Lithuanian

Malagasy

2 Chronicles

9

1Šebos karalienė, išgirdusi apie Saliamoną ir norėdama jį išmėginti sunkiais klausimais, atvyko į Jeruzalę su labai didele palyda ir kupranugariais, nešančiais kvepalus, gausybę aukso ir brangiųjų akmenų. Atėjusi pas Saliamoną, ji kalbėjosi su juo apie viską, kas buvo jos širdyje.
1[Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
2Saliamonas atsakė jai į visus klausimus. Nebuvo nieko, ko Saliamonas nebūtų galėjęs jai atsakyti.
2Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
3Šebos karalienė, pamačiusi Saliamono išmintį ir namus, kuriuos jis pasistatė,
3Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony
4jo stalo valgius, tarnų būstus, patarnautojų laikyseną bei apdarus, vyno pilstytojus bei jų apdarus, įėjimą į Viešpaties namus, nebegalėjo susilaikyti
4sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
5ir tarė karaliui: “Ką girdėjau savo krašte apie tavo darbus ir išmintį, yra tiesa.
5Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
6Aš netikėjau žodžiais, kol neatvykau ir savo akimis nepamačiau. Iš tikrųjų nė pusės apie tavo išmintį man nebuvo papasakota. Tu viršiji tai, ką apie tave girdėjau.
6Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7Laimingi tavo žmonės ir laimingi tavo tarnai, kurie nuolat yra priešais tave ir girdi tavo išmintį.
7Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8Palaimintas Viešpats, tavo Dievas, kuris pamėgo tave ir pasodino į savo sostą, kad būtum Viešpaties, savo Dievo, karaliumi. Kadangi Dievas myli Izraelį ir nori jį išlaikyti per amžius, Jis padarė tave jų karaliumi teismui ir teisingumui vykdyti”.
8Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9Šebos karalienė padovanojo karaliui šimtą dvidešimt talentų aukso, labai daug kvepalų ir brangiųjų akmenų; niekad nebuvo tokių kvepalų, kokius Šebos karalienė padovanojo karaliui Saliamonui.
9Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.
10Hiramo ir Saliamono tarnai pargabeno aukso iš Ofyro, raudonmedžio ir brangiųjų akmenų.
10Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
11Iš raudonmedžio buvo padaryti laiptai Viešpaties namams, psalteriai ir arfos giesmininkams; anksčiau tokių niekas nebuvo matęs Judo žemėje.
11Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.
12Karalius Saliamonas davė Šebos karalienei viską, ko ji norėjo ir prašė. Jis jai dovanojo daugiau, negu ji jam atgabeno. Po to ji su savo palyda grįžo į savo kraštą.
12Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
13Auksas, kurį kas metai atgabendavo Saliamonui, svėrė šešis šimtus šešiasdešimt šešis talentus,
13[Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
14neskaičiuojant to, ką atgabendavo karaliui Saliamonui prekybininkai ir keliaujantieji pirkliai, Arabijos karaliai ir krašto valdytojai.
14afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.
15Karalius Saliamonas padarė du šimtus didžiųjų skydų iš kalto aukso, sunaudodamas kiekvienam skydui po šešis šimtus šekelių aukso,
15Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
16ir tris šimtus mažųjų skydų iš kalto aukso, sunaudodamas vienam po tris šimtus šekelių aukso. Karalius juos sudėjo namuose iš Libano medžio.
16Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.
17Karalius padarė didžiulį sostą iš dramblio kaulo ir padengė jį grynu auksu.
17Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
18Sostas turėjo šešis laiptus ir auksinį pakojį. Abiejose sosto pusėse buvo rankoms atramos, du liūtai stovėjo šalia tų atramų.
18Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;
19Be to, dvylika liūtų stovėjo ant šešių laiptų, po vieną iš abiejų pusių. Nieko panašaus nebuvo padaryta jokioje karalystėje.
19ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
20Visi karaliaus Saliamono geriamieji indai ir namų iš Libano medžio indai buvo gryno aukso. Nieko nebuvo iš sidabro, nes jis neturėjo vertės Saliamono laikais.
20Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
21Karaliaus laivai plaukiojo į Taršišą kartu su Hiramo tarnais. Kas treji metai Taršišo laivai grįždavo su auksu, sidabru, dramblio kaulu, beždžionėmis ir povais.
21Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.[pavo]
22Karalius Saliamonas pranoko visus žemės karalius savo turtais ir išmintimi.
22Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
23Visi žemės karaliai siekė išvysti Saliamoną, norėdami išgirsti jo išmintį, kurią Dievas buvo įdėjęs į jo širdį.
23Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
24Kiekvienas atgabendavo jam dovanų: sidabrinių ir auksinių daiktų, rūbų, ginklų, kvepalų, žirgų ir mulų; taip buvo kasmet.
24Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
25Saliamonas turėjo keturis tūkstančius pastatų žirgams bei kovos vežimams ir dvylika tūkstančių raitelių, kuriuos jis paskirstė kovos vežimų miestuose ir pas save Jeruzalėje.
25Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
26Jis buvo valdovas visų karalių nuo upės iki filistinų krašto ir Egipto sienos.
26Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.[Eofrata]
27Karalius padarė, kad sidabro Jeruzalėje buvo kaip akmenų, o kedrų tiek, kiek figmedžių, kurie gausiai auga slėniuose.
27Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]
28Saliamonas pirkdavo žirgų iš Egipto ir kitų šalių.
28Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.
29Kiti Saliamono darbai nuo pradžios iki galo yra surašyti pranašo Natano knygoje, Ahijos iš Šilojo pranašystėje ir regėtojo Idojo regėjimuose apie Nebato sūnų Jeroboamą.
29Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
30Saliamonas karaliavo Jeruzalėje visam Izraeliui keturiasdešimt metų.
30Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
31Saliamonas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas savo tėvo Dovydo mieste; jo sūnus Roboamas pradėjo karaliauti jo vietoje.
31Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.