Lithuanian

Malagasy

Genesis

1

1Pradžioje Dievas sutvėrė dangų ir žemę.
1[Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2Žemė buvo be pavidalo ir tuščia, tamsa gaubė gelmes, ir Dievo Dvasia sklandė virš vandenų.
2Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
3Dievas tarė: “Teatsiranda šviesa!” Ir atsirado šviesa.
3Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4Dievas matė šviesą ir, kad tai buvo gerai, ir Dievas atskyrė šviesą nuo tamsos.
4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5Dievas pavadino šviesą diena, o tamsą naktimi. Tai buvo vakaras ir rytas­ pirmoji diena.
5Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
6Dievas tarė: “Teatsiranda tvirtuma tarp vandenų, ir ji teatskiria vandenis nuo vandenų!”
6Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
7Dievas padarė tvirtumą ir atskyrė vandenis, kurie buvo po tvirtuma, nuo vandenų, kurie buvo virš tvirtumos. Ir taip įvyko.
7Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
8Dievas pavadino tvirtumą dangumi. Tai buvo vakaras ir rytas­antroji diena.
8Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
9Dievas tarė: “Tesusirenka vandenys, kurie yra po dangumi, į vieną vietą ir tepasirodo sausuma!” Ir taip įvyko.
9Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10Dievas pavadino sausumą žeme, o vandenų samplūdį­jūromis. Ir Dievas matė, kad tai buvo gerai.
10Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
11Dievas tarė: “Tegul žemė išaugina žolę, augalus, duodančius sėklą, ir vaismedžius, nešančius vaisių pagal jų rūšį, kuriuose yra jų sėkla!” Ir taip įvyko.
11Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
12Žemė išaugino žolę, augalus, duodančius sėklą pagal jų rūšį, ir medžius, nešančius vaisius pagal jų rūšį, kuriuose yra jų sėkla. Ir Dievas matė, kad tai buvo gerai.
12Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
13Tai buvo vakaras ir rytas­ trečioji diena.
13Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
14Dievas tarė: “Teatsiranda šviesos dangaus tvirtumoje dienai nuo nakties atskirti ir tebūna jos ženklai pažymėti laikus, dienas ir metus.
14Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
15Jos težiba dangaus tvirtumoje ir apšviečia žemę!” Ir taip įvyko.
15Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
16Dievas padarė dvi dideles šviesas: didesniąją­ dienai ir mažesniąją nakčiai valdyti, ir taip pat žvaigždes.
16Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17Dievas išdėstė jas dangaus tvirtumoje, kad šviestų žemei,
17Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
18valdytų dieną bei naktį ir atskirtų šviesą nuo tamsos. Ir Dievas matė, kad tai buvo gerai.
18sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
19Tai buvo vakaras ir rytas­ ketvirtoji diena.
19Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
20Dievas tarė: “Tegul vandenys knibždėte knibžda gyvūnais ir paukščiai teskraido virš žemės, padangėse!”
20Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
21Taip Dievas sutvėrė didelius jūros gyvūnus ir visus kitus gyvius, kurie atsirado iš vandens, ir visus paukščius pagal jų rūšį. Ir Dievas matė, kad tai buvo gerai.
21Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
22Dievas juos palaimino, tardamas: “Būkite vaisingi, dauginkitės ir pripildykite vandenis jūrose, o paukščiai tepripildo žemę!”
22Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
23Tai buvo vakaras ir rytas­ penktoji diena.
23Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
24Dievas tarė: “Tegul žemė išaugina gyvūnus pagal jų rūšį: gyvulius, roplius ir laukinius žvėris, kiekvieną pagal savo rūšį!” Ir taip įvyko.
24Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25Dievas padarė laukinius žvėris, gyvulius ir visokius roplius, kiekvieną pagal jų rūšį. Ir Dievas matė, kad tai buvo gerai.
25Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
26Dievas tarė: “Padarykime žmogų pagal mūsų atvaizdą ir panašumą. Jie tevaldo jūros žuvis, padangių paukščius, gyvulius ir visą žemę bei visus roplius, kurie gyvena ant žemės!”
26Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27Ir Dievas sutvėrė žmogų pagal savo atvaizdą; pagal Dievo atvaizdą sutvėrė Jis jį; vyrą ir moterį sutvėrė Jis.
27Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28Dievas juos palaimino ir tarė: “Būkite vaisingi ir dauginkitės, pripildykite žemę ir užvaldykite ją, viešpataukite jūros žuvims, padangių paukščiams ir kiekvienam gyvam padarui, kuris kruta ant žemės!”
28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29Dievas tarė: “Aš jums daviau įvairias žoles, turinčias sėklą, kurios auga žemės paviršiuje, ir visus medžius, kurių vaisius turi sėklą; jums tebūna tai maistas.
29Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30Ir visiems žemės gyvūnams, visiems padangių paukščiams ir visiems, kas kruta ant žemės, kas turi gyvybę, daviau visus žaliuojančius augalus maistui”. Ir taip įvyko.
30Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
31Dievas matė visa, ką buvo padaręs, ir tai buvo labai gerai. Buvo vakaras ir rytas­ šeštoji diena.
31Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.