1Jokūbas keliaudamas atėjo į rytų šalį.
1[Ny nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.
2Jis pamatė šulinį ir prie jo sugulusias tris avių bandas; iš to šulinio girdydavo bandas. Ant šulinio angos buvo užristas didelis akmuo.
2Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.
3Suvarius visas bandas, atrisdavo tą akmenį nuo šulinio angos ir pagirdydavo avis, po to vėl užrisdavo tą akmenį.
3Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
4Jokūbas klausė: “Broliai, iš kur jūs esate?” Tie atsakė: “Iš Charano”.
4Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
5Jis vėl klausė: “Ar pažįstate Labaną, Nahoro sūnų?” Jie atsakė: “Pažįstame”.
5Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
6Jis klausė: “Kaip jam sekasi?” Tie atsakė: “Gerai. Štai jo duktė Rachelė ateina su avimis!”
6Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
7Jokūbas tarė: “Dar anksti, ne laikas suvaryti gyvulius. Pagirdykite avis ir ganykite!”
7Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8Bet jie atsakė: “Negalime, kol suvarys visas bandas ir nuris tą akmenį nuo šulinio angos. Tik tada pagirdysime avis”.
8Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9Jam bekalbant su jais, Rachelė atėjo su savo tėvo avimis, kurias ji ganė.
9Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
10Jokūbas, pamatęs Rachelę, savo dėdės Labano dukterį, ir savo dėdės Labano avis, priėjęs nurito akmenį nuo šulinio angos ir pagirdė savo motinos brolio Labano avis.
10Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.
11Po to Jokūbas pabučiavo Rachelę ir balsu pravirko.
11Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
12Jokūbas pasisakė jai esąs jos tėvo brolis, Rebekos sūnus. Ta nubėgusi pranešė tėvui.
12Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
13Labanas, išgirdęs žinią apie savo sesers sūnų Jokūbą, atbėgo jo pasitikti; jį apkabinęs ir pabučiavęs, nusivedė į savo namus, o tas viską išsipasakojo Labanui.
13Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.
14Labanas jam tarė: “Tikrai tu esi mano kūnas ir mano kaulas!” Jis gyveno pas jį visą mėnesį.
14Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
15Ir Labanas tarė Jokūbui: “Ar dėl to, kad esi mano brolis, turėtum man veltui tarnauti? Pasakyk, kuo tau atlyginti?”
15dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.
16Labanas turėjo dvi dukteris: vyresnioji vardu Lėja, o jaunesniojiRachelė.
16Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.
17Lėjos akys buvo silpnos, o Rachelė buvo gražaus veido ir dailios išvaizdos.
17Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
18Jokūbas pamilo Rachelę ir pasakė: “Aš tau tarnausiu septynerius metus už jaunesniąją dukterį Rachelę”.
18Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
19Labanas atsakė: “Mieliau aš ją duosiu tau negu kitam. Lik pas mane!”
19Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
20Jokūbas tarnavo už Rachelę septynerius metus. Kadangi jis mylėjo ją, jam tas laikas atrodė kaip kelios dienos.
20Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
21Po to Jokūbas tarė Labanui: “Duok man mano žmoną, nes atėjo laikas, kad pas ją įeičiau!”
21Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.
22Labanas sukvietė visus tos vietovės žmones ir iškėlė puotą.
22Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
23Vakare jis įvedė savo dukterį Lėją pas jį, ir jis įėjo pas ją.
23Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
24Labanas davė Lėjai savo tarnaitę Zilpą.
24Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
25Rytui išaušus, pasirodė, kad tai buvo Lėja. Tada jis tarė Labanui: “Ką man padarei! Ar ne už Rachelę tarnavau? Kam tad mane apgavai?”
25Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
26Labanas atsakė: “Mūsų krašte taip nedaro, kad išleistų jaunesniąją anksčiau už vyresniąją.
26Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.
27Pabaik šią savaitę, po to duosiu tau Rachelę, už kurią tarnausi dar kitus septynerius metus!”
27Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
28Jokūbas sutiko ir pabaigė tą savaitę. Tada Labanas davė jam savo dukterį Rachelę už žmoną.
28Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
29Labanas davė savo dukteriai Rachelei tarnaitę Bilhą.
29Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
30Jis įėjo ir pas Rachelę ir mylėjo ją labiau už Lėją; ir tarnavo dar kitus septynerius metus.
30Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.
31Viešpats matydamas, kad Jokūbas Lėjos nemylėjo, padarė ją vaisingą, o Rachelęnevaisingą.
31Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
32Lėja pastojo ir pagimdė sūnų, kurį pavadino Rubenu, nes ji sakė: “Viešpats atsižvelgė į mano sielvartą; dabar mane mylės mano vyras”.
32Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.
33Ji pagimdė kitą sūnų ir tarė: “Kadangi Viešpats išgirdo, kad manęs nemyli, Jis davė man dar ir šitą”. Ji pavadino jį Simeonu.
33Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
34Po to ji vėl pagimdė sūnų ir tarė: “Dabar mano vyras prisiriš prie manęs, nes aš jam pagimdžiau tris sūnus”. Todėl ji pavadino jį Leviu.
34Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
35Ji vėl pastojo ir pagimdė sūnų, ir tarė: “Dabar šlovinsiu Viešpatį”. Todėl ji pavadino jį Judu. Po to ji liovėsi gimdžiusi.
35Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.