Lithuanian

Malagasy

Deuteronomy

9

1“Klausyk, Izraeli! Tu pereisi šiandien per Jordaną, kad nugalėtum didesnes ir stipresnes tautas už save, didelius, iki dangaus sustiprintus miestus,
1[Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
2didelius ir augalotus žmones, Anako sūnus, kuriuos pats matei ir apie kuriuos girdėjai sakant: ‘Niekas jiems negali pasipriešinti’.
2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?
3Žinok, kad Viešpats, tavo Dievas, eis pirma tavęs kaip ryjanti ugnis ir sunaikins juos, ir parblokš juos prieš tave; taip tu juos išvysi ir sunaikinsi greitai, kaip tau Viešpats pažadėjo.
3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.
4Kai Viešpats, tavo Dievas, juos išvarys nuo tavęs, nesakyk savo širdyje: ‘Viešpats mane įvedė dėl mano teisumo ir leido paveldėti šitą žemę’. Dėl šitų tautų piktadarysčių Viešpats išvaro jas nuo tavęs.
4Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
5Ne dėl tavo teisumo ir širdies dorumo įeisi jų žemę paveldėti; jie yra išvaromi dėl jų pikto elgesio, kad Viešpats įvykdytų, ką su priesaika pažadėjo tavo tėvams: Abraomui, Izaokui ir Jokūbui.
5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
6Suprask, kad ne dėl tavo teisumo Viešpats, tavo Dievas, duos tau paveldėti šitą žemę, nes tu esi kietasprandė tauta.
6Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
7Atsimink ir neužmiršk, kaip sukėlei Viešpaties, savo Dievo, pyktį dykumoje. Nuo tos dienos, kai išėjai iš Egipto, iki atėjai į šią vietą, tu maištavai prieš Viešpatį.
7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo.
8Ir prie Horebo Jį įpykinai taip, kad Jis užsirūstinęs norėjo tave sunaikinti.
8Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
9Aš užlipau ant kalno paimti akmeninių plokščių, plokščių sandoros, kurią Viešpats su jumis padarė, ir pasilikau ten keturiasdešimt parų, nevalgiau duonos ir negėriau vandens.
9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
10Viešpats įteikė man dvi akmenines plokštes, ant kurių buvo Dievo pirštu įrašyti žodžiai, kuriuos Jis kalbėjo iš ugnies tautos susirinkimui.
10dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
11Praėjus keturiasdešimčiai parų, Viešpats davė man dvi akmenines sandoros plokštes
11Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
12ir tarė: ‘Eik skubiai iš čia, nes tauta, kurią išvedei iš Egipto, pasileido; jie greitai nukrypo nuo kelio, kurį jiems nurodžiau ir pasidirbdino stabą.
12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
13Matau, kad šita tauta kietasprandė;
13Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
14leisk man ją sunaikinti ir išdildyti jos vardą iš po dangaus; iš tavęs padarysiu galingesnę ir didesnę tautą kaip šita’.
14Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
15Aš leidausi žemyn nuo kalno, kuris degė ugnimi, laikydamas abiejose rankose dvi sandoros plokštes,
15Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
16ir pamačiau, kad nusidėjote Viešpačiui, savo Dievui, nusiliedinote veršį ir nuklydote nuo kelio, kurį Jis jums nurodė.
16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
17Aš trenkiau abi plokštes į žemę ir jas sudaužiau jums matant,
17Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
18puoliau ant žemės prieš Viešpatį ir, kaip pirma, keturiasdešimt parų nevalgiau duonos ir negėriau vandens dėl jūsų nuodėmių, kuriomis nusidėjote, piktai pasielgdami Viešpaties akivaizdoje ir sukeldami Jo pyktį,
18Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
19nes bijojau Jo rūstybės, kuria užsidegęs norėjo jus sunaikinti. Viešpats išklausė mane dar ir tą kartą.
19Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.
20Jis buvo labai užsirūstinęs ant Aarono ir norėjo jį nužudyti. Aš meldžiausi ir už Aaroną.
20Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany.
21Jūsų nuodėmę, veršį, kurį jūs buvote pasidarę, nutvėręs sudeginau ir, sutrupinęs į gabalėlius, visai sutrynęs į dulkes, įmečiau į upelį, tekantį nuo kalno.
21Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.
22Jūs užrūstinote Viešpatį taip pat Taberoje, Masoje ir Kibrot Taavoje.
22Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah.
23Kai Jis iš Kadeš Barnėjos jus pasiuntė, sakydamas: ‘Eikite, užimkite ir paveldėkite žemę, kurią jums daviau’, jūs paniekinote Viešpaties, savo Dievo, įsakymą, netikėjote ir nenorėjote Jo klausyti.
23Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
24Kiek jus pažįstu, visada maištavote prieš Viešpatį.
24Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
25Aš kniūbsčias meldžiau Viešpatį keturiasdešimt parų, maldavau ir prašiau nesunaikinti jūsų, kaip buvo grasinęs.
25Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy.
26Aš meldžiausi sakydamas: ‘Viešpatie Dieve! Nesunaikink paveldėjimo ir savo tautos, kurią atpirkai savo didybe ir išvedei iš Egipto galinga ranka.
26Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tananao mahery.
27Atsimink savo tarnus Abraomą, Izaoką ir Jokūbą, nežiūrėk šitos tautos užsispyrimo, piktadarysčių ir nuodėmių,
27Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
28kad krašto, iš kurio mus išvedei, gyventojai nesakytų: ‘Kadangi Viešpats negalėjo jų įvesti į pažadėtąją žemę ir kadangi Jis jų nekenčia, Jis išvedė juos pražudyti dykumoje’.
28fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
29Tačiau jie yra Tavo paveldėjimas ir Tavo tauta, kurią išvedei iš Egipto savo galia ir savo ištiesta ranka’ ”.
29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.