Lithuanian

Malagasy

2 Kings

2

1Elijui ir Eliziejui einant iš Gilgalo, Viešpats buvo numatęs paimti Eliją viesulu į dangų.
1[Ny nampakarana an'i Elia ho any an-danitra, sy ny fahagagana voalohany nataon'i Elisa] Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2Elijas tarė Eliziejui: “Pasilik čia, nes Viešpats mane siunčia į Betelį”. Bet Eliziejus atsakė: “Kaip gyvas Viešpats ir gyva tavo siela, aš tavęs nepaliksiu”. Jie nuėjo į Betelį.
2Ary hoy Elia tamin'i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3Pranašų sūnūs, kurie buvo Betelyje, atėję pas Eliziejų, klausė: “Ar žinai, kad šiandien Viešpats paims tavo valdovą nuo tavęs?” Tas atsakė: “Aš žinau, tylėkite”.
3Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
4Elijas sakė jam: “Eliziejau, pasilik čia, nes Viešpats mane siunčia į Jerichą”. Tas atsakė: “Kaip gyvas Viešpats ir gyva tavo siela, aš tavęs nepaliksiu”. Jie atėjo į Jerichą.
4Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5Pranašų mokiniai, kurie buvo Jeriche, atėję pas Eliziejų, klausė: “Ar žinai, kad šiandien Viešpats paims tavo valdovą nuo tavęs?” Tas atsakė: “Aš žinau, tylėkite!”
5Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
6Tada Elijas jam tarė: “Pasilik čia, nes Viešpats mane siunčia prie Jordano”. Tas atsakė: “Kaip gyvas Viešpats ir gyva tavo siela, aš tavęs nepaliksiu”. Juodu ėjo toliau.
6Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
7Penkiasdešimt vyrų, pranašų sūnų, ėjo ir sustoję stebėjo iš tolo, o juodu nuėjo iki Jordano.
7Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
8Elijas, paėmęs savo apsiaustą, suvyniojo jį ir juo sudavė per vandenį. Vanduo persiskyrė, ir juodu perėjo sausuma.
8Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.
9Kitoje Jordano pusėje Elijas tarė Eliziejui: “Ko norėtum, kad padaryčiau prieš tai, kai būsiu paimtas nuo tavęs?” Eliziejus atsakė: “Prašau, kad tavo dvasios būtų dvigubai ant manęs”.
9Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.
10Elijas atsakė: “Prašai sunkaus dalyko. Jei matysi, kai mane paima, bus tai tau, bet jei nematysi­nebus”.
10Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11Jiems besikalbant ir einant toliau, pasirodė ugninis vežimas bei ugniniai žirgai ir perskyrė juodu. Taip Elijas buvo paimtas viesulu į dangų.
11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
12Eliziejus tai matė ir šaukė: “Mano tėve, mano tėve! Izraelio kovos vežimai ir jo raiteliai!” Ir jis daugiau jo nebematė. Tuomet jis persiplėšė drabužius.
12Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
13Eliziejus, pakėlęs Elijo apsiaustą, kuris nuo jo nukrito, sugrįžęs atsistojo ant Jordano kranto.
13Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.
14Jis paėmė nuo Elijo nukritusį apsiaustą ir, sudavęs juo per vandenį, tarė: “Kur yra Viešpats, Elijo Dievas?” Kai jis sudavė per vandenį, vanduo persiskyrė, ir Eliziejus perėjo.
14Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
15Pranašų sūnūs, kurie buvo kitoje pusėje, Jeriche, jį pamatę, sakė: “Elijo dvasia nužengė ant Eliziejaus”. Atėję jo pasitikti, jie nusilenkė prieš jį iki žemės
15[Ny niverenan'i Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
16ir jam tarė: “Pas mus yra penkiasdešimt tvirtų vyrų, tavo tarnų. Tegu jie nueina ieškoti Elijo. Gal Viešpaties Dvasia, paėmusi jį, numetė ant kokio kalno ar į slėnį?” Jis atsakė: “Nesiųskite”.
16Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
17Jiems primygtinai prašant, Eliziejus sutiko. Jie išsiuntė penkiasdešimt vyrų, kurie ieškojo tris dienas, bet jo nerado.
17Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
18Jiems sugrįžus į Jerichą, Eliziejus jiems tarė: “Argi aš jums nesakiau: ‘Neikite’?”
18Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19Jericho gyventojai sakė Eliziejui: “Miestas geroje vietoje, kaip tu pats matai, bet vanduo blogas ir žemė nederlinga”.
19Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.[Na: tsy mahavanom-boly]
20Eliziejus atsakė: “Atneškite man naują dubenį ir įberkite į jį druskos”. Ir jie atnešė jam.
20Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21Nuėjęs prie vandens šaltinio, jis įmetė į jį druskos ir sakė: “Taip sako Viešpats: ‘Aš pagydžiau šitą vandenį. Jis nebebus priežastimi nei mirties, nei nevaisingumo’ ”.
21Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
22Vanduo yra sveikas iki šios dienos, kaip Eliziejus pasakė.
22Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]
23Iš Jericho jis ėjo į Betelį. Jam einant keliu, maži vaikai, išėję iš miesto, tyčiojosi iš jo ir šaukė: “Eik aukštyn, pliki! Eik aukštyn, pliki!”
23Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24Atsigręžęs jis pažiūrėjo į juos ir prakeikė juos Viešpaties vardu. Dvi lokės atbėgo iš miško ir sudraskė keturiasdešimt du vaikus.
24Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
25Iš čia jis nuėjo į Karmelio kalną, o iš ten grįžo į Samariją.
25Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.