Lithuanian

Malagasy

Exodus

23

1“Nepatikėk melagingu skundu ir neprisidėk prie piktadario neteisingai liudyti.
1Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
2Nesek paskui minią daryti pikta ir neprisidėk teisme prie daugumos iškreipti teisingumo.
2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3Nepataikauk beturčiui jo byloje.
3Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao.
4Jei sutinki beklaidžiojantį savo priešo jautį ar asilą, privalai jį nuvesti jam.
4Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
5Jei matai tavęs nekenčiančio žmogaus asilą, parkritusį po našta, nepraeik, bet padėk jį pakelti.
5Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
6Neiškraipyk teisingumo beturčio byloje.
6Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
7Šalinkis neteisybės, nekalto bei teisaus nežudyk, nes Aš neišteisinsiu piktadario.
7Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
8Kyšių nepriimk, nes kyšiai apakina net išmintinguosius ir iškraipo teisiųjų žodžius.
8Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina.
9Neskriausk ateivio. Jūs žinote, kaip jaučiasi ateivis, nes buvote ateiviai Egipto šalyje.
9Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
10Šešerius metus sėsi savo žemėje ir surinksi jos vaisius,
10Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11o septintaisiais metais leisi jai pailsėti, paliksi ją neapsėtą, kad tavo tautos beturčiai iš jos maitintųsi, ir tai, ką jie paliks, ėstų laukiniai žvėrys. Taip pat pasielgsi su savo vynuogynu ir alyvmedžiais.
11fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao.
12Šešias dienas dirbk savo darbą, o septintąją dieną ilsėkis, kad pailsėtų tavo jautis bei asilas ir atsikvėptų vergės sūnus bei ateivis.
12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan'ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
13Laikykitės viso, ką jums įsakiau. Neminėkite kitų dievų vardo, tenesigirdi to iš jūsų lūpų.
13Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany.
14Tris kartus per metus švęsi man šventes.
14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15Švęsk Neraugintos duonos šventę. Septynias dienas valgyk neraugintą duoną, kaip įsakiau nustatytu laiku, Abibo mėnesį, nes jį išėjai iš Egipto. Nepasirodyk mano akyse tuščiomis rankomis.
15Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
16Švęsk Pirmųjų vaisių derliaus šventę ir metų pabaigoje, kai nuimsi laukų derlių, Derliaus nuėmimo šventę.
16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17Tris sykius per metus kiekvienas vyras tepasirodo Viešpaties akivaizdoje.
17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.
18Neaukok mano aukos kraujo drauge su rauginta duona ir nelaikyk iki ryto mano aukos riebalų.
18Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.
19Pirmuosius savo dirvos vaisius atgabenk į Viešpaties, tavo Dievo, namus. Nevirk ožiuko jo motinos piene.
19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
20Aš siunčiu angelą pirma tavęs, kad saugotų tave kelyje ir nuvestų į vietą, kurią tau paruošiau.
20[Ny niantohan'Andriamanitra hiaro ny Zanak'Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara ao amin'ny tany Kanana] Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
21Saugokis jo ir klausyk jo balso, nesipriešink jam, nes jis neatleis jūsų nusižengimų, kadangi jame yra mano vardas.
21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
22Bet jei tu iš tiesų paklusi jo balsui ir vykdysi visa, ką kalbu, tai Aš būsiu priešas tavo priešams ir prispaudėjas tavo prispaudėjams.
22Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.
23Mano angelas eis pirma tavęs ir tave nuves pas amoritus, hetitus, perizus, kanaaniečius, hivus ir jebusiečius, ir Aš juos sunaikinsiu.
23Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
24Nesilenk prieš jų dievus ir netarnauk jiems. Nesielk, kaip jie elgiasi, bet visiškai sunaikink juos ir sudaužyk jų atvaizdus.
24Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
25Jūs tarnausite Viešpačiui, savo Dievui, ir Jis laimins tavo duoną bei vandenį; ir Aš pašalinsiu jų ligas.
25Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
26Nebus nelaiku gimdančios ir nevaisingos tavo šalyje, ir išpildysiu tavo dienų skaičių.
26Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.
27Sukelsiu baimę tarp tavo priešų ir sąmyšį tautoje, su kuria kariausi, ir priversiu visus tavo priešus bėgti.
27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
28Aš siųsiu pirma tavęs širšes, kad jos nuvytų nuo tavęs hivus, kanaaniečius ir hetitus.
28Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
29Aš nenuvarysiu jų nuo tavo veido per vienerius metus, kad žemė netaptų dykuma ir nepadaugėtų laukinių žvėrių.
29Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
30Pamažu juos išvarysiu iš krašto, kol tu išsiplėsi ir užvaldysi žemę.
30Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31Aš nustatysiu tavo krašto ribas nuo Raudonosios jūros iki filistinų jūros ir nuo dykumos iki upės. Atiduosiu tos šalies gyventojus į tavo rankas, ir tu juos išvarysi iš krašto.
31Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
32Nedaryk sandoros nei su jais, nei su jų dievais.
32Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
33Jie neturi gyventi tavo šalyje, kad tavęs nesugundytų nusidėti prieš mane. Jei tarnausi jų dievams, tai taps tau spąstais”.
33Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,