1Samuelis kalbėjo visiems izraelitams: “Aš paklausiau jūsų balso visame, ką man sakėte, ir paskyriau jums karalių.
1[Ny anatra nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
2Ir dabar karalius eina priekyje jūsų. Aš pasenau ir pražilau, ir mano sūnūs yra tarp jūsų. Aš gyvenau tarp jūsų nuo savo vaikystės iki šios dienos.
2Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
3Štai aš čia. Paliudykite prieš mane Viešpaties ir Jo pateptojo akivaizdoje. Ar aš paėmiau kieno nors jautį ar asilą? Ar ką nuskriaudžiau? Ar ką išnaudojau? Iš ko paėmiau kyšį, kad užmerkčiau savo akis? Jei taip padariau, atsilyginsiu”.
3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
4Jie atsakė: “Tu mūsų neskriaudei, mūsų neišnaudojai ir nieko iš mūsų neėmei”.
4Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza.
5Samuelis jiems tarė: “Viešpats ir Jo pateptasis yra šiandien liudytojai, kad jūs neradote nieko mano rankoje”. Jie atsakė: “Liudytojai”.
5Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
6Samuelis toliau kalbėjo tautai: “Liudytojas yra Viešpats, kuris paskyrė Mozę bei Aaroną ir išvedė jūsų tėvus iš Egipto šalies.
6Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
7Dabar sustokite ir klausykite, o aš bylinėsiuosi su jumis dėl visų Viešpaties teisių darbų, kuriuos Jis padarė jums ir jūsų tėvams.
7Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8Kai Jokūbas nuvyko į Egiptą ir jūsų tėvai šaukėsi Viešpaties, Viešpats siuntė Mozę ir Aaroną, kurie išvedė jūsų tėvus iš Egipto ir apgyvendino šitoje šalyje.
8Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity.
9Kai jie užmiršo Viešpatį, savo Dievą, Jis atidavė juos į Siseros, Hacoro kariuomenės vado, rankas, į rankas filistinų ir Moabo karaliaus ir jie kariavo prieš jus.
9Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.
10Jie šaukėsi Viešpaties, sakydami: ‘Mes nusidėjome, nes apleidome Viešpatį ir tarnavome Baalui ir Astartei. Išgelbėk mus iš mūsų priešų rankos , ir mes Tau tarnausime’.
10Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
11Viešpats siuntė Jerubaalą, Baraką, Jeftę ir Samuelį ir išgelbėjo jus iš jūsų priešų rankos, kurie supo jus, ir jūs gyvenote saugiai.
11Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)]
12Pamatę amonitų karalių Nahašą atžygiuojantį prieš jus, jūs sakėte: ‘Karalius mums tekaraliauja’, nors Viešpats, jūsų Dievas, yra jūsų karalius.
12Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13Todėl dabar štai jūsų karalius, kurio reikalavote ir išsirinkote; Viešpats davė jums karalių.
13Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
14Jei bijosite Viešpaties, Jam tarnausite, klausysite Jo balso ir nesipriešinsite Jo įsakymams, tai jūs ir jūsų karalius, kuris jus valdo, seksite Viešpatį, savo Dievą.
14Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
15Bet jei neklausysite Viešpaties balso ir priešinsitės Jo įsakymams, tai Viešpaties ranka bus prieš jus, kaip buvo prieš jūsų tėvus.
15Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16Stovėkite ir žiūrėkite į tą didelį dalyką, kurį Viešpats darys jums matant.
16Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
17Argi šiandien ne kviečių pjūtis? Aš šauksiuosi Viešpaties, ir Jis siųs perkūniją ir lietų, kad jūs suprastumėte ir pasimokytumėte, kokį didelį nusikaltimą padarėte Viešpaties akyse, prašydami sau karaliaus”.
17Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
18Samuelis šaukėsi Viešpaties, ir Viešpats tą dieną siuntė perkūniją ir lietų. Visi izraelitai labai išsigando Viešpaties ir Samuelio.
18Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.
19Ir jie sakė Samueliui: “Melsk už savo tarnus Viešpatį, savo Dievą, kad nemirtume, nes prie visų savo nusikaltimų pridėjome dar vieną, prašydami sau karaliaus!”
19Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
20Samuelis atsakė tautai: “Nebijokite. Tiesa, jūs nusikaltote, tačiau nepaliaukite sekę Viešpatį ir tarnaukite Jam visa širdimi.
20Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.
21Nenukrypkite prie tuščių dalykų, kurie negali duoti naudos nė išgelbėti, nes yra tušti.
21Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
22Viešpats neatstums jūsų dėl savo didžio vardo, nes Viešpačiui patiko išsirinkti jus savo tauta.
22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
23O dėl manęs, tai taip nebus, kad aš nusidėčiau prieš Viešpatį, paliaudamas melstis už jus. Aš jus mokysiu eiti teisingu ir geru keliu.
23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
24Tik bijokite Viešpaties ir Jam ištikimai tarnaukite visa savo širdimi. Jūs matėte, kokių didelių dalykų Jis padarė dėl jūsų.
24Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
25Bet jei elgsitės nedorai, pražūsite jūs ir jūsų karalius”.
25Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.