Lithuanian

Malagasy

Exodus

13

1Viešpats kalbėjo Mozei:
1[Ny nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2“Pašvęsk man visus pirmagimius: ar jie būtų žmonių, ar gyvulių. Jie­mano”.
2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3Mozė kalbėjo tautai: “Atsiminkite šitą dieną, kurią išėjote iš Egipto, iš vergijos namų. Savo rankos galybe Viešpats jus išvedė, todėl nevalgykite nieko rauginto.
3Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4Šiandien, Abibo mėnesį, jūs išėjote.
4Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5Kai Viešpats tave įves į kanaaniečių, hetitų, amoritų, hivų ir jebusiečių šalį, plūstančią pienu ir medumi, kurią tau duoti Jis prisiekė tavo tėvams, tu privalai švęsti tą šventę šį mėnesį.
5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao.
6Septynias dienas valgysi neraugintą duoną, septintą dieną bus šventė Viešpačiui.
6Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah.
7Neraugintą duoną privalai valgyti septynias dienas, ir nei pas tave, nei tavo gyvenamose vietose nebus raugintos duonos.
7Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
8Tą dieną tu sakysi savo sūnui: ‘Tai daroma dėl to, ką Viešpats padarė išvesdamas mane iš Egipto’.
8Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9Tai bus kaip ženklas tau ant rankos ir prisiminimas ant kaktos, kad Viešpaties įstatymas būtų tavo lūpose. Juk galinga ranka Viešpats tave išvedė iš Egipto.
9Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10Vykdyk šitą nurodymą kasmet skirtu laiku.
10Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11Kai Viešpats tave įves į kanaaniečių šalį, kaip Jis prisiekė tau ir tavo tėvams, ir ją tau atiduos,
11Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12tai kiekvieną savo pirmagimį atskirsi Viešpačiui ir kiekvieną gyvulių pirmagimį. Vyriškos lyties pirmagimiai priklauso Viešpačiui.
12dia hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
13Kiekvieną pirmagimį asilaitį privalai išpirkti ėriuku, bet jei neišpirksi, užmušk jį. Kiekvieną savo žmonių pirmagimį sūnų privalai išpirkti.
13ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia havotanao.
14Kai ateityje tavo sūnus paklaus: ‘Ką tai reiškia?’, jam atsakyk: ‘Galinga ranka Viešpats mus išvedė iš Egipto, iš vergijos namų.
14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana;
15Kai faraonas užsikietino ir nenorėjo mūsų išleisti, Viešpats nužudė visus pirmagimius Egipto šalyje, tiek žmonių, tiek gyvulių pirmagimius. Todėl aukoju Viešpačiui kiekvieną pirmagimį vyriškos lyties, o kiekvieną pirmagimį savo vaikų išperku’.
15ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako.
16Tai bus kaip ženklas ant tavo rankos ir prisiminimas ant tavo kaktos, nes savo galinga ranka Viešpats mus išvedė iš Egipto”.
16Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
17Kai faraonas išleido žmones, Dievas jų nevedė filistinų šalies keliu, nors tai būtų buvę arčiausia. Nes Dievas sakė: “Kad išvydę karą žmonės nepradėtų gailėtis ir nesugrįžtų į Egiptą”.
17[Ny lalana nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena] Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
18Dievas vedė tautą aplinkiniu dykumų keliu, Raudonosios jūros link. Izraelitai išėjo iš Egipto apsiginklavę.
18Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.
19Mozė paėmė su savimi Juozapo kaulus, nes jis buvo prisaikdinęs izraelitus, sakydamas: “Dievas tikrai jus aplankys, ir jūs išnešite iš čia mano kaulus”.
19Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20Jie keliavo iš Sukoto ir pasistatė stovyklą Etame, dykumos pakraštyje.
20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
21Viešpats ėjo pirma jų dieną debesies stulpe, rodydamas kelią, o naktį ugnies stulpe, šviesdamas jiems, kad jie galėtų keliauti dieną ir naktį.
21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
22Jis nepatraukė nuo jų debesies stulpo dieną nė ugnies stulpo naktį.
22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.