1Balaamas, matydamas, kad Viešpačiui patinka laiminti Izraelį, nebėjo, kaip pirma eidavo ieškoti žyniavimo, bet atgręžė veidą į dykumą
1Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
2ir, pakėlęs akis, pamatė izraelitus, stovyklaujančius giminėmis savo palapinėse. Dievo dvasia nužengė ant jo,
2Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama.
3ir jis kalbėjo: “Kalba žmogus, Beoro sūnus Balaamas, kurio atvertos akys,
3Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
4kuris girdi Dievo žodžius, mato Visagalio regėjimus ir krinta atvertomis akimis.
4Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
5Kokios gražios tavo palapinės, Jokūbai, ir tavo buveinės, Izraeli!
5Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6Jos yra kaip besitęsią slėniai, kaip sodai paupiuose, kaip Viešpaties sodinti alavijų medžiai, lyg kedrai prie vandens!
6Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7Vanduo tekės upėmis, ir jų slėniuose viskas augs. Izraelitų karalius bus žymesnis už Agagą, jo karalystė bus išaukštinta.
7Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8Dievas išvedė jį iš Egipto, jo galybė kaip stumbro; jis suvalgys priešų tautas, sulaužys jų kaulus, pervers juos savo strėlėmis.
8Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany.
9Jis atsiguls kaip liūtas, kurio niekas nedrįs pažadinti. Kas tave laimina, bus palaimintas; kas keikia, bus prakeiktas”.
9Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10Balakas, supykęs ant Balaamo, suplojo rankomis ir tarė: “Aš tave pasišaukiau prakeikti mano priešus, o tu juos tris kartus palaiminai.
10Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
11Grįžk skubiai į savo kraštą! Maniau tave didžiai pagerbti, bet Viešpats atėmė iš tavęs tau skirtą pagarbą”.
11Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12Balaamas atsakė Balakui: “Argi aš nesakiau tavo pasiuntiniams, kuriuos atsiuntei pas mane:
12Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin'ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
13‘Jei Balakas man duotų pilnus savo namus sidabro ir aukso, aš negaliu peržengti Viešpaties įsakymo ir daryti gera ar bloga savo noru. Kalbėsiu tai, ką Viešpats man įsakys’.
13Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin'i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin'ny saiko; izay holazain'i Jehovah ihany no holazaiko?
14Prieš grįždamas pas savo tautą, paskelbsiu tau, ką ši tauta padarys tavo tautai ateityje”.
14Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin'ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin'izay hataon'ity firenena ity amin'ny vahoakanao any am-parany.
15Balaamas toliau kalbėjo: “Kalba žmogus, Beoro sūnus Balaamas, kurio akys atvertos,
15Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
16kuris girdi Dievo žodžius, pažįsta Aukščiausiojo mokslą, mato Visagalio regėjimus ir krinta atvertomis akimis.
16Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
17Aš jį matysiu, bet ne dabar, į jį žiūrėsiu, bet ne iš arti. Žvaigždė užtekės iš Jokūbo giminės, skeptras pakils Izraelyje, jis užims Moabą ir sunaikins Seto giminę.
17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
18Edomas ir Seyras taps priešų nuosavybe, Izraelis parodys savo jėgą.
18Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
19Jokūbo ainiai viešpataus ir sunaikins priešų likučius”.
19Ary avy amin'i Jakoba no isehoan'Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
20Balaamas, pažiūrėjęs į amalekiečius, kalbėjo: “Amalekas yra pirmas tarp tautų, bet jis bus sunaikintas amžiams”.
20Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
21Pamatęs kainitus, tarė: “Stipri, saugi tavo buveinė, kaip ant uolos sukrautas lizdas.
21Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin'ny vatolampy ny akaninao.
22Bet ir jūs, kainitai, būsite išsklaidyti, jūsų palikuonis Ašūras ištrems.
22Kanefa ho ringana Kaina, alohan'ny hamaboan'i Asyra anao.
23Ir kas išliks gyvas, kai Dievas visa tai darys?
23Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
24Laivai atvyks iš Kitimo, pavergs ašūriečius ir sunaikins Ebero kraštą, pagaliau patys žus”.
24Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.
25Po to Balaamas sugrįžo į savo tėviškę; taip pat ir Balakas grįžo tuo keliu, kuriuo buvo atėjęs.
25Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany.