Malagasy

聖經新譯本

1 John

5

1Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
1信心使我們勝過世界凡信耶穌是基督的,都是從 神生的,凡愛那生他的,也必愛那從他而生的。
2Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
2我們若愛 神,並且遵行他的命令,就知道我們是愛 神的兒女了。
3Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
3我們遵守 神的命令,就是愛他了;而且他的命令是不難遵守的,
4Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
4因為凡從 神生的就勝過世界。使我們勝過世界的,就是我們的信心。
5Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
5勝過世界的是誰呢?不就是那信耶穌是 神的兒子的嗎?
6Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
6 神為他兒子作的見證那藉著水和血來的就是耶穌基督,不是單用水,而是用水又用血;作見證的是聖靈,因為聖靈就是真理。
7Fa misy telo izay manambara,
7原來作見證的有三樣,
8dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
8就是聖靈、水和血,這三樣是一致的。
9Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
9我們若接受人的見證, 神的見證就更強而有力了,因為這是 神為他的兒子作的見證。
10Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
10信 神的兒子的,就有這見證在他心裡;不信 神的,就是把 神當作說謊的,因為他不信 神為他兒子所作的見證。
11Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
11這見證就是 神已經把永遠的生命賜給我們,這生命是在他兒子裡面的。
12Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
12凡有 神兒子的,就有生命;沒有 神兒子的,就沒有生命。
13[Ny amin'ny fivavahana ary ny tsi-fitovian'ny zanak'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy] Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
13要照 神的旨意祈求我把這些事寫給你們信 神的兒子之名的人,是要你們知道自己有永生。
14Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
14如果我們照著 神的旨意祈求,他必聽我們;這就是我們對 神所存的坦然無懼的心。
15ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
15既然他聽我們的祈求,我們就知道,我們無論求甚麼,他必賜給我們。
16Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy. [ Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana] [ Gr. ota ho amin'ny fahafatesana]
16如果有人看見弟兄犯了不至於死的罪,他就要祈求, 神必因他的緣故,把生命賜給那些犯了不至於死的罪的人;有至於死的罪,我不說他應當為那罪祈求。
17Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty. [ Gr. ota ny ho amin'ny fahafatesana]
17一切不義都是罪,但也有不至於死的罪。
18Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [ Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy]
18我們知道凡從 神生的就不犯罪,而且從 神生的那一位也必保守他,連那惡者也不能碰他。
19Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.
19我們知道我們是屬於 神的,而整個世界是伏在那惡者手下。
20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
20我們知道 神的兒子已經來了,並且賜給我們悟性,使我們能認識那位真實者。我們也在那位真實者裡面,就是在他兒子耶穌基督裡面。這一位就是真神,也是永遠的生命。
21Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
21孩子們,你們要保守自己遠離偶像。