Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

4

1Samuelio žodis pasiekė visą Izraelį. Izraelis pasistatė stovyklą prie Eben Ezero ir ruošėsi kariauti su filistinais, o filistinai pasistatė stovyklą prie Afeko.
1[Ny niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
2Jie išsirikiavo prieš Izraelį, puolė ir sumušė jį, nužudydami mūšyje apie keturis tūkstančius vyrų.
2Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
3Kai žmonės sugrįžo į stovyklą, Izraelio vyresnieji tarė: “Kodėl Viešpats leido šiandien filistinams nugalėti? Atsigabenkime iš Šilojo Viešpaties Sandoros skrynią, kad ji būtų su mumis ir mus išgelbėtų nuo priešų”.
3Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
4Buvo pasiųsti į Šiloją pasiuntiniai, kurie atgabeno kareivijų Viešpaties, gyvenančio tarp cherubų, Sandoros skrynią. Abu Elio sūnūs Hofnis ir Finehasas buvo prie Dievo Sandoros skrynios.
4Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
5Kai Viešpaties Sandoros skrynia pasiekė stovyklą, visi izraelitai šaukė taip garsiai, kad net žemė drebėjo.
5Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
6Filistinai, išgirdę šauksmą, klausė: “Ką reiškia šitas riksmas hebrajų stovykloje?” Ir jie sužinojo, kad buvo atgabenta Viešpaties skrynia.
6Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
7Filistinai išsigando, nes sakė: “Dievas atėjo pas juos į stovyklą. Vargas mums, nes anksčiau taip nebuvo!
7Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
8Vargas mums! Kas mus išgelbės iš šitų galingų dievų? Tai dievai, kurie baudė Egiptą įvairiomis bausmėmis dykumoje.
8Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.
9Filistinai, būkite drąsūs, kad nereikėtų tarnauti hebrajams, kaip jie mums tarnavo. Nusiraminkite ir kariaukite”.
9Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
10Filistinai kovojo ir vėl nugalėjo izraelitus, kurie visi išbėgiojo į savo palapines. Įvyko didelės žudynės, ir krito trisdešimt tūkstančių pėstininkų iš Izraelio.
10Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.
11Dievo skrynia buvo priešų paimta, o Elio sūnūs Hofnis ir Finehasas žuvo.
11Dia lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
12Vienas benjaminas, pabėgęs iš mūšio lauko, tą pačią dieną atvyko į Šiloją su perplėštais drabužiais ir žemėm apibarstyta galva.
12Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
13Jam atvykus į miestą, Elis sėdėjo krasėje šalia kelio ir jo širdis drebėjo dėl Dievo skrynios. Kai vyras atbėgo į miestą ir viską pranešė, visas miestas ėmė raudoti.
13Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
14Elis, išgirdęs verksmą, paklausė: “Ką reiškia šitas triukšmas?” Tas vyras atskubėjo prie Elio ir jam pranešė.
14Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.
15Elis buvo devyniasdešimt aštuonerių metų, jo akys buvo nusilpusios ir jis nebematė.
15Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
16Tas vyras kalbėjo Eliui: “Aš šiandien pabėgau iš mūšio lauko ir atvykau čia”. Elis paklausė: “Kas ten atsitiko, mano sūnau?”
16Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
17Pasiuntinys atsakė: “Izraelis bėgo nuo filistinų, įvyko didelės žudynės. Tavo abu sūnūs Hofnis ir Finehasas žuvo, ir Dievo skrynia priešų rankose”.
17Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
18Jam paminėjus Dievo skrynią, Elis atbulas krito nuo krasės šalia vartų. Jo sprandas lūžo ir jis mirė, nes buvo senas ir sunkus. Jis teisė Izraelį keturiasdešimt metų.
18Ary nony nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
19Jo marti, Finehaso žmona, buvo nėščia ir greitai turėjo gimdyti. Išgirdus, kad Dievo skrynia paimta ir kad jos uošvis ir vyras mirę, ji susilenkė ir pagimdė, nes ją suėmė gimdymo skausmai.
19Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20Jai mirštant, prie jos stovėjusios moterys sakė: “Nebijok, tu pagimdei sūnų”. Tačiau ji nieko neatsakė ir nebekreipė dėmesio.
20Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
21Ji pavadino vaiką Ikabodu, sakydama: “Šlovė paliko Izraelį”, nes Dievo skrynia buvo paimta ir jos uošvis bei vyras mirę.
21Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra]Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
22Ji pasakė: “Šlovė paliko Izraelį, nes Dievo skrynia paimta”.
22Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.