Lithuanian

Malagasy

Genesis

4

1Ir Adomas pažino savo žmoną Ievą, ir ji tapo nėščia. Ji pagimdė Kainą ir tarė: “Įsigijau sūnų Viešpaties pagalba”.
1[Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2Ji dar pagimdė jo brolį Abelį. Abelis buvo avių piemuo, o Kainas­žemdirbys.
2Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
3Kuriam laikui praėjus, Kainas aukojo Viešpačiui iš žemės vaisių.
3Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4Taip pat ir Abelis aukojo iš savo bandos riebiausių pirmagimių. Viešpats pažvelgė į Abelį ir jo auką,
4fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;
5tačiau į Kainą ir jo auką Jis nepažvelgė. Todėl Kainas labai supyko, ir jo veidas paniuro.
5fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
6Viešpats tarė Kainui: “Kodėl tu supykai ir tavo veidas paniuro?
6Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7Darydamas gera, argi nebūsi priimtas? O jei gera nedarai, nuodėmė tyko prie durų. Ji traukia tave, tačiau tu turi viešpatauti jai”.
7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
8Kainas kalbėjo savo broliui Abeliui. Jiems esant laukuose, Kainas užpuolė savo brolį Abelį ir jį užmušė.
8Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9Tada Viešpats paklausė Kaino: “Kur yra tavo brolis Abelis?” O jis atsakė: “Nežinau. Argi aš esu savo brolio sargas?”
9Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10Tada Viešpats tarė: “Ką padarei? Tavo brolio kraujas šaukiasi manęs nuo žemės.
10Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11Taigi dabar esi prakeiktas ant žemės, kuri atsivėrė ir priėmė iš tavo rankos tavo brolio kraują.
11Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12Kai tu ją dirbsi, ji nebeduos tau derliaus. Tu būsi klajūnas ir benamis žemėje”.
12Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
13Tada Kainas tarė Viešpačiui: “Mano bausmė yra per didelė, kad galėčiau ją pakelti.
13Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14Tu šiandien mane išvarai iš žemės. Aš turėsiu slėptis nuo Tavęs ir būsiu klajūnas ir benamis žemėje. Kas mane sutiks, užmuš”.
14Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
15Viešpats jam atsakė: “Kas užmuš Kainą, tam septyneriopai bus atkeršyta!” Viešpats paženklino Kainą žyme, kad nė vienas, sutikęs jį, jo nenužudytų.
15Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
16Kainas pasitraukė iš Viešpaties akivaizdos ir apsigyveno Nodo šalyje, į rytus nuo Edeno.
16Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
17Kainas pažino savo žmoną, ji pastojo ir pagimdė Henochą. Kainas pastatė miestą ir tą miestą pavadino savo sūnaus vardu­Henochas.
17[Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
18Henocho sūnus buvo Iradas, Irado sūnus­Mehujaelis, Mehujaelio­Metušaelis, Metušaelio­ Lamechas.
18Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
19Lamechas vedė dvi žmonas. Pirmosios vardas buvo Ada, antrosios­Cila.
19Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
20Ada pagimdė Jabalą; jis buvo tėvas tų, kurie gyvena palapinėse ir laiko gyvulius.
20Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
21Jo brolis, vardu Jubalas, buvo arfininkų ir vamzdininkų tėvas.
21Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
22Cila pagimdė Tubal Kainą, kuris gamino visokius įrankius iš vario ir geležies. Tubal Kaino sesuo buvo Naama.
22Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
23Lamechas tarė savo žmonoms: “Ada ir Cila, klausykite! Jūs, Lamecho žmonos, įsidėmėkite, ką sakau: aš užmušiau vyrą už man padarytą žaizdą, jaunuolį už randą!
23Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
24Jei už Kainą bus atkeršyta septyneriopai, tai už Lamechą­septyniasdešimt septynis kartus!”
24Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
25Adomas vėl pažino savo žmoną, ir ji pagimdė sūnų, vardu Setas, sakydama: “Dievas man davė kitą sūnų vietoje Abelio, kurį Kainas užmušė”.
25Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
26Taip pat ir Setas turėjo sūnų, vardu Enas. Tuomet žmonės pradėjo šauktis Viešpaties vardo.
26Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.