karalius pasišaukė vieną rūmų valdininką ir įsakė: “Skubiai atvesk Imlos sūnų Michėją!”
9Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
10Izraelio karalius Ahabas ir Judo karalius Juozapatas sėdėjo savo sostuose apsivilkę karališkais drabužiais aikštėje prie Samarijos vartų, ir visi pranašai pranašavo priešais juos.
10Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
11Kenaanos sūnus Sedekijas pasidarė geležinius ragus ir sakė: “Taip sako Viešpats: ‘Jais badysi sirus, kol juos pribaigsi’ ”.
11Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
12Ir visi pranašai taip pranašavo: “Eik į Ramot Gileadą ir laimėk! Viešpats jį atiduos į karaliaus rankas”.
12Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
13Pasiuntinys, nuėjęs pakviesti Michėjo, jam sakė: “Štai pranašų žodžiai vienbalsiai skelbia gerą žinią karaliui. Tebūna ir tavo žodis panašus į jų, kalbėk tai, kas gera”.
13Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
14Michėjas atsakė: “Kaip Viešpats gyvas, ką Viešpats man sakys, tą kalbėsiu”.
14Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako.
15Jam atėjus, karalius klausė: “Michėjau, ar mums eiti kariauti prieš Ramot Gileadą?” Tas jam atsakė: “Eik ir laimėk! Viešpats jį atiduos į karaliaus rankas”.
15Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
16Karalius jam tarė: “Kiek kartų reikės tave saikdinti, kad man nieko kito nekalbėtum, tik tiesą Viešpaties vardu?”
16Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
17Tada Michėjas atsakė: “Mačiau visą Izraelį išsklaidytą kalnuose kaip avis be piemens. O Viešpats tarė: ‘Šitie neturi valdovo, tegul kiekvienas grįžta ramybėje į savo namus’ ”.
17Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
18Izraelio karalius sakė Juozapatui: “Ar tau nesakiau, kad jis nepranašauja apie mane gera, tik bloga?”
18Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19Michėjas tęsė: “Klausyk Viešpaties žodžio. Mačiau Viešpatį, sėdintį savo soste, ir visą dangaus kareiviją, stovinčią Jo dešinėje ir kairėje.
19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
20Viešpats klausė: ‘Kas įtikins Ahabą, kad jis eitų ir žūtų Ramot Gileade?’ Vieni sakė taip, kiti­ kitaip.
20Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21Pagaliau išėjo dvasia ir atsistojusi Viešpaties akivaizdoje tarė: ‘Aš jį įtikinsiu’.
21Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
22Viešpats ją klausė: ‘Kaip?’ Ji atsakė: ‘Aš eisiu ir būsiu melo dvasia visų karaliaus Ahabo pranašų lūpose’. Viešpats tarė: ‘Tau pavyks įtikinti. Eik ir daryk tai’.
22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
23Taigi Viešpats įdėjo melo dvasią į visų tavo pranašų lūpas, nes Viešpats kalbėjo prieš tave pikta”.
23Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
24Tada Keenanos sūnus Sedekijas, priėjęs prie Michėjo, trenkė jam į veidą ir tarė: “Kuriuo keliu Viešpaties Dvasia pasitraukė nuo manęs, kad kalbėtų tau?”
24Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
25Michėjas atsakė: “Tu pamatysi tai tą dieną, kai bėgsi slėptis į vidinį kambarį”.
25Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.[Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
26Izraelio karalius įsakė sulaikyti Michėją, nuvesti jį pas miesto valdytoją Amoną ir pas karaliaus sūnų Jehoašą,
26Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27sakydamas: “Laikykite jį kalėjime ir maitinkite sielvarto duona bei vandeniu, kol ramybėje sugrįšiu”.
27ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
28Michėjas atsakė: “Jei tu sugrįši ramybėje, tai Viešpats nekalbėjo per mane”. Ir jis sakė: “Klausykite, visi žmonės!”
28Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
29Izraelio ir Judo karaliai išėjo į Ramot Gileadą.
29Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
30Izraelio karalius kalbėjo Juozapatui: “Aš persirengsiu ir eisiu į mūšį, o tu apsirenk savo drabužiais”. Izraelio karalius persirengė ir išėjo į mūšį.
30Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
31Sirijos karalius buvo įsakęs savo trisdešimt dviem kovos vežimų viršininkams nepulti nieko, tik Izraelio karalių.
31Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
32Kovos vežimų viršininkai, pamatę Juozapatą, palaikė jį Izraelio karaliumi ir puolė. Juozapatas šaukėsi pagalbos.
32Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
33Kovos vežimų viršininkai, supratę, kad jis ne Izraelio karalius, liovėsi jį puolę.
33Ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
34Vienas vyras netaikydamas įtempė lanką ir iššovė. Strėlė pataikė Izraelio karaliui tarp šarvų. Tada jis tarė savo vežikui: “Išvežk mane iš kovos lauko, nes esu sužeistas”.
34Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.
35Tą dieną mūšis sustiprėjo, karalius stovėjo vežime prieš sirus ir vakare mirė. Kraujas tekėjo iš žaizdos į vežimą.
35Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
36Saulei leidžiantis, kariuomenei buvo pranešta: “Kiekvienas į savo kraštą ir į savo miestą”.
36Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!
37Karalius mirė ir buvo parvežtas į Samariją. Ir jie palaidojo karalių Samarijoje.
37Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
38Jiems plaunant vežimą prie Samarijos tvenkinio, šunys laižė jo kraują, o paleistuvės prausėsi tvenkinyje­viskas įvyko pagal Viešpaties žodį.
38Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
39Visi kiti Ahabo darbai, dramblio kaulo namai, kuriuos jis pastatė, miestai, kuriuos sutvirtino, yra surašyta Izraelio karalių metraščių knygoje.
39Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
40Ahabas užmigo prie savo tėvų, o jo vietoje pradėjo karaliauti jo sūnus Ahazijas.
40Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
41Asos sūnus Juozapatas pradėjo karaliauti Jude ketvirtaisiais Izraelio karaliaus Ahabo metais.
41[Ny nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42Jis, pradėdamas karaliauti, buvo trisdešimt penkerių metų amžiaus ir karaliavo dvidešimt penkerius metus Jeruzalėje. Jo motina buvo Šilhio duktė Azuba.
42Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43Jis vaikščiojo savo tėvo Asos keliais ir nenukrypo nuo jų, darydamas tai, kas teisinga Viešpaties akyse. Bet aukojimo aukštumų nepanaikino, žmonės tebeaukojo ir tebesmilkė aukštumose.
43Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
44Juozapatas padarė taiką su Izraelio karaliumi.
44kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
45Visi kiti Juozapato darbai, jo galia, kurią jis parodė, jo kovos yra surašyta Judo karalių metraščių knygoje.
45Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
46Jis išnaikino per jo tėvo Asos dienas krašte užsilikusius iškrypėlius.
46Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
47Tuomet Edome nebuvo karaliaus ir jį valdė vietininkas.
47Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
48Juozapatas pastatė laivų auksui gabenti iš Ofyro krašto. Bet jie nenuplaukė, nes laivai sudužo Ecion Geberyje.
48Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
49Ahabo sūnus Ahazijas pasiūlė Juozapatui: “Mano tarnai teplaukioja laivuose su tavo tarnais”, bet Juozapatas pasiūlymo nepriėmė.
49Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
50Juozapatas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas prie savo tėvų savo tėvo Dovydo mieste, o jo vietoje pradėjo karaliauti jo sūnus Jehoramas.
50Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
51Ahabo sūnus Ahazijas pradėjo karaliauti Izraelyje, Samarijoje, septynioliktais Judo karaliaus Juozapato metais ir karaliavo Izraelyje dvejus metus.
51Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
52Jis darė pikta Viešpaties akyse ir vaikščiojo savo tėvo, motinos ir Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę, keliais.
52Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
53Jis tarnavo Baalui, jį garbino ir sukėlė Viešpaties, Izraelio Dievo, pyktį kaip ir jo tėvas.
53Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.
54ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.