Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

6

1Viešpaties skrynia filistinų krašte išbuvo septynis mėnesius.
1Ary ny fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana.
2Filistinai pasikvietė kunigus bei žynius ir klausė: “Ką mums daryti su Viešpaties skrynia? Kaip ją pasiųsti atgal į jos vietą?”
2Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.
3Tie atsakė: “Jei siųsite atgal Izraelio Dievo skrynią, nesiųskite tuščios, bet būtinai grąžinkite su auka už kaltes. Tada pagysite ir jums paaiškės, kodėl Jo ranka neatsitraukia nuo jūsų”.
3Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.
4Jie klausė: “Kokią auką turime duoti už savo nusikaltimą?” Tie atsakė: “Penkis auksinius auglius ir penkias auksines peles pagal filistinų kunigaikščių skaičių, nes ta pati liga vargino jus ir jūsų kunigaikščius.
4Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5Padarykite penkis auglių atvaizdus ir pelių, kurios naikina kraštą, atvaizdus ir atiduokite Izraelio Dievui. Gal tada Jis atims savo ranką nuo jūsų, jūsų dievų ir šalies.
5Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
6Neužkietinkite savo širdžių, kaip užkietino egiptiečiai ir faraonas. Kai Viešpats darė stebuklus tarp jų, jie buvo priversti išleisti izraelitus.
6Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?
7Imkite dvi žindančias karves, ant kurių dar nebuvo uždėtas jungas, ir įkinkykite jas į naują vežimą, o jų veršiukus parsiveskite namo.
7Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
8Viešpaties skrynią įkelkite į vežimą, o auksinius dirbinius, kuriuos duodate kaip auką, įdėkite į atskirą dėžę ir paleiskite karves.
8Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.
9Ir žiūrėkite: jei jos eis keliu, vedančiu Bet Šemešo link, tai Viešpats yra mums siuntęs šitą didelę nelaimę; o jei ne, tada žinosime, kad ne Jo ranka ištiko mus, o taip įvyko atsitiktinai”.
9Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.
10Filistinai taip ir padarė. Dvi žindančias karves įkinkė į vežimą, o jų veršiukus uždarė namuose.
10Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
11Jie įkėlė Viešpaties skrynią ir dėžę su auksinėmis pelėmis ir auglių atvaizdais į vežimą.
11Dia napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin'ny vay.
12Karvės ėjo tiesiai į Bet Šemešą. Eidamos vieškeliu jos baubė, bet nepasuko nei dešinėn, nei kairėn. Filistinų kunigaikščiai ėjo paskui jas iki Bet Šemešo sienos.
12Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy.
13Bet šemešiečiai pjovė kviečius slėnyje. Pakėlę akis, jie pamatė skrynią ir džiaugėsi ja.
13Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
14Vežimas atvažiavo į Jozuės, bet šemešiečio, lauką ir sustojo. Ten buvo didelis akmuo. Jie suskaldė vežimą, o karves aukojo kaip deginamąją auką Viešpačiui.
14Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
15Levitai nukėlė Viešpaties skrynią ir prie jos buvusią dėžę, kurioje buvo auksiniai dirbiniai, ir padėjo ant to didelio akmens. Bet Šemešo žmonės tą dieną aukojo deginamąsias ir kitas aukas Viešpačiui.
15Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.
16Penki filistinų kunigaikščiai, tai matydami, sugrįžo tą pačią dieną į Ekroną.
16Ary raha hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.
17Filistinai aukojo už savo nusikaltimą auksinius auglius: vieną už Ašdodą, vieną už Gazą, vieną už Aškeloną, vieną už Gatą ir vieną už Ekroną.
17Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;
18Auksinės pelės buvo nuo penkių filistinų miestų, priklausančių penkiems kunigaikščiams, pradedant sutvirtintais miestais ir baigiant atvirais kaimais iki didelio akmens, ant kurio jie padėjo Viešpaties skrynią ir kuris iki šios dienos tebeguli bet šemešiečio Jozuės lauke.
18ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
19Jis baudė Bet Šemešo gyventojus, nes jie pažiūrėjo į Viešpaties skrynios vidų, ir nužudė penkiasdešimt tūkstančių septyniasdešimt žmonių. Žmonės verkė dėl tokių didelių žudynių.
19Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty.
20Bet Šemešo žmonės kalbėjo: “Kas gali išstovėti Viešpaties, švento Dievo, akivaizdoje? Kur Jis eis iš mūsų?”
20Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
21Jie pasiuntė pasiuntinius į Kirjat Jearimą, sakydami: “Filistinai sugrąžino Viešpaties skrynią. Ateikite ir parsigabenkite ją”.
21Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.