Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

28

1Tomis dienomis filistinai surinko savo kariuomenę karui prieš Izraelį. Achišas tarė Dovydui: “Tu su savo vyrais turėsi žygiuoti kartu su manimi į karą”.
1[Ny nikambanan'i Davida tamin'ny Filistina, sy ny nivorian'ny Filistina hiady tamin'ny Isiraely, ary ny nankanesan'i Saoly tany amin'ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2Dovydas atsakė Achišui: “Tu dabar sužinosi, ką gali padaryti tavo tarnas”. Achišas tarė Dovydui: “Todėl aš padarysiu tave mano galvos saugotoju visam laikui”.
2Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3Samuelis buvo miręs, izraelitai buvo apraudoję ir palaidoję jį Ramoje, jo mieste. Saulius buvo išvaręs iš šalies mirusiųjų dvasių iššaukėjus ir burtininkus.
3(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4Filistinai susirinko, atėjo ir pastatė stovyklą Šuneme. Saulius sušaukė visą Izraelį, jie pasistatė stovyklą Gilbojoje.
4Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5Kai Saulius pamatė filistinų stovyklą, nusigando ir jo širdis ėmė labai drebėti.
5Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6Saulius klausė Viešpaties, bet Viešpats jam neatsakė nei per sapnus, nei per Urimą, nei per pranašus.
6Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7Tada Saulius tarė savo tarnams: “Suraskite man moterį, kuri iššaukia mirusiųjų dvasias, kad galėčiau nueiti pas ją patarimo”. Jo tarnai jam atsakė: “En Dore gyvena moteris, iššaukianti mirusiųjų dvasias”.
7Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8Saulius, pakeitęs drabužius, su dviem vyrais naktį nuėjo pas moterį. Jis tarė jai: “Paburk man per mirusiojo dvasią; iššauk man tą, kurį aš sakysiu”.
8Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9Moteris jam atsakė: “Tu žinai, kad Saulius išnaikino krašte mirusiųjų dvasių iššaukėjus ir burtininkus. Kodėl statai spąstus mano gyvybei, kad mane pražudytum?”
9Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10Saulius jai prisiekė Viešpačiu: “Kaip Viešpats gyvas, tu nebūsi nubausta dėl šito”.
10Ary Saoly nianiana tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
11Moteris klausė: “Ką turiu tau iššaukti?” Jis atsakė: “Iššauk man Samuelį”.
11Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12Moteris, pamačiusi Samuelį, garsiai sušuko ir tarė Sauliui: “Kodėl mane apgavai? Tu esi Saulius!”
12Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13Karalius jai tarė: “Nebijok! Ką matei?” Moteris tarė Sauliui: “Aš mačiau dvasią, kylančią iš žemės”.
13Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
14Karalius vėl klausė: “Kaip ji atrodo?” Ji atsakė: “Kyla senas vyras su apsiaustu”. Saulius suprato, kad tai Samuelis, ir nusilenkė veidu iki žemės.
14Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
15Samuelis tarė Sauliui: “Kodėl drumsti man ramybę, iššaukdamas mane?” Saulius atsakė: “Esu labai prislėgtas, nes filistinai kariauja prieš mane. Dievas atsitraukė nuo manęs ir man nebeatsako nei per sapnus, nei per pranašus, todėl pasišaukiau tave, kad pasakytum, ką man daryti”.
15Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16Samuelis atsakė: “Kodėl mane klausi, jei Viešpats atsitraukė nuo tavęs ir tapo tavo priešu?
16Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17Viešpats padarė, kaip Jis buvo per mane kalbėjęs. Jis atėmė iš tavęs karalystę ir ją atidavė tavo artimui Dovydui.
17Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.
18Kadangi tu nepaklusai Viešpaties balsui ir neįvykdei Viešpaties rūstybės amalekiečiams, Viešpats šiandien tau taip padarė.
18Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19Be to, Viešpats atiduos su tavimi ir Izraelį į filistinų rankas. Rytoj tu ir tavo sūnūs būsite pas mane. Taip pat ir Izraelio pulkus Viešpats atiduos į filistinų rankas”.
19Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20Saulius, labai nusigandęs dėl Samuelio žodžių, staiga visu savo ūgiu krito ant žemės. Jis neteko jėgų, nes visą dieną ir naktį buvo nevalgęs.
20Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21Moteris, priėjusi prie Sauliaus ir pamačiusi, kad jis labai išsigandęs, tarė: “Tavo tarnaitė paklausė tavęs, statydama į pavojų savo gyvybę, ir įvykdė, ko tu prašei.
21Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22Taigi dabar tu paklausyk savo tarnaitės: aš atnešiu tau kąsnelį duonos, kad turėtum jėgų ir galėtum eiti savo keliu”.
22Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao.
23Bet jis atsisakė, sakydamas: “Aš nevalgysiu”. Tačiau tarnai kartu su moterimi įkalbėjo jį, ir jis paklausė jų. Jis atsikėlė nuo žemės ir atsisėdo ant lovos.
23Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
24Moteris turėjo riebų veršį savo namuose. Ji skubiai papjovė jį, paėmusi miltų suminkė ir iškepė neraugintos duonos,
24Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.
25ir atnešė tai Sauliui bei jo tarnams. Pavalgę jie atsikėlė ir tą pačią naktį išėjo.
25Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.