Lithuanian

Malagasy

Genesis

19

1Kai du angelai vakare atė jo į Sodomą, Lotas sėdėjo Sodomos vartuose. Lotas, pamatęs juos, atsikėlė jų pasitikti ir nusilenkė iki žemės.
1[Ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an'i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2Jis tarė: “Mano viešpačiai, prašau, užsukite į savo tarno namus, pernakvokite ir nusiplaukite kojas. Anksti atsikėlę, galėsite eiti savo keliu”. Bet jie atsakė: “Ne, mes nakvosime gatvėje”.
2Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin'izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
3Jis taip maldavo juos, kad jie užsuko pas jį ir įėjo į jo namus. Jis paruošė jiems vaišes, iškepė neraugintos duonos, ir jie valgė.
3Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
4Jiems dar neatsigulus, visi Sodomos miesto vyrai, jauni ir seni, iš visų miesto dalių apsupo namus.
4Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
5Jie pašaukė Lotą ir tarė: “Kur yra tie vyrai, kurie šįvakar atėjo pas tave? Išvesk juos laukan, kad mes juos pažintume”.
5dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6Lotas išėjo pas juos į prieangį ir, užrakinęs duris,
6Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7tarė: “Mano broliai, prašau, nesielkite taip piktai!
7ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8Aš turiu dvi dukteris, kurios dar nepažino vyro. Leiskite man jas išvesti pas jus ir darykite su jomis, kaip jums patinka. Tik tiems vyrams nieko nedarykite, nes jie atėjo po mano stogu”.
8Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
9Bet jie tarė: “Šalin! Jis čia atvyko, kad gyventų kaip ateivis, o nori teisėju būti! Dabar mes pasielgsime su tavimi pikčiau negu su jais”. Jie smarkiai veržėsi prie Loto, norėdami išlaužti duris.
9Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
10Tačiau vyrai savo rankomis įtempė Lotą į namą ir užrakino duris.
10Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
11O tuos, kurie buvo prie namo durų, jie apakino, mažus ir didelius, kad jie nebesurastų durų.
11Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
12Lotui juodu tarė: “Ar turi čia ką nors iš savųjų: žentus, sūnus, dukteris? Išvesk juos iš šios vietos!
12Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
13Mes sunaikinsime šitą vietą, kadangi jų garsus šauksmas pasiekė Viešpatį ir Jis mus siuntė ją sunaikinti”.
13fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
14Lotas išėjęs kalbėjo žentams, kurie buvo vedę jo dukteris: “Išeikite iš šios vietos, nes Viešpats sunaikins miestą”. Bet žentams atrodė, kad jis juokauja.
14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
15Išaušus angelai ragino Lotą, sakydami: “Imk žmoną ir abi dukteris, kurios čia yra, kad nebūtumėte sunaikinti dėl miesto kaltės”.
15Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
16Kadangi jis delsė, tai tie vyrai nutvėrė jį už rankos, jo žmoną ir abi dukteris, nes Viešpats jų pasigailėjo, ir išvedę paleido už miesto ribų.
16Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
17Išvedę juos, tarė: “Gelbėk savo gyvybę! Nežiūrėk atgal ir nesustok kur nors apylinkėje! Bėk į kalną, kad nežūtum!”
17Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18Lotas jiems atsakė: “O ne, mano Viešpatie!
18Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
19Aš, Tavo tarnas, radau malonę Tavo akyse, ir man parodei didelį gailestingumą, išgelbėdamas mano gyvybę. Negaliu bėgti į kalną, kad kas bloga nenutiktų ir nenumirčiau.
19indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20Štai arti yra miestas. Leisk man į jį bėgti­jis yra mažas, ir aš jame išsigelbėsiu”.
20indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21Jis tarė jam: “Štai išklausiau tave ir dėl šito. Aš nesunaikinsiu miesto, apie kurį kalbėjai.
21Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
22Skubėk, gelbėkis tenai. Nes Aš nieko negaliu daryti, kol nuvyksi ten”. Todėl tą miestą pavadino Coaru.
22Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
23Saulei tekant, Lotas įėjo į Coarą.
23Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
24Tuomet Viešpats siuntė ant Sodomos ir Gomoros sieros ir ugnies lietų.
24Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
25Jis sunaikino tuos miestus, visą apylinkę, visus miesto gyventojus ir augalus.
25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
26Bet Loto žmona pažvelgė atgal ir pavirto druskos stulpu.
26Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27Anksti rytą Abraomas atėjo į tą vietą, kur jis stovėjo Viešpaties akivaizdoje,
27Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
28ir pažvelgė Sodomos ir Gomoros link ir į visą jų apylinkę; jis matė kylančius nuo žemės dūmus kaip iš krosnies.
28ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29Dievas, sunaikindamas tos apylinkės miestus, atsiminė Abraomą ir išvedė Lotą iš pražūties, kai sugriovė miestus, kuriuose Lotas gyveno.
29Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
30Lotas ir jo abi dukterys išėjo iš Coaro ir apsigyveno kalne, nes jis bijojo gyventi Coare. Jie apsigyveno oloje, jis ir abi jo dukterys.
30[Ny niandohan'ny firenen'i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31Tada vyresnioji tarė jaunesniajai: “Mūsų tėvas senas, ir žemėje nebeliko vyro, kuris galėtų įeiti pas mus, kaip priimta visoje žemėje.
31Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
32Eime, nugirdysime vynu savo tėvą ir atsigulsime prie jo, kad iš tėvo susilauktume palikuonių!”
32andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
33Jos tą naktį nugirdė vynu savo tėvą. Po to vyresnioji įėjo ir gulėjo su savo tėvu, o tas nepajuto, kada ji atsigulė nė kada atsikėlė.
33Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
34Kitą dieną vyresnioji tarė jaunesniajai: “Aš praėjusią naktį gulėjau su savo tėvu. Nugirdykime jį vynu ir šiąnakt. Po to eik, atsigulk prie jo, kad iš savo tėvo susilauktum palikuonio!”
34Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
35Taigi jos ir kitą naktį nugirdė vynu tėvą. Paskui jaunesnioji įėjo ir gulėjo su juo, o jis nepajuto, kada ji atsigulė nė kada atsikėlė.
35Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
36Taip abi Loto dukterys pastojo nuo savo tėvo.
36Dia samy nanan'anaka tamin-drainao ny zanak'i Lota roa vavy.
37Vyresnioji pagimdė sūnų ir jį pavadino Moabu. Jis yra ligi šiol tebegyvenančių moabitų tėvas.
37Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka androany.Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.
38Jaunesnioji pagimdė sūnų ir jį pavadino Amonu. Jis yra ligi šiol tebegyvenančių amonitų tėvas.
38Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany.