1Saliamonas pradėjo statyti Viešpaties namus Jeruzalėje ant Morijos kalno, kur Viešpats pasirodė jo tėvui Dovydui, vietoje, kurią Dovydas paruošė jebusiečio Ornano klojime.
1[Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
2Saliamonas pradėjo juos statyti ketvirtųjų savo karaliavimo metų antrojo mėnesio antrąją dieną.
2Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
3Dievo namų, kuriuos Saliamonas ruošėsi statyti, dydis buvo šešiasdešimt uolekčių ilgio senuoju mastu ir dvidešimt uolekčių pločio.
3Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4Priešakinio prieangio ilgis buvo lygus pastato pločiuidvidešimt uolekčių, o jo aukštis buvo šimtas dvidešimt uolekčių. Jis aptraukė jį iš vidaus grynu auksu.
4Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5Pagrindinį pastatą jis iškalė kipariso lentomis, aptraukė jas grynu auksu ir išraižė ant jų palmes bei grandinėles.
5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]
6Sienos buvo papuoštos brangakmeniais ir Parvaimo auksu.
6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7Namų sijas, slenksčius, sienas ir duris aptraukė auksu ir ant sienų išraižė cherubus.
7Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
8Jis padarė Šventų švenčiausiąją, kuri buvo dvidešimties uolekčių ilgio pagal namo plotį ir dvidešimties uolekčių pločio, visas jos vidus buvo aptrauktas grynu auksu, sveriančiu šešis šimtus talentų.
8Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9Vinys svėrė penkiasdešimt šekelių aukso. Viršutinius kambarius jis taip pat aptraukė auksu.
9Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
10Švenčiausioje padarė du cherubus ir aptraukė juos auksu.
10Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11Cherubų sparnai buvo dvidešimties uolekčių ilgio: vienas penkių uolekčių ilgio sparnas siekė sieną, kitas penkių uolekčių ilgio sparnas lietė kito cherubo sparną.
11Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12Antro cherubo penkių uolekčių ilgio sparnas siekė priešingą sieną, o kitas jo penkių uolekčių ilgio sparnas lietė pirmojo cherubo sparną.
12ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13Cherubų ištiesti sparnai buvo dvidešimties uolekčių ilgio. Jie stovėjo ant kojų, o jų veidai buvo nukreipti į šventyklos vidų.
13Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14Jis padarė uždangą iš raudonų, mėlynų, violetinių ir plonų lininių siūlų ir ant jos išsiuvinėjo cherubus.
14Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
15Šventyklos priekyje jis padarė dvi kolonas, kiekvieną trisdešimt penkių uolekčių aukščio, o kapiteliai ant jų viršaus buvo penkių uolekčių.
15Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16Jis padarė ir grandinėles kaip Švenčiausioje ir pritvirtino kolonų viršuje. Ant kiekvienos grandinėlės buvo po šimtą granato vaisių.
16Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
17Kolonos stovėjo šventyklos priekyje, vienadešinėje, o antrakairėje; dešiniąją pavadino Jachinu, o kairiąją Boazu.
17Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]