1Atsitiko, kad Sauliui mirus, Dovydas, nugalėjęs amalekiečius, sugrįžo ir praleido dvi dienas Ciklage.
1[Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
2Trečią dieną iš Sauliaus stovyklos atėjo vyras su perplėštais drabužiais ir žemėmis apibarstyta galva. Atėjęs pas Dovydą, jis puolė ant žemės ir išreiškė jam pagarbą.
2Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka.
3Dovydas jį paklausė: “Iš kur ateini?” Tas jam atsakė: “Pabėgau iš Izraelio stovyklos”.
3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho.
4Dovydas tarė: “Papasakok man, kas ten atsitiko”. Tas atsakė: “Žmonės pabėgo iš mūšio, daugelis žuvo, taip pat ir Saulius su sūnumi Jehonatanu mirė”.
4Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5Tuomet Dovydas klausė jaunuolį, kuris jam pranešė: “Iš kur žinai, kad Saulius ir jo sūnus Jehonatanas mirė?”
5Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
6Jaunuolis, kuris jam tai pranešė, atsakė: “Visai atsitiktinai užėjau ant Gilbojos kalno, žiūriu, Saulius pasirėmęs ant ieties, o karo vežimai ir raiteliai skuba prie jo.
6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7Atsigręžęs ir mane pamatęs, jis pašaukė mane. Aš atsiliepiau: ‘Aš čia!’
7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8Jis klausė: ‘Kas tu esi?’ Aš atsakiau jam: ‘Aš esu amalekietis’.
8Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9Tada jis man tarė: ‘Ateik ir nužudyk mane; aš kankinuosi, bet gyvybė dar yra manyje’.
9Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10Priėjau prie jo ir nužudžiau, nes buvau tikras, kad jis neišgyvens po savo kritimo. Nuėmiau karūną nuo jo galvos ir apyrankę nuo jo rankos ir atnešiau juos čia savo valdovui”.
10Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo]
11Tuomet Dovydas, nutvėręs savo drabužius, perplėšė juos, taip padarė ir visi vyrai, buvę su juo.
11Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12Jie iki vakaro verkė, pasninkavo ir liūdėjo Sauliaus, jo sūnaus Jehonatano ir Viešpaties tautos, Izraelio namų, nes jie žuvo nuo kardo.
12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13Dovydas tarė jaunuoliui, kuris jam tai pranešė: “Iš kur esi?” Tas atsakė: “Aš esu ateivio amalekiečio sūnus”.
13Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14Dovydas jam tarė: “Kaip išdrįsai pakelti savo ranką, kad nužudytum Viešpaties pateptąjį?”
14Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah?
15Tada jis, pasišaukęs vieną iš savo jaunuolių, tarė: “Ateik ir užmušk jį”. Tas smogė jam, ir jis mirė.
15Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16Dovydas pasakė jam: “Tavo kraujas kris ant tavo galvos, nes tavo paties žodžiai paliudijo prieš tave, kai pasakei: ‘Aš nužudžiau Viešpaties pateptąjį’ ”.
16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
17Dovydas giedojo šitą raudą apie Saulių ir jo sūnų Jehonataną,
17Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
18norėdamas, kad Judo vaikai mokytųsi Lanko giesmės, kaip parašyta Josaro knygoje.
18(ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara izany): [Jasara = Ilay mahitsy]
19“Tavo šlovė, o Izraeli, žuvo tavo aukštumose, krito galingieji!
19Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra]
20Nepasakokite Gate, neskelbkite Aškelono gatvėse, kad nesilinksmintų filistinų dukterys, nedžiūgautų neapipjaustytųjų dukterys.
20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora.
21Jūs, Gilbojos kalnai, tenekrinta ant jūsų nei rasa, nei lietus, kad nebūtų ant jūsų derlingų laukų.Ten buvo pamestas galingųjų skydas, skydas Sauliaus, lyg jis nebūtų buvęs pateptas.
21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.[Na: nanariana][Na: toy ny an'izay]
22Be nukautųjų kraujo, be galingųjų taukų, Jehonatano lankas nesugrįždavo, ir Sauliaus kardas negrįždavo tuščias.
22Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
23Saulius ir Jehonatanas, mieli ir brangūs, kartu gyveno ir mirtyje jie nebuvo perskirti. Jie buvo greitesni negu ereliai, stipresni negu liūtai.
23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
24Izraelio dukterys, raudokite Sauliaus, kuris jus aprengdavo purpuru su papuošalais, apsagstydavo auksiniais pagražinimais jūsų drabužius.
24Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25Krito galingieji kovos įkarštyje. Jehonatanas nukautas ant kalno.
25Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.
26Aš gailiuosi tavęs, mano broli Jehonatanai! Labai brangus tu man buvai. Tavo meilė man buvo nuostabesnė už moterų meilę.
26Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!
27Krito galingieji, sulaužyti jų ginklai”.
27Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!