Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

10

1Samuelis išliejo indą aliejaus Sauliui ant galvos, pabučiavo jį ir tarė: “Viešpats patepė tave savo paveldėjimo vadu.
1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2Šiandien, išsiskyręs su manimi, sutiksi du vyrus prie Rachelės kapo, Benjamino pasienyje, Celcache; jie tau sakys: ‘Asilės, kurių išėjai ieškoti, jau atsirado. Tavo tėvas, pamiršęs asiles, rūpinasi, kas su jumis atsitiko’.
2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
3Eidamas toliau, prieisi Taboro ąžuolą. Ten tave sutiks trys vyrai, einantys pas Dievą į Betelį. Vienas neš tris ožiukus, antras­tris duonos kepalus, o trečias­vyno odinę.
3Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; [Na: siny hoditra]
4Jie tave pasveikins ir duos tau du duonos kepalus, kuriuos paimsi iš jų rankos.
4ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
5Po to prieisi Dievo kalvą, kur yra filistinų įgulos stovykla. Įeidamas į miestą, sutiksi būrį pranašų, ateinančių nuo aukštumos su arfomis, būgnais, vamzdeliais ir psalteriais; ir jie pranašaus.
5Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6Ant tavęs nužengs Viešpaties Dvasia, ir tu pranašausi kartu su jais ir tapsi kitu žmogumi.
6Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
7Kai visi tie ženklai įvyks su tavimi, elkis pagal aplinkybes, nes Dievas su tavimi.
7Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8Nueik pirma manęs į Gilgalą. Aš atėjęs aukosiu deginamąsias ir padėkos aukas. Lauk manęs septynias dienas, iki aš ateisiu ir nurodysiu, ką turi daryti”.
8Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9Sauliui pasisukus eiti nuo Samuelio, Dievas davė jam kitą širdį, ir visi tie ženklai įvyko tą pačią dieną.
9Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10Jam atėjus prie kalvos, jį pasitiko pranašų būrys. Ir Dievo Dvasia nužengė ant jo, ir jis pranašavo kartu su jais.
10Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11Žmonės, kurie Saulių pažino anksčiau, matydami jį su pranašais pranašaujant, kalbėjosi: “Kas atsitiko Kišo sūnui? Ar ir Saulius tarp pranašų?”
11Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
12Vienas iš ten buvusiųjų atsakė: “O kas kitų tėvas?” Todėl tai tapo priežodžiu: “Ar ir Saulius tarp pranašų?”
12Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
13Baigęs pranašauti, jis atėjo į aukštumą.
13Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
14Jo dėdė klausė: “Kur buvote?” Jis atsakė: “Asilių ieškojome. Kai jų niekur neradome, nuėjome pas Samuelį”.
14Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay.
15Sauliaus dėdė vėl klausė: “Prašau, pasakyk, ką jums Samuelis sakė?”
15Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
16Saulius atsakė: “Jis mums pasakė, kad asilės atsirado”. Bet ką Samuelis jam sakė apie karalystę, Saulius jam nepasakė.
16Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17Samuelis sušaukė tautą į Micpą pas Viešpatį.
17Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah
18Ir jis kalbėjo izraelitams: “Taip sako Viešpats, Izraelio Dievas: ‘Aš išvedžiau Izraelį iš Egipto ir išgelbėjau iš egiptiečių rankos ir iš visų karalysčių, kurios jus spaudė, rankos’.
18ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19Bet jūs šiandien atmetėte Dievą, kuris jus išgelbėjo iš visų jūsų nelaimių, sakydami: ‘Paskirk mums karalių’. Dabar ateikite į Viešpaties akivaizdą giminėmis ir šeimomis”.
19Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20Kai Samuelis pašaukė prieiti kiekvieną Izraelio giminę, buvo išrinkta Benjamino giminė.
20Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.
21Kai Samuelis pašaukė Benjamino giminę šeimomis, buvo išrinkta Matrio šeima ir iš jos buvo išrinktas Kišo sūnus Saulius. Jie ieškojo jo, bet negalėjo surasti.
21Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
22Todėl jie klausė Viešpaties: “Ar jis čia dar ateis?” Viešpats atsakė: “Jis pasislėpęs tarp mantos”.
22Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.
23Nubėgę vyrai atvedė jį. Kai jis atsistojo tarp žmonių, buvo visa galva aukštesnis už kitus.
23Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
24Tada Samuelis tarė susirinkusiems: “Ar matote tą, kurį Viešpats išsirinko? Nėra jam lygaus visoje tautoje”. Tada žmonės pradėjo šaukti: “Tegyvuoja karalius!”
24Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25Tada Samuelis išdėstė tautai karalystės nuostatus, juos surašė į knygą ir padėjo priešais Viešpatį. Po to Samuelis leido tautai grįžti į savo namus.
25Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
26Taip pat ir Saulius grįžo namo į Gibėją. Su juo nuėjo ir vyrai, kurių širdis palietė Dievas.
26Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
27Bet Belialo vaikai sakė: “Kaip šitas žmogus mus išgelbės?” Jie paniekino jį ir neatnešė jam dovanų. Bet Saulius išlaikė ramybę.
27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.