1Kai Dovydas ir jo vyrai trečią dieną sugrįžo į Ciklagą, amalekiečiai buvo įsiveržę iš pietų į Ciklagą, užėmę jį ir sudeginę.
1[Ny namalian'i Davida ny Amalekita noho ny nandravany an'i Ziklaga] Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an'i Ziklaga sy nandoro azy tamin'ny afo;
2Jie išvedė į nelaisvę moteris; nė vienos nenužudė nuo vyriausios iki jauniausios, bet išsivarė su savimi ir nuėjo savo keliu.
2ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3Dovydas ir jo vyrai, grįžę į miestą, rado jį sudegintą, o jų žmonas, sūnus ir dukteris išvestus nelaisvėn.
3Ary Davida sy ny olony tonga tao amin'ny tanàna, ary, indro, efa levon'ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4Tada Dovydas ir su juo buvusieji žmonės pakėlė balsus ir verkė, kol nebeliko jėgų verkti.
4Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
5Abi Dovydo žmonos irgi buvo išvestos nelaisvėn: jezreelietė Ahinoama ir Abigailė, karmeliečio Nabalo našlė.
5Ary voababo koa izy roa vavy vadin'i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
6Dovydas buvo labai nuliūdęs, nes žmonės tarėsi jį užmušti akmenimis; visi žmonės sielvartavo dėl savo sūnų ir dukterų. Bet Dovydas sustiprino save Viešpatyje, savo Dieve.
6Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin'i Jehovah Andriamaniny.
7Dovydas paprašė kunigą Abjatarą, Ahimelecho sūnų, atnešti efodą. Abjataras atnešė efodą Dovydui.
7Ary hoy Davida tamin'i Abiatara mpisorona, zanak'i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.
8Dovydas klausė Viešpaties, sakydamas: “Ar man vytis tą gaują? Ar aš juos pavysiu?” Viešpats atsakė: “Vykis! Tikrai pavysi ir išvaduosi belaisvius”.
8Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
9Taip Dovydas ir šeši šimtai jo vyrų išėjo. Pasiekę Besoro upelį, pavargę kariai pasiliko prie jo.
9Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin'ny renirano Besora, ary teo no nijanonan'ny sasany.
10Dovydas su keturiais šimtais vyrų toliau vijosi, o du šimtai pasiliko, kadangi buvo taip pavargę, jog neįstengė perbristi upelio.
10Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
11Laukuose jie rado egiptietį, atvedė jį pas Dovydą ir davė jam duonos valgyti ir vandens atsigerti.
11Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12Ir jie davė jam džiovintų figų ir dvi kekes džiovintų vynuogių. Pavalgęs jis atsigavo, nes tris paras buvo nevalgęs ir negėręs.
12Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13Tuomet Dovydas klausė jį: “Kam tu priklausai ir iš kur esi?” Jis atsakė: “Aš esu egiptietis, vieno amalekiečio vergas. Mano šeimininkas paliko mane, nes prieš tris dienas susirgau.
13Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
14Mes buvome įsiveržę į pietinį keretų kraštą ir į Judą, į pietines Kalebo žemes, ir mes sudeginome Ciklagą”.
14Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo.
15Dovydas jam tarė: “Ar tu gali mus nuvesti prie to būrio?” Tas atsakė: “Prisiek man Dievu, kad manęs nenužudysi ir negrąžinsi mano šeimininkui, tada nuvesiu tave pas juos”.
15Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho.
16Kai jis nuvedė juos, amalekiečiai buvo pasklidę po visą kraštą, valgė ir gėrė švęsdami, nes buvo paėmę didelį grobį, plėšdami filistinų ir Judo žemes.
16Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda.
17Dovydas mušė juos nuo sutemų iki kitos dienos vakaro; nė vienas iš jų neištrūko, išskyrus keturis šimtus jaunuolių, kurie pabėgo, užsėdę ant kupranugarių.
17Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18Dovydas atsiėmė visa, ką amalekiečiai buvo pagrobę, ir išvadavo abi savo žmonas.
18Dia rarak'i Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa.
19Nieko jie nepasigedo, mažo ar didelio: nei sūnų, nei dukterų, nei jokių daiktų, kuriuos amalekiečiai buvo paėmę; Dovydas viską atsiėmė.
19Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa.
20Dovydas paėmė visas jų avis ir galvijus ir varė juos pirma savo galvijų, sakydamas: “Tai Dovydo grobis”.
20Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida.
21Dovydas atėjo iki tų dviejų šimtų vyrų, kurie buvo išvargę ir nebegalėjo sekti paskui Dovydą ir buvo palikti prie Besoro upelio. Jie išėjo pasitikti Dovydo ir jo vyrų, ir Dovydas priartėjęs juos pasveikino.
21Ary Davida tonga teo amin'ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin'ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin'ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
22Tada kai kurie pikti vyrai, Belialo žmonės, iš tų, kurie ėjo su Dovydu, kalbėjo: “Jie nėjo su mumis, todėl mes jiems nieko neduosime iš atgauto grobio, tik kiekvienam žmoną ir vaikus, kad, juos pasiėmę, keliautų sau”.
22Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an'i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
23Dovydas tarė: “Mano broliai, negalima taip elgtis su tuo, ką Viešpats mums davė. Jis mus saugojo ir atidavė tą būrį, kuris mus užpuolė, į mūsų rankas.
23Fa hoy Davida: Aza manao izany amin'izay nomen'i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24Kas pritars jums šiuo klausimu? Ką gauna ėjęs į mūšį, tą gaus ir tas, kuris saugojo mantą; jie turi pasidalinti po lygiai”.
24Koa iza no hanaiky anareo amin'izany? Fa tahaka ny anjaran'izay nidina hiady ihany no ho anjaran'izay nitoetra tamin'ny entana: hiara-misalahy izy.
25Taip tas nuostatas buvo įvestas Izraelyje ir galioja iki šios dienos.
25Dia izany no fanao hatramin'izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin'ny Isiraely izany ambaraka androany.
26Dovydas, sugrįžęs į Ciklagą, pasiuntė dalį grobio Judo vyresniesiems, savo draugams, sakydamas: “Štai jums dovana iš Viešpaties priešų grobio”.
26Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an'ny loholon'ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'i Jehovah,
27Jis siuntė į Betelį, į pietinį Ramotą, į Jatyrą,
27dia ho an'izay ao Betela sy izay any Ramata amin'ny tany atsimo sy ho an'izay ao Jatira
28į Aroerą, į Sifmotą, į Eštemoją,
28sy ho an'izay ao Aroera sy ho an'izay ao Sifmota sy ho an'izay ao Estemoa
29į Rachalą, į jerachmeelitų ir kenitų miestus,
29sy ho an'izay ao Rakala sy ho an'izay any an-tanànan'ny Jeramelita sy ho an'izay any an-tanànan'ny Kenita
30į Hormą, į Bor Ašaną, į Atachą,
30sy ho an'izay ao Horma sy ho an'izay ao Korasana sy ho an'izay ao Atakasy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.
31į Hebroną ir visas vietas, kur Dovydas buvo buvęs su savo vyrais.
31sy ho an'izay ao Hebrona ary ho an'izay any amin'ny tany rehetra nandehandehanan'i Davida sy ny olony.