Lithuanian

Malagasy

2 Samuel

15

1Abšalomas įsigijo vežimų bei žirgų ir penkiasdešimt vyrų, kurie bėgdavo pirma jo.
1[Ny niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
2Jis keldavosi anksti ir atsistodavo šalia kelio prie vartų. Jei koks žmogus su savo byla ateidavo į karaliaus teismą, Abšalomas pasišaukdavo jį ir klausdavo: “Iš kurio tu miesto?” Kai tas atsakydavo: “Tavo tarnas yra iš tokios Izraelio giminės”,
2Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
3Abšalomas jam sakydavo: “Tavo reikalas yra geras ir teisingas, bet nėra pas karalių kas tave išklausytų.
3Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
4Jei mane paskirtų krašto teisėju, tai pas mane galėtų ateiti kiekvienas, turįs bylą ar skundą, ir aš apginčiau jo teises”.
4Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
5Jei kas norėdavo Abšalomui nusilenkti, jis ištiesęs ranką tą apkabindavo ir pabučiuodavo.
5Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
6Taip Abšalomas elgėsi su visais izraelitais, kurie ateidavo į karaliaus teismą. Abšalomas tokiu būdu pavogė izraelitų širdis.
6Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
7Praėjus keturiasdešimčiai metų, Abšalomas tarė karaliui: “Prašau, leisk man eiti į Hebroną ir įvykdyti įžadą, kurį daviau Viešpačiui.
7Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah. [Na: (efa-taona)]
8Gyvendamas Gešūre, Sirijoje, daviau įžadą: ‘Jei Viešpats mane parves atgal į Jeruzalę, aš tarnausiu Jam’ ”.
8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
9Karalius jam tarė: “Eik ramybėje”. Abšalomas pakilo ir išėjo į Hebroną.
9Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
10Jis slapta išsiuntė pasiuntinius į visas Izraelio gimines su pranešimu: “Išgirdę trimito garsą, sakykite: ‘Abšalomas karaliauja Hebrone’ ”.
10Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
11Iš Jeruzalės su Abšalomu išvyko du šimtai pakviestų vyrų. Jie ėjo nieko pikto nemanydami ir nieko nežinodami.
11Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
12Abšalomas aukodamas dar pasikvietė iš Gilojo miesto Ahitofelį, Dovydo patarėją. Taip sąmokslas išsiplėtė, nes žmonės nuolat ėjo pas Abšalomą.
12Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.
13Pasiuntinys atėjo pas Dovydą ir pranešė: “Izraelio žmonių širdys prisirišo prie Abšalomo”.
13Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
14Dovydas sakė visiems savo tarnams Jeruzalėje: “Bėkime, nes nėra kito išsigelbėjimo nuo Abšalomo. Skubėkime, kad jis mūsų neužkluptų, nepadarytų mums pikta ir neišžudytų miesto kardu”.
14Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15Karaliaus tarnai sakė karaliui: “Štai tavo tarnai vykdys visa, ką karalius įsakys”.
15Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
16Karalius išėjo kartu su visais namiškiais, liko tik dešimt sugulovių namų saugoti.
16Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
17Karalius išėjo, ir visi žmonės sekė paskui jį, ir jie sustojo toli nuo namų.
17Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
18Visi jo tarnai ėjo šalia jo, o keretai, peletai ir gatiečiai, šeši šimtai vyrų, kurie buvo atėję su juo iš Gato, ėjo pirma karaliaus.
18Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
19Dovydas klausė gatietį Itają: “Kodėl tu eini su mumis? Grįžk ir pasilik pas karalių. Tu juk esi svetimšalis, atėjęs čia iš savo krašto.
19Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.
20Vakar atėjai, o šiandien ar turėtum eiti su mumis? Aš turiu eiti, o tu grįžk su savo broliais. Gailestingumas ir tiesa tebūna su tavimi”.
20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
21Itajas atsakė karaliui: “Kaip Viešpats gyvas ir mano valdovas karalius gyvas! Kur bus mano karalius, mirtyje ar gyvenime, ten bus ir jo tarnas”.
21Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.
22Dovydas tarė Itajui: “Tai eik su manimi”. Itajas perėjo su visais savo vyrais ir jų šeimomis.
22Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
23Visas kraštas garsiai verkė, ir visi žmonės perėjo į kitą pusę, ir karalius perėjo per Kedrono upelį ir traukė dykumos link.
23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra.
24Atėjo Cadokas ir levitai, nešdami Dievo Sandoros skrynią. Jie pastatė Dievo skrynią, ir Abjataras ėjo aukštyn, kol visi pasitraukė iš miesto.
24Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
25Karalius Cadokui tarė: “Nešk Dievo skrynią atgal į miestą. Jei rasiu malonę Viešpaties akyse, Jis mane parves ir parodys man ją ir savo buveinę.
25Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
26Jei Jis man sakys: ‘Aš nepatenkintas tavimi’, tai tegul daro su manimi, kaip Jam patinka”.
26Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
27Tada karalius kalbėjo kunigui Cadokui: “Tu esi regėtojas. Tu, tavo sūnus Ahimaacas ir Abjataro sūnus Jehonatanas grįžkite ramybėje į miestą.
27Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara.
28Štai aš pasiliksiu dykumoje, kol gausiu iš jūsų pranešimą”.
28Indro, izaho hijanonjanona eny amin'ny fitàna any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay]
29Cadokas ir Abjataras parnešė Dievo skrynią į Jeruzalę ir ten pasiliko.
29Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
30Dovydas ėjo aukštyn Alyvų kalno šlaitu verkdamas, apsigaubęs galvą ir basas. Visi su juo buvę žmonės, apsigaubę galvas, ėjo aukštyn taip pat verkdami.
30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
31Dovydas, sužinojęs, kad Ahitofelis yra tarp sąmokslininkų pas Abšalomą, meldėsi: “Viešpatie, meldžiu, paversk Ahitofelio patarimą niekais”.
31Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.
32Kalno viršūnėje, kur Dovydas garbino Dievą, jį pasitiko arkietis Hušajas su perplėštais drabužiais ir žemėmis apibarstyta galva.
32Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
33Dovydas jam tarė: “Jei eisi su manimi, būsi man našta,
33ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
34o jei grįši į miestą ir prisidėsi prie Abšalomo, sakydamas jam: ‘Aš noriu būti tavo tarnas, karaliau. Buvau tavo tėvo tarnas praeityje, o dabar noriu būti tavo tarnas’, tai Ahitofelio patarimą galėsi niekais paversti.
34fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela.
35Su tavimi bus kunigai Cadokas ir Abjataras. Pranešk jiems visa, ką nugirsi karaliaus namuose.
35Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
36Pas juos yra abu jų sūnūs: Cadoko sūnus Ahimaacas ir Abjataro­Jehonatanas; per juos perduok man viską, ką išgirsi”.
36Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.
37Dovydo draugas Hušajas sugrįžo į Jeruzalę, Abšalomui įeinant į ją.
37Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.