1Kai Abromas buvo devyniasdešimt devynerių metų amžiaus, Viešpats pasirodė Abromui ir tarė: “Aš esu Dievas Visagalis, vaikščiok mano akivaizdoje ir būk tobulas.
1[Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2Aš sudarysiu sandorą su tavimi ir labai padauginsiu tavo palikuonis”.
2Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3Abromas puolė kniūbsčias, o Dievas kalbėjo:
3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
4“Štai manoji sandora su tavimi: tu tapsi daugelio tautų tėvu,
4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
5todėl nebesivadinsi Abromu, bet tavo vardas bus Abraomas, nes Aš tave padariau daugelio tautų tėvu.
5Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
6Ir padarysiu tave nepaprastai vaisingą. Iš tavęs kils tautos ir karaliai.
6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
7Aš patvirtinsiu sandorą tarp savęs ir tavęs bei tavo palikuonių kaip amžiną sandorą, kad būčiau Dievas tau ir tavo palikuonims po tavęs.
7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8Aš duosiu tau ir tavo palikuonims žemę, kurioje dabar esi ateivis, visą Kanaano žemę amžinai nuosavybei ir būsiu jiems Dievas”.
8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
9Toliau Dievas sakė Abraomui: “Laikyk mano sandorą tu ir tavo palikuonys po tavęs per kartų kartas.
9Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
10Šita yra mano sandora, kurios jūs privalote laikytis. Kiekvienas vyras tarp jūsų bus apipjaustytas!
10Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11Jūs apipjaustysite savo kūną, ir tai bus tarp manęs ir jūsų esančios sandoros ženklas.
11Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
12Kiekvienas berniukas aštuonių dienų tarp jūsų bus apipjaustytas: gimęs namuose ar iš svetimšalio nupirktas, kuris nėra iš tavo palikuonių.
12Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
13Kas gimsta tavo namuose ir ką nusiperki už savo pinigus, tas turi būti apipjaustytas. Ir mano sandora jūsų kūne bus amžina sandora.
13Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14O neapipjaustytas vyras bus išnaikintas iš savo tautos, nes jis sulaužė mano sandorą”.
14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
15Dievas toliau sakė Abraomui: “Savo žmonos Sarajos nebevadink Saraja, bet Sara bus jos vardas.
15Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
16Aš ją palaiminsiu ir tau duosiu iš jos sūnų. Aš ją taip laiminsiu, kad iš jos kils tautos ir tautų karaliai”.
16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
17Tada Abraomas puolė veidu į žemę, juokėsi ir sakė savo širdyje: “Ar šimtamečiui begali kas gimti ir ar Sara, sulaukusi devyniasdešimties metų amžiaus, begali gimdyti?”
17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
18Abraomas tarė Dievui: “Kad nors Izmaelis gyventų Tavo akivaizdoje!”
18Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
19Bet Dievas atsakė: “Tikrai tavo žmona Sara pagimdys tau sūnų ir tu jį pavadinsi Izaoku! Aš sudarysiu su juo amžiną sandorą ir su jo palikuonimis.
19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
20Ir dėl Izmaelio Aš išklausiau tave! Aš jį palaiminau ir padarysiu jį vaisingą, ir nepaprastai padauginsiu: jis bus dvylikos kunigaikščių tėvas, ir padarysiu iš jo didelę tautą.
20Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
21Tačiau savo sandorą sudarysiu su Izaoku, kurį Sara pagimdys tau šiuo laiku kitais metais”.
21Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
22Baigęs kalbėti su juo, Dievas pasišalino.
22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
23Tada Abraomas ėmė savo sūnų Izmaelį ir visus vyrus, jo namuose gimusius ir už pinigus įsigytus, ir apipjaustė jų kūnus tą pačią dieną, kaip Dievas jam buvo sakęs.
23Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
24Abraomas buvo apipjaustytas devyniasdešimt devynerių metų,
24Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25o jo sūnus Izmaelistrylikos metų.
25Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26Tą pačią dieną buvo apipjaustytas Abraomas ir jo sūnus Izmaelis.
26Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
27Ir visi jo namų vyrai, gimusieji jo namuose ir už pinigus įsigytieji, buvo apipjaustyti kartu su juo.
27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.