Lithuanian

Malagasy

Genesis

7

1Viešpats tarė Nojui: “Eik į arką tu ir visi tavo artimieji, nes tave radau teisų šioje kartoje.
1Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
2Pasiimk iš visų švarių gyvulių po septynetą patinų ir patelių, o iš visų nešvarių gyvulių­po patiną ir patelę,
2Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3taip pat ir iš padangių paukščių po septynetą patinų ir patelių, kad išlaikytum jų rūšį visos žemės paviršiuje.
3ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.
4Po septynių dienų Aš užleisiu lietų ant žemės keturiasdešimčiai dienų ir keturiasdešimčiai naktų ir išnaikinsiu žemės paviršiuje visas gyvas būtybes, kurias esu padaręs”.
4Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
5Ir Nojus padarė viską, ką Viešpats jam įsakė.
5Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.
6Nojus buvo šešių šimtų metų, kai tvanas prasidėjo.
6Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
7Tuomet Nojus, jo sūnūs, jo žmona ir sūnų žmonos suėjo su juo į arką, gelbėdamiesi nuo tvano.
7Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8Švarių ir nešvarių gyvulių, paukščių ir roplių
8Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,
9poros suėjo į Nojaus arką, kaip Dievas buvo įsakęs Nojui.
9dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.
10Septynioms dienoms praėjus, tvano vandenys užplūdo žemę.
10Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.
11Nojui sulaukus šešių šimtų metų, antro mėnesio septynioliktą dieną pratrūko visi didžiosios gelmės šaltiniai ir dangaus langai atsidarė.
11Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
12Lijo keturiasdešimt dienų ir keturiasdešimt naktų.
12Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13Tą pačią dieną į arką įėjo Nojus ir jo sūnūs: Semas, Chamas ir Jafetas, Nojaus žmona ir trys jo sūnų žmonos.
13Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14Jie ir visi žvėrys, galvijai, ropliai ir visi paukščiai pagal savo rūšis
14dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15suėjo į Nojaus arką, po du visų kūnų, turinčių gyvybės kvapą.
15Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16Įėjusieji buvo patinas ir patelė kiekvieno kūno, kaip Dievas jam buvo įsakęs. Tuomet Viešpats uždarė arką iš lauko pusės.
16Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
17Lietus tęsėsi keturiasdešimt dienų, vandens daugėjo ir jis pakėlė arką aukštyn nuo žemės.
17Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
18Vanduo kilo ir užplūdo žemę, o arka plūduriavo vandens paviršiuje.
18Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.
19Vanduo pakilo taip aukštai, kad apsėmė visus aukštuosius kalnus, kurie stūksojo po dangumi.
19Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.
20Vanduo pakilo penkiolika uolekčių virš kalnų ir juos apdengė.
20Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21Ir žuvo kiekvienas kūnas, kuris judėjo ant žemės: paukščiai, galvijai, žvėrys, ropliai ir visi žmonės.
21Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
22Visa, kas buvo gyva ir gyveno sausumoje, išmirė.
22Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.
23Taip Dievas išnaikino visas gyvas būtybes, kurios buvo žemės paviršiuje, tiek žmones, tiek gyvulius, roplius ir padangių paukščius. Išliko tik Nojus ir tie, kurie buvo su juo arkoje.
23Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
24Vanduo laikėsi žemėje šimtą penkiasdešimt dienų.
24Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.