Lithuanian

Malagasy

Judges

16

1Kartą Samsonas, nuvykęs į Gazą, pamatė paleistuvę ir užėjo pas ją.
1[Ny nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2Gazos gyventojai, sužinoję, kad Samsonas atėjo į miestą, visą naktį laukė jo prie miesto vartų, sakydami: “Kai prašvis rytas, nužudysime jį”.
2Ary nolazaina tamin'ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
3Samsonas buvo pas paleistuvę iki vidurnakčio. Atsikėlęs vidurnaktį, jis nutvėrė miesto vartus su staktomis, iškėlė juos kartu su sklende, užsidėjo ant pečių ir nunešė ant kalno, esančio prie Hebrono.
3Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.
4Vėliau jis pamilo Soreko slėnyje moterį, vardu Delila.
4Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5Atėję filistinų kunigaikščiai tarė jai: “Sužinok iš Samsono, kur glūdi didelės jo jėgos paslaptis ir kokiu būdu jį galėtume nugalėti ir surišti. Mes tau duosime kiekvienas po tūkstantį šimtą sidabrinių”.
5Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
6Delila klausė Samsoną: “Pasakyk man, kur glūdi tavo didelės jėgos paslaptis ir kuo galima tave surišti, kad neištrūktum?”
6Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran'ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
7Samsonas jai atsakė: “Jei mane surištų septyniomis virvėmis iš gyslų, kurios dar nėra išdžiūvusios, tai aš būčiau toks, kaip bet kuris kitas žmogus”.
7Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
8Filistinų kunigaikščiai atnešė jai septynias virves iš gyslų, kurios dar nebuvo išdžiūvusios, ir ji jomis surišo Samsoną.
8Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy.
9Jos kambaryje laukė pasislėpę vyrai. Delila sušuko: “Samsonai, filistinai puola!” Jis sutraukė virves, kaip sutrūksta pakuliniai siūlai nuo ugnies. Iš kur jo jėga­nepaaiškėjo.
9Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
10Delila tarė Samsonui: “Tu pasityčiojai iš manęs, meluodamas man. Dabar, prašau tavęs, pasakyk man, kuo galima tave surišti?”
10Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11Jis atsakė: “Jei mane surištų visiškai naujomis virvėmis, kurios dar nebuvo naudotos, tai aš turėčiau tokią jėgą, kaip bet kuris kitas žmogus”.
11Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
12Delila, surišusi naujomis virvėmis Samsoną, tarė: “Samsonai, filistinai puola!” Tuo metu pasislėpę vyrai sėdėjo kambaryje. Jis sutraukė virves kaip siūlus.
12Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.
13Delila tarė Samsonui: “Lig šiol tu tyčiojaisi iš manęs ir man melavai. Pasakyk, kuo tave būtų galima surišti?” Jis atsakė jai: “Jei supinsi septynias mano galvos garbanas į kasas ir prikalsi vinimi, aš tapsiu toks silpnas, kaip bet kuris kitas žmogus”.
13Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.
14Jam užmigus, ji supynė septynias jo galvos garbanas į kasas, prikalė jas vinimi ir tarė: “Samsonai, filistinai puola!” Pabudęs iš miego, jis ištraukė vinį su plaukais.
14Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
15Delila supykus tarė: “Kaip tu gali sakyti: ‘Aš myliu tave’, kai tavo širdis nėra su manimi? Jau tris kartus pasityčiojai iš manęs ir nepasakei, kur glūdi tavo didelės jėgos paslaptis”.
15Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.
16Ji nedavė jam ramybės savo kalbomis ir, primygtinai klausinėdama, taip jam įkyrėjo,
16Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
17kad jis pasakė jai visą tiesą: “Mano galva niekados nebuvo skusta, nes aš esu pašvęstas Dievui nuo pat gimimo. Jei man nuskustų galvą, tai netekčiau jėgos ir tapčiau silpnas, kaip bet kuris kitas žmogus”.
17Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
18Delila pamatė, kad jis atvėrė jai širdį, ir pasišaukė filistinų kunigaikščius, sakydama: “Dar kartą ateikite, nes jis man atvėrė savo širdį”. Filistinų kunigaikščiai atėjo pas ją ir atnešė pinigus.
18Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19Delila užmigdė Samsoną ant savo kelių ir, pasišaukusi vyrą, liepė nukirpti Samsonui septynias galvos garbanas. Jo jėga dingo.
19Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
20Ji tarė: “Samsonai, filistinai puola!” Pabudęs iš miego, jis galvojo, kad bus taip, kaip anksčiau. Bet jis nežinojo, kad Viešpats pasitraukė nuo jo.
20Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
21Filistinai, nutvėrę jį, išdūrė jam akis, nusivedė į Gazą ir, sukaustę varinėmis grandinėmis, pristatė jį sukti girnas kalėjime.
21Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
22Tuo laiku jo galvos plaukai pradėjo ataugti.
22Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
23Filistinų kunigaikščiai susirinko aukoti gausių aukų savo dievui Dagonui ir pasidžiaugti laimėjimu. Jie sakė: “Mūsų dievas atidavė į mūsų rankas Samsoną, mūsų priešą”.
23Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
24Žmonės, jį matydami, garbino savo dievą: “Mūsų dievas atidavė į mūsų rankas mūsų priešą, kuris nusiaubė mūsų šalį ir daug mūsiškių išžudė”.
24Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
25Įsilinksminę jie tarė: “Pašaukite Samsoną, kad jis mus palinksmintų”. Jie atvedė Samsoną iš kalėjimo ir jį pastatė tarp kolonų, kad juos linksmintų.
25Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.
26Samsonas sakė jaunuoliui, kuris vedė jį už rankos: “Privesk mane prie kolonų, ant kurių laikosi pastatas, kad galėčiau atsiremti į jas”.
26Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
27Pastatas buvo pilnas vyrų ir moterų, ten buvo ir visi filistinų kunigaikščiai. Ant stogo buvo apie tris tūkstančius vyrų bei moterų, kurie žiūrėjo, kaip Samsonas juos linksmino.
27Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.
28Samsonas šaukėsi Viešpaties: “Viešpatie Dieve, prašau, atsimink mane! Sustiprink mane, Viešpatie, dar kartą, kad atkeršyčiau filistinams vienu smūgiu už savo akis!”
28Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.
29Samsonas įsirėmė į abi vidurines kolonas, kurios laikė pastatą, į vieną­dešine, į kitą­kaire ranka
29Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
30ir tarė: “Mirštu drauge su filistinais!” Ir iš visų jėgų pastūmė. Pastatas griuvo ant kunigaikščių ir ant visų jame buvusiųjų. Žuvusiųjų, kuriuos jis užmušė mirdamas, buvo daugiau negu tų, kuriuos užmušė gyvendamas.
30Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
31Po to atėjo jo broliai ir visi giminės. Jie, pasiėmę jį, nunešė ir palaidojo jo tėvo Manoacho kape tarp Coros ir Eštaolio. Samsonas teisė Izraelį dvidešimt metų.
31Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.