Lithuanian

Malagasy

Leviticus

24

1Viešpats kalbėjo Mozei:
1[Ny amin'ny fanamboarana ny jiro sy ny fanaovana ny mofo aseho] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2“Įsakyk izraelitams, kad jie atneštų tyriausio alyvmedžių aliejaus, kad lempos nuolat degtų
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
3Susitikimo palapinėje šiapus uždangos į Švenčiausiąją. Jas uždegs Aaronas kiekvieną vakarą ir prižiūrės, kad jos degtų iki ryto Viešpaties akivaizdoje. Ši tarnystė bus amžinas įstatymas visoms jūsų kartoms.
3Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
4Lempos stovės ant žvakidės iš gryno aukso Viešpaties akivaizdoje.
4Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
5Imk smulkių miltų ir iš jų iškepk dvylika duonos kepalėlių, kiekvieną iš dviejų dešimtųjų efos,
5Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.
6juos padėk ant gryno aukso stalo Viešpaties akivaizdoje dviem eilėm, po šešis kiekvienoje eilėje.
6Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
7Ant kiekvienos eilės padėk tyriausių smilkalų, kad jie būtų ant duonos, kuri sudeginama kaip atminimas Viešpačiui.
7Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
8Kas sabatą ji bus keičiama. Izraelitams tai bus amžinas įstatymas.
8Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
9Visa tai priklausys Aaronui ir jo sūnums, jie valgys ją šventoje vietoje, nes tai švenčiausias dalykas iš Viešpaties deginamųjų aukų pagal amžinąjį įstatymą”.
9Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
10Izraelitės moters sūnus, kurio tėvas buvo egiptietis, susiginčijo su izraelitu stovykloje.
10[Ny amin'ny fampijaliana izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah mbamin'ny valin'ny famonoana] Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11Jį atvedė pas Mozę, kadangi jis piktžodžiavo ir keikė Dievą. Jo motina buvo Šelomita, Dibrio duktė iš Dano giminės.
11Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
12Jį uždarė ir laukė Viešpaties nurodymo.
12ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
13Viešpats įsakė Mozei:
13Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
14“Išvesk piktžodžiautoją iš stovyklos. Visi, kurie girdėjo jį piktžodžiaujant, teuždeda savo rankas ant jo galvos, o visi žmonės teužmuša jį akmenimis.
14Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15Izraelitams sakyk: ‘Kas keikia Dievą, atsakys už savo nusikaltimą.
15Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
16Kas piktžodžiaus Viešpaties vardui, turės mirti­jis bus užmuštas akmenimis, ar jis bus vietinis, ar ateivis. Kas piktžodžiaus Viešpaties vardui, bus baudžiamas mirtimi.
16Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
17Kas nužudo žmogų, taip pat turi mirti.
17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
18Jei kas užmuša gyvulį, atlygins gyvuliu už gyvulį.
18Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
19Kas sužalotų savo artimą, jam bus padaryta taip, kaip jis padarė:
19Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20sulaužymas už sulaužymą, akis už akį, dantis už dantį.
20tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
21Užmušęs gyvulį, atlygins; užmušęs žmogų, bus baudžiamas mirtimi.
21Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22Tas pats įstatymas galioja ateiviui ir vietiniam, nes Aš esu Viešpats, jūsų Dievas’ ”.
22Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23Po to izraelitai išvedė piktžodžiautoją iš stovyklos ir užmušė jį akmenimis. Jie padarė, kaip Viešpats įsakė Mozei.
23Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.