1Viešpats atsakė Mozei:“Tu matysi, ką Aš padarysiu faraonui. Stiprios rankos priverstas, jis išleis juos; stiprios rankos priverstas, jis išvarys juos iš savo šalies”.
1Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny.
2Dievas kalbėjo Mozei: “Aš esu Viešpats.
2[Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3Aš pasirodžiau Abraomui, Izaokui ir Jokūbui kaip Dievas Visagalis, tačiau savo vardu Viešpats jiems neapsireiškiau.
3ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4Aš įtvirtinau su jais sandorą, norėdamas jiems duoti Kanaano šalį, kurioje jie buvo ateiviai.
4Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
5Ir Aš išgirdau Izraelio vaikų, kuriuos yra pavergę egiptiečiai, vaitojimą, ir atsiminiau savo sandorą.
5Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
6Todėl sakyk izraelitams, kad Aš esu Viešpats; Aš jus išvesiu iš egiptiečių priespaudos, išlaisvinsiu iš vergystės ir išgelbėsiu jus savo ištiesta ranka ir dideliais teismais.
6Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
7Aš jus priimsiu, kad būtumėte mano tauta, ir Aš būsiu jūsų Dievas, kad žinotumėte, jog esu Viešpats, jūsų Dievas, kuris jus išvedė iš egiptiečių vergijos.
7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.
8Aš nuvesiu jus į šalį, kurią pažadėjau duoti Abraomui, Izaokui ir Jokūbui; ją duosiu jums paveldėti, nes Aš esu Viešpats!”
8Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9Mozė taip kalbėjo izraelitams, bet jie neklausė jo dėl dvasios suspaudimo ir žiaurios vergystės.
9Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
10Viešpats kalbėjo Mozei:
10Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11“Eik, sakyk Egipto faraonui, kad jis išleistų izraelitus iš savo šalies!”
11Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.
12Mozė atsakė Viešpačiui: “Izraelitai manęs neklauso, tai kaipgi manęs klausys faraonas? Mano lūpos neapipjaustytos”.
12Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
13Ir Viešpats kalbėjo Mozei ir Aaronui, ir davė jiems įsakymą Izraelio vaikams ir faraonui, Egipto karaliui, kad išvestų Izraelio vaikus iš Egipto šalies.
13Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.
14Šitie yra vyresnieji savo tėvų namuose. Izraelio pirmagimio Rubeno sūnūs: Henochas, Paluvas, Hecronas ir Karmis. Tai yra Rubeno giminės šeimos.
14[Ny firazanan'i Mosesy sy Arona] Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.
15Simeono sūnūs: Jemuelis, Jaminas, Ohadas, Jachinas, Coharas ir kanaanietės sūnus Saulius. Tai yra Simeono giminės šeimos.
15Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.
16Šitie yra Levio sūnų vardai: Geršonas, Kehatas ir Meraris. Levis gyveno šimtą trisdešimt septynerius metus.
16Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
17Geršono sūnūs: Libnis ir Šimis.
17Ny zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
18Kehato sūnūs: Amramas, Iccharas, Hebronas ir Uzielis. Kehatas gyveno šimtą trisdešimt trejus metus.
18Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
19Merario sūnūs: Machlis ir Mušis. Tai yra Levio giminė pagal savo šeimas.
19Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany.
20Amramas vedė savo tetą Jochebedą. Ji pagimdė Aaroną ir Mozę. Amramas gyveno šimtą trisdešimt septynerius metus.
20Ary Amrama naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.
21Iccharo sūnūs: Korachas, Nefegas ir Zichris.
21Ary ny zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
22Uzielio sūnūs: Mišaelis, Elicafanas ir Sitris.
22Ary ny zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
23Aaronas vedė Elišebą, Aminadabo dukterį, Naasono seserį. Ji pagimdė Nadabą, Abihuvą, Eleazarą ir Itamarą.
23Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
24Koracho sūnūs: Asiras, Elkana ir Abiasafas. Tai yra korachų šeimos.
24Ary ny zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny Korana.
25Aarono sūnus Eleazaras vedė vieną iš Putielio dukterų. Ji pagimdė Finehasą. Šitie yra Levio giminės šeimų vyresnieji.
25Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
26Aaronas ir Mozė yra tie, kuriems Viešpats įsakė išvesti izraelitus iš Egipto šalies.
26Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
27Jie yra tie, kurie kalbėjo faraonui, Egipto karaliui, kad išvestų izraelitus iš Egipto.
27Ireo no niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
28Viešpats kalbėjo Mozei Egipto šalyje,
28[Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy sy Arona hihaona amin'i Farao indray, sy ny famantarana nataon'izy roa lahy teo anatrehany] Ary tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo amin'ny tany Egypta,
29sakydamas: “Aš esu Viešpats! Pasakyk faraonui, Egipto karaliui, visa, ką tau kalbu”.
29dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy!
30Bet Mozė sakė Viešpaties akivaizdoje: “Aš esu neapipjaustytomis lūpomis, kaip manęs klausys faraonas?”
30Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy!