1Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. [Gr. hasiana blasfemia, izahao Mat. 9.3]
1凡負軛作奴僕的,應當看自己的主人是配受十分的敬重,免得 神的名和道理被人褻瀆。
2Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
2奴僕有信主的主人,不可因為他們是弟兄而輕看他們;倒要加意服事他們,因為這些受到服事的益處的,是信主蒙愛的人。你要把這些事教導人,勸勉人。
3[Fananarana sy teny farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [ Gr. salama]
3敬虔與知足如果有人傳別的教義,不接受我們的主耶穌基督純正的話語,和那敬虔的道理,
4dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [ Gr. marary]
4他是自高自大,一無所知,反而專好問難爭辯,由此產生妒忌、紛爭、毀謗、惡意的猜疑,
5fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
5就和那些心術敗壞,喪失真理的人不斷地爭競。他們視敬虔為得利的門路。
6Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
6其實敬虔而又知足,就是得大利的途徑,
7Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. [ Na: satria]
7因為我們沒有帶甚麼到世上來,也不能帶甚麼去。
8Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
8只要有衣有食,就應當知足。
9Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
9但那些想要發財的人,就落在試探中和陷阱裡;又落在許多無知而有害的私慾裡,使人沉淪在敗壞和滅亡中;
10Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
10因為貪財是萬惡之根。有人貪愛錢財,就被引誘離開真道,用許多痛苦把自己刺透了。
11Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
11要為信仰打那美好的仗但你這屬 神的人啊,應該逃避這些事,要追求公義、敬虔、信心、愛心、忍耐和溫柔。
12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
12要為信仰打那美好的仗,持定永生;你是為這永生而蒙召的,又在許多的證人面前承認過美好的信仰。
13Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato,
13我在賜生命給萬物的 神面前,並那在本丟.彼拉多面前見證過美好的信仰的基督耶穌面前囑咐你,
14mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
14你當毫無玷污,無可指摘地持守這命令,直到我們主耶穌基督的顯現。
15ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
15到了適當的時候,那可稱頌的、獨一的全能者,萬王之王,萬主之主,必把基督的顯現表明出來。
16Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
16只有他永遠不死,住在不能接近的光裡,沒有人見過他,人也不能看見他。願尊榮和永遠的權能都歸給他。阿們。
17Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [ Gr. fiovavovan'ny harena]
17你要囑咐那些今世富有的人,叫他們不要心高氣傲,也不要寄望在浮動的財富上,卻要仰望那厚賜百物給我們享用的 神。
18mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
18又要囑咐他們行善,在善事上富足,慷慨好施。
19ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
19這樣,就為自己在來世積聚財富,作美好的基礎,好叫他們能夠得著那真正的生命。
20Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
20提摩太啊,你要保守所交託你的,避免世俗的空談和冒稱是知識的那種反調;
21izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
21有些人自稱有這知識,就偏離了真道。願恩惠與你們同在。