Lithuanian

Malagasy

Ruth

1

1Teisėjų valdymo laikais šalyje kilo badas. Vienas vyras iš Judo Betliejaus su žmona ir dviem sūnumis iškeliavo gyventi į Moabo kraštą.
1[Ny nanjo an'i Naomy, sy ny niarahan'i Rota taminy, rehefa niverina ho any Betlehema izy] Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;
2To vyro vardas buvo Elimelechas, jo žmonos vardas Noomė, o sūnų­Machlonas ir Kiljonas, efratai iš Judo Betliejaus. Jie atvyko į Moabo kraštą ir ten apsigyveno.
2Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
3Noomės vyras Elimelechas mirė ir ji liko su dviem sūnumis.
3Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
4Jie vedė žmonas moabites. Viena vardu Orpa, o kita­Rūta. Jie ten išgyveno apie dešimt metų.
4Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
5Po to abu sūnūs, Machlonas ir Kiljonas, mirė. Moteris neteko abiejų sūnų ir vyro.
5Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
6Ji su savo marčiomis pakilo grįžti į savo kraštą, nes buvo girdėjusi būdama Moabo krašte, kad Viešpats aplankė savo tautą, duodamas jiems duonos.
6Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
7Ji išėjo iš ten, kur gyveno kartu su savo marčiomis, ir ėjo į Judą.
7Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.
8Noomė tarė savo marčioms: “Eikite namo pas savo motinas. Viešpats tebūna malonus jums, kaip jūs buvote mirusiems ir man.
8Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.
9Viešpats jums tesuteikia poilsį vyro namuose”. Noomė pabučiavo savo marčias, kurios pakėlė balsus ir verkė.
9Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
10Ir jos sakė: “Mes norime eiti su tavimi pas tavo žmones”.
10Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.
11Noomė atsakė: “Grįžkite, mano dukros. Kodėl jūs norite eiti su manimi? Ar manote, kad aš galiu užauginti sūnus, kurie taptų jūsų vyrais?
11Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
12Grįžkite, mano dukros. Aš juk per sena vedyboms. Jei turėčiau viltį dar šiąnakt ištekėti ir pagimdyti sūnų,
12Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
13argi jūs lauktumėte, kol jis užaugs? Argi dėl to susilaikytumėte nuo santuokos? Ne, mano dukros. Man labai skaudu dėl jūsų, bet Viešpaties ranka yra prieš mane”.
13moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
14Jos pakėlė balsus ir vėl verkė. Orpa atsisveikino su savo anyta, o Rūta pasiliko su ja.
14Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
15Noomė tarė: “Tavo brolienė sugrįžo pas savo tautą ir savo dievus. Grįžk ir tu”.
15Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
16Tačiau Rūta atsakė: “Neversk manęs tave palikti ir sugrįžti. Kur tu eisi, ir aš eisiu; kur tu gyvensi, ir aš gyvensiu. Tavo tauta yra mano tauta ir tavo Dievas­mano Dievas.
16Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
17Kur tu mirsi, ir aš ten mirsiu ir būsiu palaidota. Tegul Viešpats padaro man tai ir dar daugiau, bet tik mirtis atskirs mane nuo tavęs”.
17izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
18Noomė matė, kad Rūta tvirtai pasiryžusi eiti su ja, ir nustojo atkalbinėti.
18Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
19Taip jos keliavo, kol atėjo į Betliejų. Joms atėjus į Betliejų, visas miestas sujudo ir klausinėjo: “Ar tai Noomė?”
19Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
20Ji atsakė: “Nevadinkite manęs Noome, vadinkite mane Mara, nes Visagalis labai apkartino mano gyvenimą.
20Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]
21Išėjau turtinga, o Viešpats parvedė tuščiomis rankomis. Kodėl vadinate mane Noome? Juk Viešpats paliudijo prieš mane, Visagalis mane nubaudė”.
21Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
22Taip grįžo Noomė ir jos marti moabitė Rūta iš Moabo krašto. Jos atvyko į Betliejų miežių pjūties pradžioje.
22Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.