1[Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
1屬靈的恩賜弟兄們,關於屬靈的恩賜,我不願意你們不明白。
2Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
2你們知道,你們還是教外人的時候,總是受迷惑被引誘,去拜那不能說話的偶像。
3Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [ Gr. anatema]
3所以我要你們知道,被 神的靈感動而說話的人,沒有一個會說“耶穌是可咒詛的”;除非是被聖靈感動,也沒有人能說“耶穌是主”。
4Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
4恩賜有許多種,卻是同一位聖靈所賜的;
5Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
5服事的職分有許多種,但是同一位主;
6Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.
6工作的方式也有許多種,但仍是一位 神,是他在眾人裡面作成一切。
7Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. [ Na: fisehoan']
7聖靈顯現在各人的身上,為的是要使人得著益處。
8Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
8有人藉著聖靈領受了智慧的言語,又有人靠著同一位聖靈領受了知識的言語,
9ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,
9又有人因著同一位聖靈領受了信心,還有人因著這位聖靈領受了醫病的恩賜,
10ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [ Gr. hery]
10另有人可以行神蹟,另有人可以講道,另有人可以辨別諸靈,也有人能說各種的方言,也有人能翻譯方言。
11Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
11這一切都是這同一位聖靈所作的,他按照自己的意思個別地分給各人。
12Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
12正如身體是一個,卻有許多肢體,而且肢體雖然很多,身體仍是一個;基督也是這樣。
13Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [ Gr. Grika]
13我們無論是猶太人,是希臘人,是作奴隸的,是自由的,都在那一位聖靈裡受了洗,成為一個身體,都飲了那一位聖靈。
14Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.
14原來身體有許多肢體,並不是只有一個肢體。
15Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
15假如腳說:“我不是手,所以我不屬於身體。”它不能因此就不屬於身體。
16Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
16假如耳朵說:“我不是眼睛,所以我不屬於身體。”它也不能因此就不屬於身體。
17Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
17假如整個身體只是眼睛,怎樣聽呢?假如整個身體只是耳朵,怎樣聞味呢?
18Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony.
18但現在 神按照自己的意思,把肢體一一放在身體上。
19Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
19假如所有的只是一個肢體,怎能算是身體呢?
20Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
20但現在肢體雖然很多,身體卻只是一個。
21Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
21眼睛不能對手說:“我不需要你。”頭也不能對腳說:“我不需要你們。”
22Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
22相反地,身體上那些似乎比較軟弱的肢體,更是不可缺少的。
23Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
23我們認為身體上不大體面的部分,就更加要把它裝飾得體面;不大美觀的部分,就更加要使它美觀。
24fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
24我們身體上美觀的部分,就不需要這樣了。但 神卻這樣把身體組成了:格外地把體面加給比較有缺欠的肢體,
25mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
25好使肢體能夠互相照顧,免得身體上有了分裂。
26Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
26如果一個肢體受苦,所有的肢體就一同受苦;如果一個肢體得榮耀,所有的肢體就一同快樂。
27Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
27你們就是基督的身體,並且每一個人都是作肢體的。
28Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [ Gr. hery]
28 神在教會裡所設立的,第一是使徒,第二是先知,第三是教師,其次是行神蹟的,再其次是有醫病恩賜的,幫助人的,治理事的,說各種方言的。
29Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
29難道都是使徒嗎?都是先知嗎?都是教師嗎?都是行神蹟的嗎?
30Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
30都是有醫病恩賜的嗎?都是說方言的嗎?都是翻譯方言的嗎?
31Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
31你們卻要熱切地追求那些更大的恩賜。現在我要把更高的道路指示你們。