Lithuanian

Malagasy

2 Kings

10

1Ahabas turėjo septyniasdešimt sūnų Samarijoje. Jehuvas nusiuntė Samarijos miesto vyresniesiems ir Ahabo sūnų globėjams laiškus, kuriuose rašė:
1[Ny namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe:
2“Gavę šitą laišką, visi, kurie turite savo valdovo sūnų, sustiprintą miestą, kovos vežimų ir ginklų,
2Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
3pasirinkite geriausią ir tinkamiausią iš savo valdovo sūnų, pasodinkite jį į tėvo sostą ir kariaukite už savo valdovo namus”.
3dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny tomponareo.
4Bet jie labai nusigando ir sakė: “Du karaliai neatsilaikė prieš jį, kaip tad mes atsilaikysime?”
4Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
5Namų valdytojas, miesto valdytojas, vyresnieji ir sūnų globėjai pasiuntė Jehuvui tokį atsakymą: “Mes esame tavo tarnai ir visa, ką mums įsakysi, darysime. Nė vieno karaliumi nepaskirsime. Daryk, kaip tau patinka”.
5Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
6Tada Jehuvas parašė jiems antrą laišką: “Jei jūs esate manieji ir klausysite manęs, paimkite savo valdovo sūnų galvas ir rytoj apie šitą laiką atneškite jas man į Jezreelį!” Karaliaus sūnūs, septyniasdešimt vyrų, buvo miesto didžiūnų užauginti.
6Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
7Gavę šitą laišką, jie nužudė visus karaliaus sūnus, septyniasdešimt vyrų, ir, sudėję jų galvas į pintines, nusiuntė jas Jehuvui į Jezreelį.
7Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany Jezirela.
8Pasiuntinys jam pranešė: “Atnešė karaliaus sūnų galvas”. Jis įsakė: “Sukraukite jas į dvi krūvas vartų įėjime ir palikite iki ryto”.
8Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.
9Rytą Jehuvas, išėjęs ir atsistojęs prie vartų, kalbėjo visiems žmonėms: “Jūs esate nekalti. Aš padariau sąmokslą prieš savo valdovą ir jį nužudžiau. Bet kas nužudė šituos?
9Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
10Žinokite, kad nė vienas Viešpaties žodis nekris į žemę, ką Viešpats kalbėjo apie Ahabo namus. Dabar Viešpats įvykdė, ką kalbėjo per savo tarną Eliją”.
10Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.
11Jehuvas išžudė visus, kas liko iš Ahabo namų Jezreelyje, visus jo didžiūnus, patikėtinius ir kunigus; nė vieno nepaliko gyvo.
11Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
12Po to jis ėjo į Samariją. Pakelyje, prie piemenų namų,
12Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian'ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,[Na: Bet-ekda]
13Jehuvas sutiko Judo karaliaus Ahazijo brolius ir klausė: “Kas jūs esate?” Jie atsakė: “Mes esame Ahazijo broliai, atėjome aplankyti karaliaus sūnų ir karalienės sūnų”.
13dia nifanena amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.
14Jehuvas įsakė suimti juos gyvus. Jie suėmė juos ir nužudė prie Bet Ekedo šulinio keturiasdešimt du vyrus; nė vieno nepaliko gyvo.
14Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
15Pasitraukęs iš ten, jis sutiko Rechabo sūnų Jehonadabą. Jis jį pasveikino ir klausė: “Ar tavo širdis nusiteikusi, kaip ir mano širdis dėl tavęs?” Jehonadabas atsakė: “Taip”. Jehuvas tarė: “Jei taip, tai duok ranką”. Jam padavus ranką, Jehuvas padėjo jam įlipti į savo vežimą
15Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
16ir tarė: “Eime su manimi ir pamatysi, koks aš uolus dėl Viešpaties”.
16Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.
17Atvykęs į Samariją, jis išžudė visus likusius Ahabo gimines Samarijoje pagal Viešpaties žodį, kurį Jis kalbėjo per Eliją.
17Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
18Jehuvas, sušaukęs visus žmones, jiems tarė: “Ahabas mažai tarnavo Baalui, Jehuvas tarnaus jam daugiau.
18Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
19Dabar sušaukite pas mane visus Baalo pranašus, visus jo garbintojus ir visus kunigus; žiūrėkite, kad nė vieno netrūktų, nes turiu aukoti Baalui didelę auką. Kas neatvyks, neliks gyvas”. Jehuvas tai darė klastingai, norėdamas išžudyti Baalo garbintojus.
19Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
20Jis įsakė suruošti Baalui iškilmingą šventę.
20Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry andro izy.[Heb. Manamasina][Heb. nanamasina]
21Jehuvas apie tai paskelbė visam Izraeliui. Atvyko visi iki vieno Baalo garbintojai, ir Baalo namai buvo pilni nuo vieno krašto iki kito.
21Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22Jis įsakė drabužių saugotojui išdalinti drabužius visiems Baalo garbintojams.
22Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23Jehuvas, įėjęs su Rechabo sūnumi Jehonadabu į Baalo namus, tarė Baalo garbintojams: “Rūpestingai patikrinkite ir pažiūrėkite, kad čia nebūtų su jumis Viešpaties tarnų, tik vieni Baalo garbintojai”.
23Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
24Jie įėjo aukoti deginamąsias ir kitas aukas. Jehuvas buvo pastatęs lauke aštuoniasdešimt vyrų ir įsakęs: “Tas vyras, kuris leis ištrūkti bent vienam iš žmonių, kuriuos atiduodu į jūsų rankas, savo gyvybe atsakys už jį”.
24Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25Baigus aukoti deginamąją auką, Jehuvas įsakė sargybai ir kariams: “Išžudykite juos! Niekas tenelieka gyvas!” Jie išžudė juos kardu, sargyba bei vyresnieji juos išmetė ir, įėję į Baalo namus,
25Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
26išnešė atvaizdus iš Baalo namų, juos sudegino,
26Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.
27sudaužė Baalo atvaizdą, sugriovė šventyklą ir toje vietoje padarė išvietes, išlikusias iki šios dienos.
27Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
28Taip Jehuvas išnaikino Baalą iš Izraelio.
28Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
29Tačiau nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę, nuo auksinių veršių Betelyje ir Dane, Jehuvas nepasitraukė.
29Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30Viešpats tarė Jehuvui: “Kadangi tu gerai padarei įvykdydamas, kas teisinga mano akyse, ir padarei Ahabo namams visa, kas buvo mano širdyje, tai tavo sūnūs iki ketvirtos kartos sėdės Izraelio soste”.
30Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.
31Tačiau Jehuvas nesilaikė Viešpaties, Izraelio Dievo, įstatymo visa širdimi ir neatsitraukė nuo nuodėmių Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
31Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
32Tuo laiku Viešpats pradėjo mažinti Izraelį. Hazaelis juos nugalėjo visame pasienyje,
32Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra
33nuo Jordano rytuose, visą Gileado šalį, gadus, rubenus ir manasus, iki Aroero miesto prie Arnono upės, ir Bašaną.
33hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
34Visi kiti Jehuvo darbai ir jo galia yra aprašyta Izraelio karalių metraščių knygoje.
34Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
35Jehuvas užmigo prie savo tėvų ir jį palaidojo Samarijoje; jo sūnus Jehoachazas karaliavo jo vietoje.
35Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
36Jehuvas karaliavo Izraeliui Samarijoje dvidešimt aštuonerius metus.
36Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.