Malagasy

聖經新譯本

1 Corinthians

8

1[Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
1祭過偶像的食物的問題關於祭過偶像的食物,我們曉得我們都有知識。但知識會使人自高自大,唯有愛心能造就人。
2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
2如果有人自以為知道些甚麼,那麼,他應該知道的,他還是不知道。
3Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany.
3如果有人愛 神,這人是 神所知道的。
4Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.
4關於吃祭過偶像的食物,我們知道世上的偶像算不得甚麼,也知道 神只有一位,沒有別的神。
5Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);
5雖然有被稱為神的,無論在天上或在地上(就如有許多的“神”許多的“主”),
6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
6然而我們只有一位 神,就是父;萬物都是從他而來,我們也為了他而活。我們也只有一位主,就是耶穌基督;萬物都是藉著他而有的,我們也是藉著他而有的。
7Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
7不過,這種知識不是人人都有的。有些人直到現在習慣了拜偶像的事,因此他們吃的時候,就把這些食物看作是真的獻過給偶像的;他們的良心既然軟弱,就被污穢了。
8Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.
8其實食物不能使我們親近 神,我們不吃也無損,吃也無益。
9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.
9然而你們要謹慎,免得你們這自由成了軟弱的人的絆腳石。
10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?
10因為如果有人看見你這有知識的人,在偶像的廟裡吃飯,他的良心若是軟弱,他不就放膽去吃那祭過偶像的食物嗎?
11Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana?
11因此,基督已經為他死了的那軟弱的弟兄,就因你的知識而滅亡了。
12Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
12你們這樣得罪弟兄,傷了他們軟弱的良心,就是得罪基督了。
13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
13所以,如果食物使我的弟兄跌倒,我就永遠不再吃肉,免得使我的弟兄跌倒了。