Lithuanian

Malagasy

Genesis

12

1Viešpats tarė Abromui: “Palik savo šalį, gimines, tėvų namus ir eik į kraštą, kurį tau parodysiu.
1[Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2Aš padarysiu tave didele tauta, tave laiminsiu ir padarysiu tavo vardą garsų; ir tu būsi palaiminimu.
2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
3Aš laiminsiu tuos, kurie tave laimina, ir prakeiksiu tuos, kurie tave keikia, ir tavyje bus palaimintos visos žemės giminės”.
3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
4Abromas iškeliavo, kaip Viešpats jam pasakė. Su juo drauge išėjo Lotas. Abromas buvo septyniasdešimt penkerių metų, kai jis išėjo iš Charano.
4Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5Abromas paėmė savo žmoną Sarają, brolio sūnų Lotą, visą turtą, kurį jie turėjo, žmones, kuriuos buvo įsigijęs Charane, ir išėjo į Kanaano šalį. Atėjęs į tą kraštą,
5Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6Abromas pasiekė Sichemo vietovę, Morės slėnį. Tuo laiku toje šalyje gyveno kanaaniečiai.
6Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7Ten Viešpats pasirodė Abromui ir tarė: “Tavo palikuonims duosiu šitą šalį”. Jis ten pastatė aukurą Viešpačiui, kuris jam pasirodė.
7Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8Iš ten jis keliavo į rytus nuo Betelio ir pasistatė palapinę. Betelis buvo vakaruose, Ajas­rytuose. Ten jis pastatė aukurą Viešpačiui ir šaukėsi Viešpaties vardo.
8Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9Abromas keliavo vis toliau į pietus.
9Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10Kilus badui toje šalyje, Abromas nuvyko pagyventi į Egiptą, nes šalyje buvo didelis badas.
10Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
11Jiems priartėjus prie Egipto, jis tarė savo žmonai Sarajai: “Aš žinau, kad tu esi graži moteris
11Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
12ir tave pamatę egiptiečiai sakys: ‘Ši yra jo žmona’. Tada jie užmuš mane, o tave pasilaikys.
12ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13Sakyk tad, jog esi mano sesuo, kad man gerai būtų dėl tavęs ir išlikčiau gyvas tavo dėka”.
13Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
14Atsitiko, kad, kai tik Abromas įėjo į Egiptą, egiptiečiai pastebėjo, jog moteris labai graži.
14Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
15Ją pamatę, faraono kunigaikščiai kalbėjo apie jos grožį faraonui. Moteris tuojau buvo paimta į faraono namus,
15Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
16o su Abromu jis gerai elgėsi dėl jos: jis turėjo avių, galvijų, asilų, tarnų, tarnaičių, asilių ir kupranugarių.
16Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17Viešpats baudė faraoną ir jo namus dėl Sarajos, Abromo žmonos.
17Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18Faraonas tada pasišaukė Abromą ir tarė: “Ką tu man padarei? Kodėl man nesakei, kad ji tavo žmona?
18Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19Kodėl sakei, kad ji tavo sesuo? Aš norėjau paimti ją sau už žmoną. Taigi štai tavo žmona, imk ją ir keliauk savo keliais”.
19Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
20Faraonas įsakė savo žmonėms palydėti jį, jo žmoną ir visa, ką jis turėjo.
20Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.