Malagasy

聖經新譯本

1 Thessalonians

2

1Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
1保羅在帖撒羅尼迦的工作弟兄們,你們都知道,我們進到你們那裡,並不是白費工夫的。
2fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
2我們從前在腓立比雖然受了苦,又被凌辱,可是靠著我們的 神,在強烈的反對之下,仍然放膽向你們述說 神的福音,這是你們知道的。
3Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
3我們的呼籲,不是錯謬的,不是污穢的,也沒有詭詐。
4Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
4相反地, 神既然考驗過我們,把福音委託給我們,我們就傳講,不像是討人歡心的,而是討那察驗我們心思的 神的喜悅。
5Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
5我們從來不說奉承的話,這是你們知道的, 神可以作證,我們並沒有藉故起貪心,
6ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,.
6也沒有向你們或別人求取人的榮譽。
7Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
7我們身為基督使徒的,雖然有權利受人尊敬,但我們在你們中間卻是謙和的,就像母親乳養自己的孩子。
8dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
8我們這樣疼愛你們,不但樂意把 神的福音傳給你們,連自己的性命也樂意給你們,因為你們是我們所愛的。
9Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
9弟兄們,你們應該記得我們的辛苦和勞碌;我們把 神的福音傳給你們的時候,怎樣晝夜作工,免得你們有人受累。
10Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
10我們對你們信的人是多麼聖潔、公義、無可指摘,這是你們和 神都可以作證的。
11toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
11正如你們知道的,我們是怎樣好像父親對待兒女一樣對待你們各人:
12mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
12勸勉你們,鼓勵你們,叮囑你們,要你們行事為人,配得上那召你們進入他的國和榮耀的 神。
13Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
13我們也為這緣故不住感謝 神,因為你們接受了我們所傳的 神的道,不認為這是人的道,而認為這確實是 神的道。這道也運行在你們信的人裡面。
14Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
14弟兄們,你們好像猶太地在基督耶穌裡 神的眾教會一樣,他們怎樣遭受猶太人的迫害,你們也照樣遭受同族人的迫害。
15izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
15這些猶太人殺了主耶穌和眾先知,又把我們趕出來。他們得不到 神的喜悅,並且和所有的人作對,
16ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
16阻撓我們向外族人傳道,不讓他們得救,以致惡貫滿盈。 神的忿怒終必臨到他們身上。
17Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
17保羅渴望再訪帖撒羅尼迦弟兄們,我們被迫暫時離開你們,不過是身體離開,心卻沒有離開。我們非常渴望再見到你們。
18Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
18因此,我們很想到你們那裡去,我保羅也一再想去,只是撒但阻擋了我們。
19Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
19我們主耶穌再來的時候,我們在他面前的盼望、喜樂或所誇耀的冠冕是甚麼呢?不就是你們嗎?
20Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
20是的,你們就是我們的榮耀,我們的喜樂。